FLM MAZARGUES MARSEILLE
  FDL
 
FDL MARSEILLE MAZARGUES  (oktobra 2018)
Ezekiela 36 -.24-21
Raha dinihantsika tsara io andalan-tsoratra masina io dia izao no azo
amintinana azy : "Andriamanitra hanova sy hanavao antsika amin'ny
alalan'ny teniny"
Io tenin' Andriamanitra io dia mitarika antsika ho ao amin'ny Kristy
Jesosy ary izany fanarahana an'I Jesosy izany dia mitaky fiovana sy
fahaterahana indray.
Mandresy lahatra ny olona hanantona io teny io satria misy flainana ao
amin'ny Kristy, ary Izy tenany no Fiainana.
Fa raha ao amin'I Kristy tokoa isika dia amboariny sy avaoziny
isan'Andro, isan'ora, isam-potoana, fa hoy ny Apostoly Paoly "Raha
misy olona ao amin'i kristy dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra
taloha, indreo efa tonga vaovao ireo (II Kor. 5-17)
Mba ahatonga antsika ho olom-baovao anefa dia Andriamanitra
mihintsy no niezaka hanavao antsika fa tsy tongatonga ho azy izany
fanavaozana izany.
- Ny ezaka ombam-pitiavana lehibe voalohany nataon'Andriamanitra
ahatonga antsika olombelona hiverina aminy dia ny fanomezany ny
Zanany lahy tokana hisolo ny helontsika teo ambony hazofijaliana.
-Manadio antsika ho afaka amin'ny fahontantsika Izy; "Ho fafazana
rano ianao mba hadio" (Ezek.36.25). Efa nodiovin'Andriamanitra
tamin'ny alalan'ny Batisa isika, dia tamin'ny alalan'ny ranon'ny
fanasan'ny flterahana indray. Andriamanitra no niteraka antsika, fa tsy
dia fmiavantsika loatra. Tonga zanak'andriamanitra tanteraka isika;
antsoiny hoe zanaka malala, mpandova ny an'Andriamanitra Raintsika
sy ny fiainana mandrakizay.
-Omeny fo vaovao isika zanany, fo vaovao ahaizantsika mankato ny
teniny, ka ahafahantsika manao ny sitrapony.
Mahatonga ny mino hiaina amin'ny fitiavana izany fo vaovao izany, dia
ny fïtiavana ny namana, ny famonjena azy ho afaka amin'ny fahotana sy
fitaomana azy handray ny famonjena, ny fandraisana andraikitra
hampandroso ny asan'Andriamanitra ,
Satria fo nofo mitempo fitiavana sy faniriana hanao ny soa no omeny;
ary fo mitady ny fomba rehetra hisian'ny fifankatiavana, lavitry ny
fifandrafiana sy ny fitokotokoana, tsy Mankato ny fïsaraham-bazana. Fo
faly mifandray amin'ny hafa mba hiara-mitady ny soa iombonana,
lavitiy ny tombotsoan'olom-bitsy noho ny fiterahana indray; fo nofo fa
tsy fo vato (Eziekela 36.26); fo nofo satria mitempo fitiavana,
fïbebahana isan'andro, fandeferana, faharentana, Fo mahay mamela
heioka.
-Mbola omen'Andriamanitra "fanahy vaovao" koa ny mino.
Miara-dalana lalandava, mifandray hatrany ny fo vaovao sy ny fanahy
vaovao. Tsy ananan'izao tontolo izao fahefana io fanahy vaovao io
satria fanahin' ny Zanak'Andriamanitra. Mahay mamono ny tena izao
tontolo izao, fa tsy manan-kery hamono ny fanahy, satria hoy Jesosy :
"Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny
Fanahy" Matio 10:28.
-Andriamanitra irery ihany no manana fahefana amin'ny fanahintsika,
ka mahay manavao io fanahy io.
-Ny Fanahy Masina ihany koa no hery sy fahefana mitarika antsika
hiaina amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ka mahatonga hanankery hanao
izany koa : "Handeha araky ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka
hanaraka azy" (Ezek.36:27).
Persona iray ao amin'ny Telo izay iray ny Fanahy Masina.
Andriamanitra tokoa Izy. Ny asany dia Mpampahery,Mpitarika
Koa mazotoa mihaino, mandalina, mamaky ary indrindra miaina amin' izany Tenin'Andriamanitra izany fa teny fiainana ny teny rehetra izay avoakan'ny vavan'Andriamanitra (Mat 4.4) : tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra avoakan'ny vavan' Andriamanitra. Tsy manao fahagagana toy ny tamin'ny andron'ny Mpaminany intsony Andriamanitra, fa ny teniny no entiny miasa ao anantintsika ka anovany antsika.
Eto am-pamaranana dia te hahampatsiaro antsika FDL aho fa lehilahy avokoa anie ireo apostoly 12, mpanompo nahafatram-po tamin' ny fanarahana an'i Jesosy ka nametrahany fitokisana tamin' ny fotoana nandalovany teto ambonin' ny tany! Lehilahy ihany koa ny akamaroan'ireo Martiora velona ho an' I Tompo sy maty ho an' I Tompo ao amin' filazantsara toa an' I Stefana, ry Jakoba sy ny sisa maro koa, koa meteza isika FDL havaozin'ny Tenin'Andriamanitra ka tsy handevona ny talentantsika fa kosa hampitombo izany aniin'ny asa fanompoana niantsoana antsika ka rnba tsy hitenenana raisy ny anaran'Andriamanitra fa ho tena Fanasina sy torinteny velona eo anivon' ny Fiaraha-monina misy antsika.
Koa Rehefa fa voaovan'ny Fanahy sy ny tenin'Andriamanitra tanteraka isika dia aoka hiteny tsy hisalasala toa an'i Paoly Apostoly izay lehilahy toa antsika koa hoe :"Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko"
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany. Amen
 


" Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy." Genesisy 2:15


Miarahaba antsika amin'ny Anaran'i Jesosy Isaorana Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny Alahadin'ny Fikambanan-dehilahy teto amin'ny FLM Mazargues ny Alahady 29 Marsa 2015,
Manarak'izany ny FDL eto amin'ny FLM Mazargues dia misaotra antsika Fiangonana nanotrona izany Alahadin'ny FDL izany sady nandray anjara mavitrika tamin'ny Vokatra izay notanterahina tamin'ity volana marsa ity,
Andriamanitra ny Fiadanana sady manakarem-pahasoavana anie homba sy hitahy antsika ka izany Fiadanana sy ny Fahasoavany izany anie ho amintsika mandrakariva.
 "....satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo." 1 Koritiana 15:58b.







LA RETRAITE :

 01 sy 02 Novembre 2015:
Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy,Isaorana Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny "la retraite" izay notanterahina ny Sabotsy sy Alahady 01-02 Novembre 2014 lasa teo.Isaorana indrindra koa ny Ray aman-dReny Pastora izay nitondra fampianarana sy ny tenin'Andriamanitra ho antsika tamin'izany fotoana izany
Ary isaorana isika Fiangonana tonga nanotrona ary indrindra nitondra am-bavaka iny fotoana iny, fa matoa tanteraka iny fotoana iny dia noho ny fitondrantsika rehetra am-bavaka. Andriamanitry ny Fiadanana anie hampitombo sy hampiroborobo ny Fifankantiavantsika ka tsy ho very maina iny fotoana iny,
Izy anie hanome antsika ny Fanahy masina ka ny Fampianarana sy ny Tenin'Andriamanitra azontsika dia hitoetra ao am-pontsika. Dia ho an'Andriamanitra irery ny Dera,Laza, ary ny Voninahitra mandrakizay.
RANAIVOSON Nirina Robertin

HETSIKA FDL 26 avril 2014

Ny FIKAMBANAN-DEHILAHY FDL FLM Mazargues:
  "Ianareo no fanasin'ny tany"(Matio 5 : 13)
Noho ny fitahiana' Andriamanitra dia vita soa aman-tsara ny Hetsika sy ny Alahadin'ny FDL ny Sabotsy 26 Avril 2014 sy ny Alahady 27 Avril 2014.
Ny Sabotsy 26 Avril 2014 dia nisy fiarahana mijery "Film Courageous" izay sarimihetsika kristiana natao ho antsika fianakaviana indrindra ny ho antsika Raim-pianakaviana FDL ka isika izay tsy nanatrika dia asaina mba hijerentsika FDL io film io ( http://streamcomplet.com/courageous/ ).
Ny Alahady kosa dia nisy vokatra valopy ka isaorana isika Fiangonana nandray anjara. Ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra izay Azy hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay
 
 
RANAIVOSON NIRINA ROBERTIN
Filoha FDL-FLM Mazargues Marseille

 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement