FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Fanolorana
 

Ny FLM Marseille  Mazargues dia faly mampandroso anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy. 
                                       
Ny Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues dia Fiangonana Loterana izay mirafitra amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy, Synodam-Parintany FLME (Fiangonana Loterana Malagasy aty Eoropa)

Ao amin' ny Fileovana Marseille izay misy Fitandremana roa dia Montpellier sy Marseille no misy azy, ary mirafitra amin' ny Fitandremana Marseille.


Hafatry ny Katekista Rakotoarimanana Francois d'Assise  
Ry havana, 
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika. 
 
Mandroso ankehitriny ny fitaovam-pifandraisana amin’ny lafiny rehetra  ahafahana mampitana vaovao  ny haingana indrindra amin’ny mpihaino amin’ny mpijery ary koa amin’ireo mpitsidika tranok’ala. Mahafaly ankehitriny ny fisokafan’ny tranokalan’ny Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues eto Marseille koa manasa antsika Malagasy rehetra hitsidika an’izany. 
 
  Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra (Kol.2:8-9).
    Ny tenin’i Apostoly Paoly ho an’ny Kolosianina io no anafarana antsika mpitsidika fa an’alina ny feo renao an-hetsiny ny teny hitanao nefa iray amin’ireny ihany no tenin’Andriamanitra ka fantaro “ Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana ankehitriny, fa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny ; fahaverezana no hiafarany , ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ny tany izy. Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy dia Jesosy Kristy Tompo, izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy (Fil.3:18-21)”. “ Hoy Jesosy taminy : Izaho no mofon’aina ; izay manantona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony.

 

  Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita ahy ihany hianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen ’ ny Raiko Ahy no hanatona ahy ; ary izay manantona Ahy tsy mba holaviko mihitsy.(Jaona 6 : 35-37)  

 
Atoa RAKOTOARIMANANA François d'Assise
 Katekista FLM Mazargues Marseille
     
                             

 Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues

NOHO NY FAMEHANA ARAM-PAHASALAMANA MISY AMIN'IZAO FOTOANA IZAO DIA MANOMBOKA AMIN' NY TELO ORA TOLAK' ANDRO NY FOTOAM-PIVAVAHANA ETO AMIN'NY  FLM MAZARGUES-MARSEILLE ISAKY NY ALAHADY
NY SEKOLY ALAHADY DIA ATAO AMIN'NY  ALALAN'NY ZOOM ISAKY NY ALAHADY AMIN'NY   11 ORA MARAINA

 


Toerana iangonana


Eglise Protestante Unie de France 
8 Boulevard Magnan,13009 Marseille.
Bus 21 Castellane, mijanona "arrêt Sainte Trinite",  Mihazo ny bd Delattre Tassigny. Fiviliana Ankavia Bd Magnan.

Fotoana


Isaky ny alahady tolakandro
4 ora  ⇒ Sekoly alahady
5 ora ⇒ fotoam-pivavavahana

   

Fandraisana ny Fanasan' ny Tompo

         Alahady Voalohany sy Fahatelon' ny Volana

Asa sy Fampaherezana
 

Fotoam-Pifohazana:
Asa sy Fampaherezana



  Alahady Fahaefatry ny Volana

Isaky ny Alakamisy hariva amin'ny  7ora sy sasany
   Temple de Provence
27-29 Bd Françoise du Parc 13004 Marseille




Miverina eny ambony

 
  18 visiteurs
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement