FLM MAZARGUES MARSEILLE
  VLM
 

“Fa hataoko ahoana ny fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana ny fijery ny fandringanana ny havako?” Estera 8:6

Ny Sampana Vokovoko Manga dia Sampana velona eto amin’ny fiangonana hatramin’ny niorenany.
Ataovy sary antsaina fa vao teraka ny zaza dia milomano amin’ny tontolo tsy fantany. Anjarantsika ray sy reny ary ireo havana  kristiana no miambina sy ny mijery ny fankampanahy mety hahazo azireo  sy ny mbola hosedrainy.
Isan’ireny ny toaka sy ny zava-mahadomelina. 

Misy ny miteny hoe : misotro aho fa mahalala oniny. Mety hahomby amin’ny olona sasany izany fa tsy amin’ny rehetra;  ny fisotroana mazana mampaniry te-hisotro ka hisotro hatrany indrindra raha tojo olana madinidinika. Rehefa tratry ny fahazarana dia mety hiafara amin’ny heloka  aza: halatra, lainga.

Dia izay ny VOKOVOKO MANGA. Aoka isika hiezaka tsy hanome na faniriana akory ny manodidina antsika hisotro. Ary hitondra tena ho tena vavolombelona hanoro  ny lalana  diavina.

 Ranaivoson Ratianavololona


 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement