FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

SALOMA
saloma FLM Mazargues Marseille le 03/05/2014, 09 09 01 (UTC)
 FANASANA

Synodam-paritany FLME
Fileovana Marseille
Fitandremana Marseille
Fiangonana FLM Marseille Mazargues
Sampana SALOMA FLM Mazargues


TENY FANEVA : "Fa hianao kosa mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany ;"

LOTO CONCERT

Ny sampana SALOMA Fiangonana FLM Marseille Mazargues dia faly manasa anao hanatrika ny hetsiky ny sampana na ny "Activité annuelles 2014" ; izay atao ao amin’ny ERF Magnan ( 8 Bd Magnan 13009 Marseille) ny Sabotsy 24 Mai 2014. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro (13h)
Toy izao no fandaharam-potoana amin’izany :

- 13h - Fanomboana : Fanompoam-pivavahana na culte d’ouverture.

- Sakafo => * vente tsakitsaky : sambos, nem, lasary gasy, mofo sakay, katilesa
qiuches, glaces, canettes, sns......
* Barquettes misy vary sy laoka ho an'ny olon-dehibe
* Frites, hamburgers ho an'ny ankizy

- 14h - CONCERTS :
Saloma FLM Mazargues
Invités

-LOTO : -Une carte à jouer (Gratuit)

-15 à 20 lots à jouer

-VENTES :-De tsakitsaky: Sambos, nems, lasary gasy, mofo sakay, katilesy, quiches,
glaces, canettes,…...sns.
-De barquettes misy vary sy laoka hoan’ny olon-dehibe.
-De frites et hamburgers hoan’ny ankizy.

TSY MISY VIDIM-PIDIRANA

Dia maniry ny fahatongavanao tompoko.
 

HETSIKA FIKAMBANAN-DEHILAHY
FDL-FLM Mazargues Marseille le 22/04/2014, 14 02 19 (UTC)
 "Ianareo no Fanasin'ny Tany" Matio 5:13a
Ny Fikambanan-Dehilahy Loterana - FDL Mazargues dia manasa antsika hanotrona ny "HETSIKA" izay karakarainy ny Sabotsy 26 Avril 2014 amin'ny 4ora tolakandro ao amin'ny Espace Magnan, 8 boulevard Magnan 13009 Marseille.
Ny fandaharam-potoana dia toy izao
4 ora (16h) :
- Fotoam-pivavahana fanokafana
- Fampisehoana SARIMIHETSIKA "Projection Film" momba ny fianakaviana Kristiana
- Ao aorian'ny sarimihetsika dia hisy dinidinika fohy.mikasika ny sarimihetsika sy ny fianakaviana Kristiana

Mandritra ny fotoana dia hisy fivarotana "barquette" izay misy tsakitsaky gasy (mofo gasy,menakely, sambos, nem, mofo sakay...) sy izay amidy amin'ny vidiny mirary.

Dia mirary ny fahatongavantsika maro ho voninahitr'Andriamanitra irery Ihany
RANAIVOSON Nirina Robertin
Filoha FDL-FLM Mazargues Marseille
 

HERINANDRO MASINA
FLM MAZARGUES le 16/04/2014, 14 02 47 (UTC)
 
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i JESOSY KRISTY TOMPO SY MPAMONJY antsika.

**Ilazana isika fa ny Fotoam-pivavahana ny Alarobia sy ny Alakamisy ary ny Zoma Masina dia atao eny amin'ny Fiangonana Ste-Claire.
Hisy ny Fiarahan-tsika Mandray ny Fanasan'ny Tompo, ny Alakamisy Masina.
Dia manasa antsika rehetra mba hiara-miombom-bavaka amin'ireo fotoana ireo.

Manana anjara hira @'izany ny KTLM Fitandremana (KTLM Marseille sy KTLM Mazargues).

Ny Fotoana rehetra dia hanomboka amin'ny 7 ora sy sasany hariva.

** Ny Alahady ny Paska dia eny Mazargues ny Fankalazantsika izany.

Ny fotoana dia hanomboka @ny 4 ora tolakandro.
Andro lehibe tokoa, androm-pandresena ho antsika mpanara-dia an'i Kristy ny Paska, koa aoka samy hanaja ny fotoana isika rehetra. Eo hiany koa no hanatanterahan-tsika ny "Voka-dehibe" fanaon-tsika ny Paska.
Koa samia ary mivavaka ho an'ny Fotoana rehetra ka mba hahazoantsika ny Fiadanana izay nozarain'ny Tompo ho antsika.

"........fa Kristy no velona ato anatiko".

** Ny Fiangonana ERF Magnan sy ny Pasteur Sylvia ILL, dia manasa antsika mba hiara-mivavaka amin'izy ireo ny Zoma Masina izao.
Ny Pasteur ILL no hitondra ny Tenin' Andriamanitra amin'izany.
Ny toerana hanatanterahana izany fotoana izany dia eny amin'ny EGLISE DE MAZARGUES, manomboka @ 7 ora hariva tsy diso.

".........isika na dia maro aza dia Tena iray hiany ao amin'i Kristy Tompo".

Mirary Herin'andro Masina, feno Fanavaozana ho antsika rehetra.

Ho voninahitr' Andriamanitra irery hiany.

Ny Mpitantsoratra Lefitra
Landy RADO



 

ISAN-DROA VOLANA 5-6 Avril 2014
FITANDREMANA MARSEILLE le 31/03/2014, 15 03 29 (UTC)
 PROGRAMAN’ ISAN- DROA VOLANA HATAO AO AMIN’ NY
FLM SAINTE CLAIRE NY 05- 06 AVRILY 2014.

Faneva : « … Ary ny anarany hatao hoe Imanoela. » -Isaia 7. 14d.

Ny Asabotsy 05 Avrily (04 ora 30mn tolakandro).

Mpitarika: Rtoa Dorothée, Mazargues.

Vakiteny:
-T.T.: Isaia 9 : 5 - 6, Josoa (Aix/ Ste Claire)
-T.V.: Gal. 4: 4 -7, Heriniaina (Mazargues)
Fampianarana S.M.: “ Ny natiora roan’ I Kristy”, -Kat. RANDRIANASOLO Andrianalinjato.
Filazan- draharaha
Fanatitra
Toriteny: Lk. 1: 46- 55, -Kat. FRANCOIS D’ASSISE.

Fifampizarana : Fialana hetaheta sy fiaraha- mikorana.

Asa sy Fampaherezana, Mpitarika: Rtoa NIRINA Vololona (Mazargues).
Antsam- panahy, Mpitarika: ANDRIAMASY Manitra.

Komitin’ ny Fitandremana.

Ny Alahady 06 Avrily: (10 ora 30mn)

Mpitarika: RAFARALAHITSIMBA Bénédictine.
Vakiteny:

T.T.: Gen. 12: 1 – 3, RABARISOA Hendry.
Leksiona: Jer. 33: 14- 17, ANDRIAMASY Rado.
T.V.: Lk. 1: 26 – 38, RANDRIANJATOVO Mavosoa.

Toriteny: Pastora.
Filazan- draharaha.
Fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo.

Hafatra:

-Aoka isika samy hitondra am- bavaka ny fivoriantsika.
-Hisy ny valopin’ ny Isan- droavolana, ho solom- bokatra.

Hovoninahitr’ Andriamanitra irery ihany ny fiarahantsika mivory!

 

FIVORIAN'NY KOMITY FLM MAZARGUES
MPITANTSOTRA FLM MAZARGUES le 17/03/2014, 15 03 36 (UTC)
 Faneva: "Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao”. Apokalipsy 3 and 11

Miarahaba antsika @ny anaran'i Jesosy.
Antsoina isika Birao sy Komity ny FLM Mazargues mba ho tonga hamonjy ny fivoriana hatao ny Zomâ 21 Mars 2014 izao @ 7ora30 hariva, ao @ 181 Bd Chave 13005 Marseille .
OJ: 1. Fandaniana Budget Fiangonana 2014 2. Samihafa.(samia miomana)


Zava-dehibe ny fahatongavan'ny tsirairay.
Samia mitrotro am-bavaka ny fotoana.
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra. Ny Loholona.

RADO Hery
 

ISAN-TELOVOLANA 8-9 MARS 2014
FILEOVANA MARSEILLE le 03/03/2014, 20 08 37 (UTC)
 ISAN-TELO VOLANA FILEOVANA MARSEILLE 8-9 MARS 2014

« fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. » (1 Petera 4:13)

TOERANA:
FLM Marseille
Chapelle Sainte Claire, 13014. Marseille.

SABOTSY 08 MARS 2014

16h00 Fotoam-pivavahana fanokafana
. Mpitarika: Katekista Gerard Ranaivo
. Toriteny sy alitara: Pastora Volatombo Flavien (Lio.9.23-24)
. Teny fiarahabana :Pastora Raharijaonarvelo Edmond

17h00 Fampianarana Soratra Masina
. Mpitarika: Rtoa Ramiliarinaina Vololona
“ Ny hazo fijalian’i Kristy no rehareha ” (Gal 6.14)
Pastora Rakotonirina Lalatiana

18h30 Fialana hetaheta

19h00 Fotoan’ny Sampana Fifohazana
. Mpitarika: Rtoa Razafiarison Mavosoa
. Toriteny: Rtoa Raharijaonarivelo Nirina Sambatra (Rom.6.11)

Asa sy Fampaherezana
. Mpandrindra: Rtoa Razaimalala Arlette

20H30 FIVORIANA KOMITY FILEOVANA


ALAHADY 09 MARS 2014

10h30 Fanompoam-pivavahana misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Hira fidirana: 270
Pastora: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!
Vavaka Fanombohana : Katekista Randrianasolo Andrianalinjato

Hira 408

Leksiona sy Epistily
-Test.Taloha : Isa. 53
-Epistily: Rom.8.18-39

Hira 353

Filazantsara : Mark.9.31-38

Hira 414

TORITENY: IPet.4.13
Pastora Edmond Raharijaonarivelo

Hira: KTLM Fileovana

Filazan-draharaha

Rakitra KTLM

Hira 254

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Hira 543

TSO-DRANO

Postlude : KTLM

Vavaka Farany : Katekista Rakotoarimanana François d‘Assise

Feon’orga


Dia ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary FanahyMasina anie ny VONINAHITRA, ary fiadanana kosa ho antsika olony.

Hafatra:
- Samy mitondra am-bavaka ny fotoana rehetra
- Samy hitondra fanomezana hatao vokatra
- Aza mahafoy ny fiarahana miangona
 

<- En arrière  1 ...  25  26  27 28  29  30  31 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement