FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

FBL
FBL Ambatovinaky le 26/01/2014, 14 02 31 (UTC)
 TARATASY VOARAY AVY AMIN'NYFBL FLM Ambatovinaky

Tompoko ,

Miarahaba anareo amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izahay,

Miala tsiny raha manoratra aminareo amin'ny maha iray antsika ao amin'ny Tompo noho ny antony manaraka izao:

Manana fikasana ho any ampita any izahay fikambanambehivavy Rantsana Maria Marta , noho ny nahatratrarana ny faha 20 taonany amin'ny taona 2014 sy ny fankalazana ny faha 130 taonan'ny FBL ao amin'ny FLM Ambatovinaky.Fikasana nitsiry efa folo taona lasa izay. Ny antony dia famangiana, fifanakalozana, fifampaherezana.

Koa nanomboka niomana ny vehivavy mpikambana tsirairay ary ankehitriny dia miisa ho 30 no vonona handeha amin'izany. Hiantoka ny sarandalany ny mpandeha tsirairay mandroso sy miverina Antananarivo Paris

Manoratra aminareo izahay tompoko, hila hevitra momba izany fanirianay izany. Mety misy fiangonana ve afaka handray anay : handray anjara amin'ny sarandalana ao Frantsa sy hampiantrano anay . Marihina fa hisy ny fitoriana ny filazantsara amin'ny alalan'ny hira sy fihetsika maha Malagasy, hisy varotra fampisehoana ny haitao Malagasy koa.

Ny fotoana heverina fa mety dia ny volana mai sy jona eo ho eo, amin'ny basse saison izany. Marihina fa ny fankalazana ny jobily dia hataonay ny 11 mai 2014. Ka aorian'izay no tiana handehanana.
Manantena hevitra avy aminareo tompoko tsy ho ela.

Mirary soa ary mirary fiomanana tsara sahady amin'ny fankalazana ny Noely .

Hoy ny Komity mpanomana:

Rasoarinjara Jeannette
Rahaingonjatovo Danielle
Rakotolehibe Lucia
 

Fandaharam-potoana 14-15 décembre 2013
FLM Mazargues le 12/12/2013, 18 06 06 (UTC)
 Mbola faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i JESOSY Kristy Tompontsika.
Tohizao ny Fandaharam-potoanantsika amin'izao faran'ny herinandro izao:

Asabotsy 14 Desambra 2013 amin'ny 7 ora hariva :

" ANTSAMPANAHY LEHIBE" izay ho tanterahin'ny Firaisan'ny Krtistiana Tanora eto amin'ny Fitandremana Marseille na ny FKTLM, ka ny toerana hanatanterahana izany dia eny @ Chapelle Ste Claire. Hisy ny Fivarotana Barquette "vary sy laoka" mba ho fanohanana ny asa sy ny adidy izay sahanin'izy ireo. Koa dia manasa antsika rehetra mba samy ho tonga amin'izany fotoana lehibe izany ho fanohanana ireo Tanorantsika sy handrenesantsika ny Tenin' Andriamanitra amin'ny alalan'ny Hira.

Alahady 15 Desambra 2013 :

* @ 3 ora tolakandro : SALOMA fa nohizana ny Fianarana ny Fety Fankalazana ny Krisimasy. Koa hiangaviana ny Ray amandReny rehetra mba samy handefa ny zanany ho tonga amin'izany.

* @ 5 ora hariva : Fotoampivavahana arahan'ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Ny Pastora RASETA no ho tonga hampandray ny Fanasan'ny Tompo ho antsika.

* Aorian'ny Fotoana dia Antsoina ny KOMITY' NY Fiangonana mba hijanona fa eo no hanatanterahana ny Fivorian'ny Komity izay miompana indrindra amin'ny Fankalazana ny Krisimasy 24 alina.

Dia manasa antsika rehetra mba ho tonga, aoka samy hifampilaza ary mangataka antsika mba hitrotro am-bavaka ny fotoana rehetra, ho voninahitr'Andriamanitra irery hiany.

Ny mpitantsoratra
Landy RADO
 

Isan-droa volana 23-24 Novembre 2013
FITANDREMENA MARSEILLE le 23/11/2013, 12 12 07 (UTC)
 FIVORIANA ISAN-DROA VOLANA

Faneva : « Mankanesa aty Amiko, hianareo izay miasa fatratra sy mavestra entana fa Izaho no
hanome anareo fitsaharana » Mat. 11 : 28.

- Asabotsy 23 Novambra 2013 ;
Toerana : FLM Marseille Chapelle Ste Claire 4, rue Cade 13014.

Fanombohana : 5 ora hariva.
Mpitarika : Rtoa DAVIDSON Voahirana.
Vakiteny : TT : Salamo 10 : 12 – 18. Atoa ANDRIANJOHANY Christian.
TV : I Korint 15 : 22 – 28. Rtoa RATSIMARISOLO Arphine.
Toriteny 1 : Jaona 5 : 21 – 29. Katekista RAKOTOARIMANANA François D' Assise.
Filazan-draharaha sy sy rakitra.
Toriteny 2 : Hebreo 4 : 9 – 13. Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato.
ASA sy FAMAPAHEREZANA
Mpitarika : Rtoa RAFARALAHITSIMBA Amélie Bénédictine.
Fiharaha-mitafa sy fialana hetaheta.
Antsam-piderana :
Mpitarika : Atoa ANDRIAMAROFAHATRA Jean Loup. (Rakitra ho an'ny FKTLMFit.)
Vavaka famaranana : Rtoa MITSAKIS Dorothée.


- Alahady 24 Novambra 2013.
Toerana : FLM Marseille Chapelle Ste Claire.
8 ora sy sasany : Fivorian'ny Komity ny Fitandremana.
10 ora sy sasany : Fotoampivavahana.
Mpitarika : Katekista RAKOTOARIMANANA François d' Assise.
Vakiteny : TT : Isaia 40 : 9 – 11. RABARISOA Hendry.
Epistily : I Tesa. 5 : 12 – 23. RADO Hery Andriamasy.
TV : Matio 25 : 31 – 46. RANAIVOSON Nirina.
Toriteny : Matio 11 : 25 – 30. Pastora FLAVIEN Volatombo.
Filazan-draharaha, Rakitra sy Valopy solom-bokatra.
FANDRAISANA NY FANASAN'NY TOMPO.

Hafatra : *Aoka samy hitrotro am-bavaka ny fivoriantsika.
*Hisy Fiaraha-misakafo aorian'ny Fotoana izay hanasana antsika rehetra.
*Ny FKTLM Fitandremana dia hanana anjara hira amin'ny Fotoana .
 

ISAN-DROA VOLANA 23-24 Novembre 2013
FITANDREMANA MARSELLE le 21/11/2013, 22 10 10 (UTC)
 ISAN-DROA VOLANA 23-24 Novembre 2013
Toerana : FLM Marseille Saint-Claire

SABOTSY 23 Novembre 2013
5 ora Tolakandro :
Mpitarika : Ratoa DAVIDSON Voahirana
Vakiteny 1 TT Salamo 10:12-18 : Atoa christian ANDRIANJOHANY
Ao aorian'ny Culte :
-Asa sy Fampaherezana
-Fiaraha-mitafa (gouter)
-Antsam-piderana
Vavaka Famaranana : Ratoa Dorothée MITSAKIS

ALAHADY 24 Novembre 2013

-08h30 : Fivorian'ny Komitin'ny Fitandremana
-10h30 : Fotoam-pivavahana sy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo

Vakiteny Epistily : I Tesa.5:12-23 Atoa RADO HERY Andriamasy

Vakiteny TV: Mat.25:31-46 : Atoa RANAIVOSON Nirina R.

HISY rakitra sy valopy solom-bokatra;
Aoka samy hitrotro am-bavaka ny fotoana rehetra ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.

Tsy hisy fotona eny amin'ny FLM Mazargues




 

ISAN-TELOVOLANA 07-08 Décembre 2013
FILEOVANA MARSEILLE le 20/11/2013, 21 09 31 (UTC)
 FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (F.L.M.)
Synodam-Paritany FLM Eoropa
Fileovana Marseille
JESOSY IRERY IHANY
Montpellier 07 – 08 Desambra 2013

« Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana,... » (Hebreo 10:36)

TOERANA:

Asabotsy: Faculté de Théologie Montpellier - 13, rue du Docteur Louis Perrier. 34000 Montpellier

Alahady : Eglise Sainte Jeanne d’Arc. Rue Ernest Renand. 34000 Montpellier

ASABOTSY Faha 7 Desambra

16h00
Fotoam-pivavahana fanokafana
. Alitara sy Toriteny: Pastora Rakotonirina Lalatiana (Mar.11.22)
. Mpitarika: Fanampera Venance
. Vakiteny: Test.Taloha. Sal; 31:1-8 Epistily Heb. 10:19-25 Filaz. Lio.18:1-8

17h00
Fampianarana Soratra Masina
. Mpitarika: FLM Marseille.
“ Ny Faharetana sy ny Finoana”
Pastora Edmond Raharijaonarivelo

18h00
Fotoan’ny Sekoly Alahady
. Mpandrindra:Rtoa Randrianasolo Hanitra

19h30
Asa sy Fampaherezana
. Mpandrindra: Rtoa Razaimalala Arlette

20h30
Fivoriana Komity Fileovana


ALAHADY faha 8 Desambra
FOTOAM-PIVAVAHANA

11h
Fanompoam-pivavahana sy fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Hira fidirana: 240
Pastora: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

Vavaka Fanombohana : Katekista Randrianasolo Andrianalinjato

Hira 403

Leksiona sy Epistily
-Test.Taloha : Mika 4:1-7
-Epistily: Rom. 15:4-9

Hira 164
Filazantsara : Lio.21:25-36
Hira 630

TORITENY: Heb. 10:35-39
Pastora Edmond Raharijaonarivelo

Hira: KTLM Fileovana

FANOKANANA KATEKISTA

Filazan-draharaha

Rakitra KTLM , 441

Hira 254
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Hira 266

TSO-DRANO

Postlude : KTLM
Vavaka Farany : Katekista Ranaivo Gérard
Feon’orga



 

FETIM-PIANGONANA
FLM MAZARGUES le 07/11/2013, 21 09 49 (UTC)
 "Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo" II Kor.9:8a

Ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara, sy ho fanintarana ny Fanjakan'Andriamanitra, ny Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues dia hanao "FETIM-PIANGONANA" fanaony isan-taona ny Asabotsy 16 Novembre 2013 amin'ny 6 ora hariva ao amin'ny Eglise Protestante Unie de France - 8 Boulevard Magnan 13009 Marseille amin' ny 6 ora hariva.
Fotoam-pivavahana arahina antsam-piderana hataon'ny sampana misy ato amin'ny Fiangonana ny tapany voalohany. ny tapany faharoa kosa dia fiaraha-misakafo (Sakafo malagasy).
Ny fandraisana anjara amin'ny sakafo dia 10 euros ho an'ny olon-dehibe ary 5 euros ny Ankizy.

Koa Pastora, ny Komity ary ny Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues dia faly manasa sy manantena ny fahatongavanareo maro hiara-hifaly sy hanome Voninahitra an'Andriamanitra amin'io fotoana io
 

<- En arrière  1 ...  27  28  29 30  31  32  33  34 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement