FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

FIOFANANA MPAMPIANATRA SEKOLY ALAHADY
SYNODAM-PARITANY FLME le 05/11/2013, 12 12 30 (UTC)
 "Fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" I Korintiana 1:23a

Miarahaba antsika rehetra MSA, na solotena isam-piangonana, amin'ny anaran'i Jesosy tompoko,

Araka ny fandaharana eo anivon'ny Sampana misy antsika dia hanatanteraka fiofanana efa fanaony isan-taona ny Sekoly Alahady eto amin'ny Synodam-paritany FLME.

Izany dia atao ny 09 sy 10 novambra 2013 ho avy izao, ao amin'ny Fileovana Ile-de-France, FLM Malakoff.

Indro atolotra antsika, miaraka amin'ity mail ity ny fandaharana mandritra izany fotoana izany.

Ny fiofanana iraisana amin'ity taona ity dia ny an'ny kilasy B1 sy B2.

Ny fiofanana isan-kilasy dia mitohy koa ho an'ny MSA isaky ny kilasy A1, A2, B1, B2, D, E

Mba tsy ahadiso anjara antsika dia misaotra tonga ara-potoana, sy mitondra ireo antontan-kevitra isam-piangonana (indrindra ny statistika, ahafahantsika mahafantatra ny isan'ny MSA sy ny mpianatra ka mandrakitra azy ho ampiasaina - fenoy ny fichier excel azafady).

Tsara koa raha afaka manao sarimihetsika (diaporama photo na video) fohy (2-5min) momba ny Sekoly Alahady tsirairay, na ny hetsika nataonareo tao an-toerana ny isam-piangonana (hiarahantsika mijery).

Hisy fivarotana boky sekoly alahady, boky fiofanana, fotopianarana kely (Lotera), DVD, bokikely, kalon'ny ankizy, baiboly, fihirana... any an-toerana.

Isika tsirairay koa dia hitondra izay traikefa ifampizaràna sy izay mahasoa rehetra (zava-maneno ampiasaintsika amin'ny hira...) sy vokatra ho fanohanana ny asan'ny Sekoly Alahady.

Koa manasa sy manentana antsika ho avy mavitrika sy hanaparitaka araka izay azo atao ho an'ireo MSA mpiara-miasa amintsika rehetra tompoko.

Dia mametraka anareo eo ambany fahasoavan'i Jesosy.

Mitondra am-bavaka ny fotoana rehetra sy ny fanomanana isika.

Dia faly ahita anareo tsy ho ela izany!

Amin'ny anaran'ny Birao Sekoly Alahady SP FLME

ANDRIANASOLO Stefana

 

FIOFANANA MPAMPIANATRA SEKOLY ALAHADY
SYNODAM-PARITANY FLME le 05/11/2013, 12 12 27 (UTC)
 Miarahaba antsika MSA amin'ny anaran'i Jesosy indray tompoko,

Fampahatsiahivana antsika ihany ity mail ity mba samy hiomanantsika amin'ny fiatrehana ny fotoan-dehiben'ny Sekoly Alahady, atao ny faran'ny herinandro ho avy izao.

Entanina ny SALOMA isam-piangonana mba samy hameno ny statistika (fichier excel) alefa aty amintsika anatin'ity mail ity.
Indro koa ny fandaharana ho an'izay mbola tsy nahazo izany.

Dia aza adino koa ny video/diaporama momba ny zavatra tian'ny Sekoly Alahady isam-piangonana zaraina, nataon-dry zareo tamin'iny taona lasa iny. Izay votoatin'ny video dia izay nisongadina tamin'ny taona (Ohatra: fampianarana SA, krismasy SA, hetsiky ny SA tao am-piangonana, na tany ivelany).
- Faharetany: 3-5min.

- Format video (.avi, .mpeg, .mp4, .flv, sns...) no fichier entina. Raha diapo dia format .ppt, na .odp (openoffice), na koa pdf (raha tsy misy feo miaraka aminy).

Miomana koa isika mivatsy vola hividianana boky isan-karazany ilaina sy manampy antsika amin'ny fampianarana sy fandalinana. Voafetra ihany ny isan'izy ireo, ka fotoana iray ahafahana mahazo izany io.

Hisy boky
> - Fampianarana (lesona programa),
> - Lalam-panorenana FLM vaovao,
> - Boky fianarana mampianatra sekoly alahady,
> - Fotopianarana kely (Lotera),

- Ataovy mpianatra... (boky tan-tsoroky ny mpampiofana)
- Mandrosoa ho any amin'ny lalina (taridalana amin'ny fitoriana ny Filazantsara sy fampiorenam-pinoana)
- Miorena tsara (toro-hevitra ho an'ny mpampianatra),
> - Fomba fianarana ny Baiboly,
> - Fihirana kely FFPM,
> - Rakibolana ho an'ny ankizy,
> - Kalon'ny ankizy, tantara ho an'ny ankizy,
> - Anarana zazakely notsongaina tao amin'ny Baiboly,

- Fampianarana "Ny vavaka sy ny Tenin'Andriamanitra teo amin'i Mama Nenilava", sns...

Ento koa ireo zavatra rehetra azontsika MSA ifampizaràna fa tena fotoana ifanakalozana io. Isan'izany ny clef USB azo hamindràna ireo antontan-kevitra numérique.

=> Raha misy manana camescope sy fakan-tsary moa dia aza misalasala mitondra azy koa hotehirizintsika ho rakitra (sary sy feo).

Dia misaotra antsika rehetra ary samy hitondra am-bavaka ny fanatanterahana izany fotoana izany isika, ary hiomana ara-panahy indrindra indrindra.

Amin'ny anaran'ny Birao SALOMA SP FLME

ANDRIANASOLO Stefana


 

FIOFANANA KOMITY
FILEOVANA MARSEILLE le 30/10/2013, 12 12 05 (UTC)
 Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy.
Indro alefa amintsika ny Programa momba ny Fihofanana izay ataon'ny Komity rehetra eto amin'ny Fileovana Marseille.
Manentana antsika tsirairay avy mba ho tonga amin'ny fotoana.
Mirary ny Fiadanan'ny Tompo ho amin'ny rehetra.
Ny Mpitantsoratra.


Le Mardi 29 octobre 2013 22h59, RAHARIJAONARIVELO EDMOND a écrit :


Ny Komity isan'ambaratonga eto amin'ny Fileovana Marseille

Tompoko,

Mamangy anareo amin'ny anaran'i Jesosy.

Araka ny fantantsika, dia tanteraina amin'ny Asabotsy izao ny fiofanana hoan'ny komity rehetra eto amin'ny Fileovana Marseille.

Toy izao ny fandaharana:(Sabotsy 2 Novambra 2013)


-9h30 Fanokafana (vavaka sy Tenin'Andriamanitra)


-10h Fiarahabana sy fanolorana ny programa

-10h30 Tapany I, (page1) , Pastora Volatombo Flavien.

-12h30 SAKAFO

-14h Tapany II, (page2), Pastora Raharijaonarivelo E.

-15h30 Tapany III, (page3), Iombonana


-16h Fametrahana fanontaniana

-17h Famintinana sy famaranana

- Vavaka sy Tso-drano

- Gouter

Indro ny programa "nisy fahitsiana" p.j, ka dia samy manao impression ny isam-pitandremana (izay heverinareo fa ampy antsika rehetra). Misaotra tompoko.

Ho tahian'i Jesosy.


Pastora Edmond Raharijaonarivelo


Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. Jaona 15.16


FIANGONANA LOTERANA MALAGASY


FAMPIDIRANA
-Iza moa ny FLM
-Iza moa ny FLMF
-FLM E

LALAM-PANORENANA
-Inoana no fototra ao amin'izany?
-Inona ny ilana izany?
-Statut mipetraka any am'ny prefecture (Frantsay)

RAFITRA
Fiangonana tsirairay
Fitandremana Pastora
Fileovana
Synodam-Paritany
Synoda Lehibe

KOMITY ISAN'AMBARATONGA
Fiangonana- Komity isam-piangonana
Fitandremana – Komitim-pitandremana
Fileovana – Komitim-pileovana
Synoda– Komitin’ny Synodam-P – Komity Mpiandraikitry ny Synodam P.
Synoda Lehibe –
Birao Foibe
Komitin’ny Synoda Lehibe (KSL)
Komity Mpiandraikitra ny SL (KMSL)

SAMPAM-PIKAMBANANA sy KOMITY ISAN’AMBARATONGA
Sekoly Alahady
FKTLM
FBL
FDL
FIFOHAZANA
VOKOVOKO MANGA
SKTO

MPIASA AO AMIN’NY FIANGONANA
Mpanao raharaham-piangonana
Mpiasam-piangonana

LOHOLONA

2
ANJARA ASA NY TSIRAIRAY na ANDRAIKITRA
Pastora
Pt Synoda
Mpitondra Fileovana
Mpitondra Fitandremana
Fiangonana
Katekista
Filohan’ny Fiangonana (laïka)
Sekretera
Sekretera mpanampy
Mpitahirivola
Komity (fa tsy ao anaty Birao)
°Mpandinim-bola

FOMBA FIASA
Ny Birao
Ordre du jour
Fréquence fivoriana
Ny komity tsy tonga
Ny komity miala.
Qorum
Commission
Fitarihina fivoriana
Pastora
Katekista (raha tsy eo Past, ka nahazoany alalana)
Fitanan-tsoratra ny boky
Ny Sekretera
Ny fanapaha-kevitra
Fanamarihina
Ny manao Sonia

BOKIM-BOLA
Mpitahirivola
Vola miditra (olona roa manamarina+sonia)
Fomoaham-bola
Tatitra
Fanokafana kaontin'ny fiangonana
Kaontin'ny sampana ????
« secretaire financier » // Firaketam-pananana.

TETI-BOLA
Tsy maintsy manana teti-bola isan-taona “loharanom-bola”
(Exercice année civile)
Mandalo mpandim-bola
Tatitra eo amin’ny komity/ fiangonana.

TETIK'ASA
Tanjona (activité, projet…)
Manangana commission
-Mandalo sy eken’ny Komity
-Tatitra eo amin'ny fiangonana

3
PLANNING
Famangina (Pastora, Katekista, Evangelista)
Activité ny Fiangonana, ny Sampana
Isan-taona, Isan-telovolana, Isan-droavolana
(Fiangonana, Sampana)
Tafika Masina (tarihin'ny Fifil)


ISAN-TAONA
Fihaonam-be nationaly

ISAN-TELOVOLANA
Fihaonam-be ny iray fileovana

ISAN-DROAVOLANA
Fihaonam-be ny miray fitandremana

FARITRA
Fihaonan'ny mpiray fiangonana andavan'andro


FITSIPIKA ANATY
Inona no tokony ho hita ao
Inona no ilana izany.
'(tsy tsy azo ahato mifanohitra amin'ny lalam-panorenana)

SAMIHAFA
Mikasika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
Mikasina ny fitaran’ny Fiangonana
Etc...




 

FIOFANANA KOMITY
FILEOVANA MARSEILLE le 30/10/2013, 12 12 04 (UTC)
 Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy.
Indro alefa amintsika ny Programa momba ny Fihofanana izay ataon'ny Komity rehetra eto amin'ny Fileovana Marseille.
Manentana antsika tsirairay avy mba ho tonga amin'ny fotoana.
Mirary ny Fiadanan'ny Tompo ho amin'ny rehetra.
Ny Mpitantsoratra.


Le Mardi 29 octobre 2013 22h59, RAHARIJAONARIVELO EDMOND a écrit :


Ny Komity isan'ambaratonga eto amin'ny Fileovana Marseille

Tompoko,

Mamangy anareo amin'ny anaran'i Jesosy.

Araka ny fantantsika, dia tanteraina amin'ny Asabotsy izao ny fiofanana hoan'ny komity rehetra eto amin'ny Fileovana Marseille.

Toy izao ny fandaharana:(Sabotsy 2 Novambra 2013)


-9h30 Fanokafana (vavaka sy Tenin'Andriamanitra)


-10h Fiarahabana sy fanolorana ny programa

-10h30 Tapany I, (page1) , Pastora Volatombo Flavien.

-12h30 SAKAFO

-14h Tapany II, (page2), Pastora Raharijaonarivelo E.

-15h30 Tapany III, (page3), Iombonana


-16h Fametrahana fanontaniana

-17h Famintinana sy famaranana

- Vavaka sy Tso-drano

- Gouter

Indro ny programa "nisy fahitsiana" p.j, ka dia samy manao impression ny isam-pitandremana (izay heverinareo fa ampy antsika rehetra). Misaotra tompoko.

Ho tahian'i Jesosy.


Pastora Edmond Raharijaonarivelo


 

FLM MAZARGUES
Mpitantsoratra le 23/10/2013, 15 03 11 (UTC)
 Miarahaba anao amin'ny anaran'i Jesosy.
Indro alefa amintsika ny Programan'ny Isan-taona SP FLME izay atao any amin'ny Fileovana Paris ny Asabotsy 26 sy ny Alahady 27 Oktobra 2013 izao.
Manentana antsika mba ho tonga maro amin'izany.

Marihina fa ny fotoana dia hisy hiany ao amin'ny FLM Mazargues ny Alahady 27 Oktobra ho avy izao.
@ 4 Saloma
@ 5 Fotoampivavahana.

Tsiahivina koa isika fa ny Asabotsy 02 Novambra izao no hanaingana antsika "KOMITY REHETRA" eto amin'ny Fiangonana mba hamonjy ny Fihofanana izay tarihin'ny Pastora Mpitondra Fileovana eto Marseille, dia ny Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond.
Ny fihofanana dia hatao any Montpellier, ny Asabotsy 02 Novambra manomboka @
9 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora hariva.
Dia miantso ny rehetra mba samy ho tonga fa zava-dehibe ny fahafantarana ny andraikitra maha Komity antsika.
Samia ary isika mitrotro am-bavaka ny fotoana kasaina rehetra.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery hiany.
 

PROGRAMMA ISAN-TAONA SP FLME 26-27 OCTOBRE 2018
SP FLME le 23/10/2013, 14 02 59 (UTC)
 PROGRAMMA ISAN-TAONA SP FLME 26-27 OCTOBRE 2018
7, rue Marie Rose 75014 Paris
M° Alésia
“Izy no hiaraka aminao ; tsy handao anao na hahafoy anao Izy”
Deot 31: 8

ASABOTSY 26 OCTOBRE 2013

13h00 : FANDRAISAN’OLONA
14H30 : 17H30 FOTOAM-PIVAVAHANA FANOKAFANA
Mpitarika : Katekista RAKOTOARIMIZA Fanomezantsoa
Teny fiarahabana sy teny Fanokafana :
Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka
Filohan' ny SP_FLME
Alitara sy Toriteny : Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond
Filoha lefitra SP_FLME
Vakinteny 1 Fileovana Marseille
Vakinteny 2 Fileovana Ile de France
Filazan-drahara : Pastora RAKOTOVAO Ivan
Mpitantsoratra SP_FLME
Rakitra

Fampianarana : BOKIN’ NY DEOTORONOMIA
Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka
Filohan'ny SP_FLME
Vakinteny 1 Fileovana Strasbourg
Vakinteny 2 Fileovana Paris
Famaranana : Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato

18h00 – 20h30 RINDRAN-KIRA ARA-PILAZANTSARA SY FIALANA HETAHETA ary VOKATRA
Mpandamina : ANDRIANASOLO Josoa, RADO Andriamasy (Komity Jobily)
- Sampana SALOMA
- Sampana KTLM
- Sampana FBL
- Sampana FIFIL
- Tarika samihafa ara-mpilazantsara

Famaranana : FANOHIZANY Bakoly (Komity Jobily)

ALAHADY 27 OKTOBRA 2013
“Izy no hiaraka aminao ; tsy handao anao na hahafoy anao Izy” Deot 31: 8

11H00 FOTOAM-PIVAVAHANA SY FANDRAISANA FANASAN’NY TOMPO

Prélude : SALOMA SYNODE
Mpitarika : Katekista RANDRIAMALALA Mirahoson
Alitara sy Toriteny : Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka
Filohan'ny SP_FLME
Hira manaraka ny Toriteny : FBL SYNODE
Fankalazana Jobily Faha 20 taona :
Hira Faneva : “Eo alohanao.”
Tantaran’ ny FLME : Atoa RAHARIJAONARIVELO Jeremia
Fileovana Paris
Fandraisana Fitenenana
Rakitra Jobily

Hira Faneva : “Izy no hiaraka aminao”
Tatitra : Pastora RAKOTOVAO Ivan
Mpitantsoratra SP_FLME
Tatitra ara-bola : Atoa RAHARIJAONARVELO Maxi
Mpitahirivola SP_FLME
Rakitra

Hira : KTLM SYNODE

Fandraisana fanasan’ny Tompo
Vavaka famaranana : Katekista RAHANIMALALA Lucien

FISAORANA SY FANAOVAM-BELOMA
 

<- En arrière  1 ...  28  29  30 31  32  33  34  35 Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement