FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

JOBILIN'I PASTORA RANDRIANARIJAONA Germain mivady
FLME Mazargues Marseille le 28/05/2018, 05 05 47 (UTC)
  FANASANA
-Alahady 03 jona 2018 amin'ny 10 ora maraina.

JOBILIN’I PASTORA ANDRIANARIJAONA GERMAIN mivady, Tonia Nasionalin’ny FiFil.
Niasa nandritra ny 35 taona teo amin’ny sahan’ny FLM.

FANEVA: “Ampy ho anao ny fahasoavako” 2 Kor 12:9a
TOERANA: Chapelle Sainte Claire, rue Cade Mouton 13014 Marseille.

Hisy fiaraha-misakafo aorian’ny fotoana. Fandraisana anjara : 10 euros.

-Ny asabotsy 2 jona 2018 hariva kosa dia hisy ny fihaonan'ny tonian'ny FiFil nasionaly sy ny filohan'ny Fifil Eoropa ary mpiandry ary ny mpiomana ao amin'ny chapelle Sainte Claire ihany.

Mirary sy manantena ny fahatongavanareo maro, ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

ALAHADIN'NY PASTORA
FLME Mazargues le 01/05/2018, 14 02 22 (UTC)
 Ny Alahady 6 mey 2018 izao no daty nofidiana hankalazan-tsika ny ALAHADIN’NY PASTORA.
Ho fisaorana an’Andriamanitra ny nanomezany azy ho antsika, ary isaorantsika azy indrindra koa amin’ny asa fanompoana sy ampitiavana tanterahiny eto amin’ny fiangonana.
Mba ho tonga maro isika hanatrika izany.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
 

Fiofanana faha-10 ny mpiomana sy mpiandry
FLME Mazargues le 24/04/2018, 12 12 11 (UTC)
 Zoma 27 - Asabotsy 28 – Alahady 29 Aprily 2018: FIOFANANA FAHA-10 NY MPIOMANA SY MPIANDRY eto amin’ny Synodam-paritany FLME
FANEVA: “Hevero ny fiantsoana anareo” I koritiana 1:26a
TOERANA: Salle polyvalente, rue de Commerce, Noyer-Pont de Maugis 08350.

-Ny programa pdf: tsindrio ery ambony
-Aoka samy hitrotro ambavaka ny fotoana.
-Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

HETSIKA FDL Fitandremana Marseille
FLME Mazargues le 21/04/2018, 16 04 37 (UTC)
 Alakamisy 10 mey 2018 : ANDRO NIAKARANA
Manomboka amin'ny 10 ora sasany ny fotoana.

Aorian'izany ny HETSIKA FDL Fitandremana Marseille.

Faneva :« ...ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Ary hianareo no vavolombelon'izany. » Lioka 24 :47b-48
Toerana: ERF Espace Magnan – 8 Bd Magnan 13009 Marseille

FIARAHA-MISAKAFO ATOANDRO aorian’ny fotoam-pivavahana.
Fandraisana anjara : 7 euros, ankizy 5 euros
-Vary sy laoka (hena omby ritra) + Jus + Dessert

Manantena ny fandraisan-tsika anjara, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

HETSIKA FBL Fitandremana Marseille
FLME Mazargues le 21/04/2018, 16 04 36 (UTC)
 Asabotsy 5 mey 2018 manomboka amin’ny 7 ora hariva.
HETSIKA FBL Fitandremana Marseille

Faneva: “Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,” Kolosiana 4:2
Toerana: Espace Magnan – 8 Bd Magnan 13009 Marseille

Hisy BARBECUE
Fandraisana anjara : 5 euros

Manantena ny fandraisan-tsika anjara, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

Zaikakelin'ny FKTLM 2018
FLME Mazargues le 13/04/2018, 16 04 47 (UTC)
 Programa 13-14-15 aprily 2018 : Zaikakely FKTLM Synoda FLME
-Faneva : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany » Matio 6: 33
-Toerana: 35 rue de la Tour 67000 Strasbourg.
Ankakazaina amin’izany koa koa ny faha-25 taona ny FLME sy ny jobily faha-25 taona ny niasan’ny Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond teo amin’ny sahan’i Tompo.
Hisy fiaraha-misakafo ho an’ny Jobily ny asabotsy hariva.
Aoka samy hitondra ambavaka ny fivoriana.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1 ...  7  8  9 10  11  12  13 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement