FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

Asabotsy 25 - alahady 25 aogositra 2018 : ISANDROAVOLAN’NY FLME FITANDREMANA Marseille
FLME Mazargues le 20/08/2018, 09 09 12 (UTC)
 Asabotsy 25 - alahady 25 aogositra 2018 : ISANDROAVOLAN’NY FLME FITANDREMANA Marseille.
Faneva: « Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, anarahanareo azy… » Lev 18 : 4.
Toerana: FLME Marseille Sainte Claire. Chapelle Sainte Claire, 62 rue Cade-Mouton 13014 Marseille.

Asabotsy 25 aogositra 2018 manomboka amin’ny 4 ora tolakandro.
- Hisy Asa sy fampaherezana
- Fialana hetaheta sy korana
- Antsampanahy
Alahady 26 aogositra 2018 manomboka amin’ny 10 ora sasany maraina.
- Hisy Fandraisana ny fanasan’ny Tompo
- Ho faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana

HAFATRA
- Aoka hotrotrointsika ambavaka ny fivoriantsika.
-Hisy rakitra sy valopy ho solom-bokatra ny amahady maraina
-Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

 

Alahady 05 aogositra 2018. Fiaraha-mivavaka Chapelle Sainte Claire
FLME Mazarges marseille le 03/08/2018, 15 03 28 (UTC)
 Hiara-miangona eny amin’ny FLME Marseille Sainte Claire isika ny Alahady 05 aogositra 2018 manomboka amin’ny 10 ora sasany .
Tsy hisy arak’izany ny fotoam-pivavahana eny Mazargues.

Toerana: Chapelle Sainte Claire, rue Cade Mouton 13014 Marseille.
Hampiangona antsika amin’izany ny mpitondra Fitandremana Montpellier : Pastora Patrick LOTERA.
Hisy FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO.
Ho Faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.
Ho voninahitr’Andriamanitra ihany anie ny fotoan-tsika rehetra.
 

9-14 jolay 2018: Isan-taona faha-21 ny toby Pouru Saint-Remy
FLME Mazargues Marseille le 05/07/2018, 15 03 33 (UTC)
 Ny alatsinainy 9 jolay 2018 ka hatramin’ny asabotsy 14 jolay 2018: ISAN-TAONA FAHA-21 ny Toby Pouru Saint-Remy ny FLME
14 jolay 2018: Fanokanana mpiandry

TENY FANEVA: "Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra." Hebreo 12 : 15a

TOERANA: Ermitage Saint-Walfroy, 08370 Margut
Aoka samy hitondra ambavaka izany fotoana izany.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA 24 jona 2018
FLME Mazargues Marseille le 19/06/2018, 12 12 04 (UTC)
 Ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana dia ho tanterahina eny amin’ny kaonsila Malagasy eto Marseille ny alahady 24 jona 2018, manomboka amin’ny 3 ora sasany tolakandro.

FANEVA: “FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA” Ohabolana 14 : 3a.

ADRESY: 234 BOULEVARD PERIER 13008
Tsy hisy fiangonana arak’izany ao amin’ny FLME Mazargues Marseille.
Mirary ny fanatrehantsika, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

16-17 jona 2018: Isan-droavolana Fitandremana Marseille
Pastora FLAVIEN Volatombo le 09/06/2018, 14 02 02 (UTC)
 -Asabotsy 16 jona amin’ny 04 ora hariva.
-Alahady 17 jona maraina: fotoam-pivavahana litorjika
Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

HAFATRY NY PASTORA:
-“… Fandaminana efa napetraky ny FLM izany, mba hifamangian' ny isam- piangonana, hiaraha- mivavaka hifampaherezan amin' ny fiaraha- mivavaka, araka ny maha fiombonan' olona masina antsika, sy fiarahana mandray ny Fanasan' ny Tompo; no fotoana koa hiaraha- manao ny asan' Andriamanitra amin' ny fampaharetana ny Fiangonan' i Kristy ety an- tany, hiaraha- mijoro vavolombelona; no iarahana koa mifanolotra talenta sy fanomezana koa, ho entika hanohanana ny asa, ijoroan' ny tsirairay ho vato vato velona ao amin'ny trano arafitr' Andriamanitra, dia ny Fiangonany, vidin' ny ran' i Kristy.
Manantena aho fa ho tonga avokoa isika, araka ny fotoana mety hananantsika: Fa ianareo no vavolombeloko, hoy Jesosy Tompontsika.
Mirary ny fiadanan' Andriamanitra ho amin' ny tsirairay ny tenako.”

- Aoka hotrotrointsika am-bavaka izao fivoriana mampiombona antsika izao .
-Hisy valopin' ny fivoriana aorian' ny rakitra ny alahady maraina.
-Ho voninahitra'Andriamanitra irery ihany anie sy ho fampaherezana ary ho fampiraisana antsika tokoa anie izao fivoriantsika izao! Amena.
 

ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 29/05/2018, 05 05 36 (UTC)
 09 - 10 JONA 2018 : ISAN- TELOVOLAN' NY FILEOVANA MARSEILLE

FANEVA: "Mazotoa kokoa ry rahalahy hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo" (2 Pet. 1. 10a)

TOERANA: Montpellier
-Asabotsy 09 jona amin’ny 03 ora sasany hariva.
-Alahady 10 jona amin’ny 10 ora sasany maraina.

HAFATRY NY PASTORA:
- Aoka hotrotrointsika am- bavaka izao fivoriana mampiombona antsika izao .
-Hisy valopin' ny fivoriana aorian' ny rakitra ny alahady maraina.
-Ho voninahitra'Andriamanitra irery ihany anie sy ho fampaherezana ary ho fampiraisana antsika tokoa anie izao fivoriantsika izao! Amena.
 

<- En arrière  1 ...  6  7  8  9  10  11  12 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement