FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

03 febroary 2019: ALAHADIN'NY PASTORA
FLME Mazargues Marseille le 25/01/2019, 14 02 50 (UTC)
 03 febroary 2019: ALAHADIN’NY PASTORA.
Entanina isika tsirairay hiomana amin’izany, ho fisaorana sy fankasitrahana azy tanteraka amin’ny asa sy ezaka ataony eto amin’ny Fiangonantsika.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie.
 

Krismasy sampana marseille
FLME Mazargues Marseille le 15/01/2019, 17 05 03 (UTC)
 Ny asabotsy 19 jona izao no ankalazain'ny FLME Mazargues Marseille ny krismasy sampana. Manomboka amin'ny 7 ora sasany hariva ny fotoana.
Mirary ny fahatongavantsika maro
 

HETSIKA SALOMA FITANDREMANA MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 15/12/2018, 11 11 45 (UTC)
 SAMPANA SALOMA FITANDREMANA MARSEILLE dia faly manasa antsika rehetra hanatrika ny hetsika ataony ny asabotsy 15 desambra 2018 amin’ny 6 ora hariva.
FANEVA: « Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo » Filipo 4.4
TOERANA: Chapelle Sainte Claire - 62 rue Cade Mouton Marseille 13014
PROGRAMA :
- Diner -Animations
- Dessins Animés Bibliques
Aoka samy hitrotro ambavaka ny fotoana, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

02 desambra 2018 ALAHADIN'NY KATEKISTA
FLME Mazargues Marseille le 27/11/2018, 10 10 31 (UTC)
 Isaorana ny Tompo fa mbola afaka hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY KATEKISTA (Rakotoarimanana François d'Assise) isika eto amin’ny FLME Mazargues Marseille ny alahady 02 desambra 2018.

FANEVA: "...Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,” Salamo 103:1-3

Ho fisaorana sy fankasitrahana azy amin’ireo adidy masina ataony ampitiavana eto amin’ny fiangonana.

Koa entanina isika tsirairay mba hiomana amin’izany fankalazana izany.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

08 – 09 DESAMBRA 2018: ISAN- TELOVOLAN' NY FILEOVANA
FLME Mazargues Marseille le 26/11/2018, 20 08 05 (UTC)
 08 – 09 DESAMBRA 2018: ISAN- TELOVOLAN' NY FILEOVANA

Faneva: " Akaiky ny fanjakan' Andriamanitra. " -Lioka 21. 31b.
Toerana : MONTPELLIER

Asabotsy 08 desambra 2018
2 ora 30 mn: Fivorian' ny sampana samihafa ato amin' ny fileovana.
3 ora 30 mn: Fanombohan’ny fivoriana
- Hisy asa sy fampaherezana
- Faranana amin’ny FANKALAZANA NY KRISMASIN’NY FILEOVANA ny fotoana.

Alahady 09 desambra 2018
9 ora 30 mn: Sekoly alahady
10 ora sasany: Fotoam- pivavahana litorjika
- Hisy Fandraisana ny Fanasan' ny Tompo

Hafatry ny Pastora:
- Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika.
- Ankoatry ny rakitra, dia hisy valopy amin' ny fiodinana faharoa ho fanohanantsika ny asa ato amin' ny fileovana.
- Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika!
 

24-25 novambra 2018: isandroavolana Fitandremana Marseille
FLM Mazargues Marseille le 23/11/2018, 10 10 04 (UTC)
 PROGRAMAN' NY ISAN- DROAVOLAN' NY FITANDREMANA IZAY HATAO AO AMIN' NY FLME MARSEILLE NY 24 - 25 NOVAMBRA 2018
Faneva: " Miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian' ny Tomponareo ", Mat. 44. 42.
Toerana : Chapelle Sainte Claire , 62 rue Cade Mouton 13014 Marseille.
Asabotsy 24 novambra : manomboka amin’ny 4 ora 30 tolakandro.
Hisy asa sy fampaherezana, ary faranana amin’ny antsampanahy
Alahady 25 novambra:
9 ora 30 mn: sekoly alahady
10 ora 30 mn: fanomboan’ny fotoampivavahana.
Hisy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ary faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.
Aoka hitondra ambavaka ny fotoana, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1 ...  4  5  6  7  8  9  10 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement