FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Tantaran'ny FLM Mazargues
 

 

TANTARAN'NY FIANGONANA  FLM-MAZARGUES                                           
Nanomboka tamin’ ny fiaraha-mivavaka an-trano ny fotoana ny Alahady 27Avril 2008.
Dimy no isan’ ny Kristiana niara-nivavaka voalohany tamin’ izany.Nihamaro ny olona noho ny fitahian’ ny Tompo, ary dia tsy omby intsony ny toerana tao an tokantrano, ka dia nanomboka nitady trano malalaka hanaovana ny fiaraha-mivavaka.     Noho ny fitahian’ Andriamanitra, dia nomeny ny trano fiangonana teto amin’ ny ERF (Eglise Réformée de France) Marseille Sud-Est, 08 Boulevard Magnan, 13009 Marseille-Mazargues izahay, ary dia ny Alahady 20 Jolay 2008 no nanomboka ny fiaraha-mivavaka teto izay notarihin’ i Pastora RAKOTOJAONA Eugène, Mpiandraikidraharahan’ ny Fileovana Marseille sady Filoham-boninahitry ny Synodam-parintany FLME, izy no nitaiza ara-panahy sy nikolokolo ary nahatonga ny fiaraha-mivavaka ho Fiangonana.

     Nahatratra 52 no isan’ ny Kristiana vita batisa tamin’ izany, ka ny 31 tamin’ ireo dia Mpandray ny Fanasan’ ny Tompo.Ny 19 octobre 2008 dia natsangana ny Komity Mpanorina sy ny Biraon’ ny Fiaraha-mivavaka teto Mazargues.Araka ny tenin’ Andriamanitra izay voasoratra ao amin’ ny Marka 16 : 15 manao hoe : “Mitoria ny Filazantsara amin’ ny olona rehetra” dia teraka ny fanirian’ ireo mpiara-mivavaka, hiorina ho Fiangonana Loterana Malagasy.
     Napetraka ny fangatahana Tso-drano isan’ ambaratongany sy nandalo rafitra, kanefa dia nanaiky ny fandaminana izahay, ny mbola maha Fiaraha-mivavaka anay, ary tsapa fa fitaizan’ Andriamanitra anay izany.

     Nampahery anay koa anefa ny famangian’ ireo Ray aman-dReny Pastora nifandimby, isan’ izany ny Prezidan’ ny FLM Pastora RAKOTO ENDOR Modeste, ny Presidan’ ny Synodam-paritany FLME Pastora HABBERSTAD Rakotondrazaka, ny Mpiandraikidraharahan’ ny Fileovana Pastora RAKOTOJAONA Eugène, ary ny Mpiandraikidraharahan’ ny Fitandremena Pastora FLAVIEN Volatombo.                                                                                         Noho ny famindrampon’ Andriamanitra dia nekena ho Fiangonana Loterana Malagasy mirafitra amin’ ny Fitandremana Marseille ny FLM Mazargues sy nahazo tso-drano tamin’ ny fivorian’ ny KMSP izay natao teto Marseille ny Sabotsy 19 Septambra 2009.
     Ary dia nambara tamin’ ny fomba ofisialy tany amin’ ny isan-taona reniny izay natao tany Strasbourg ny 24-25 Oktobra 2009 fa niteraka ny Fiagonana Loterana Marseille.
     Noho ny Asan’ ny Fanahy Masina sy araka ny tenin’ Andriamanitra izay voasoratra ao amin’ ny Filazantsaran’ ny Matio 28 : 19-20 manao hoe : “Koa mandehana hianareo, dia ataovy Mpianatra ny Firenena rehetra, manao Batisa azy ho amin’ ny Anaran’ ny Ray sy Zanaka ary Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan' izao tontolo izao”, dia mahafaly ny milaza fa amin’ izao andro fanokanana izao dia mahatratra ho 82 ny vita batisa ka 52 amin’ izany ny Mpandray ny Fanasan’ ny Tompo.
     Araka izany dia ireto avy ireo Sampana izay misy ato amin’ ny Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues:  
-SALOMA : Sekoly Alahady Loterana Malagasy
-
KTLM : Kristiana Tanora Loterana Malagasy 
- FBL : Fikambanam-Behivavy Loterana 
- FDL : Fikambanan-Dehilahy Loterana
- FIFIL : Firaisan’ny Fifohazana Loterana
- VLM : Vokovokomanga Loterana Malagasy
     Ho Fampielezana sy Fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra dia manana Gazety ny FLM Mazargues, dia ny Gazety “NY FAHAZAVANA”.
 
Notokanana ny 25 Avril 2010 ny FLM Mazargues
Ny Teny FANEVAn’ ny Fiangonana dia hita ao amin’ ny Romana 1 : 17b  manao hoe :
"Ny marina amin'ny finoana no ho velona."Rom 1:17b
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement