FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

ISAN-DROAVOLANA 3-4 febroary 2024
FLME Mazargues Marseille le 27/01/2024, 14 02 41 (UTC)
 ISAN-DROAVOLANA, FILEOVANA MARSEILLE
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (FLM)
Synodam-Paritany FLM aty Eoropa (SP.FLME)
Fileovana Marseille. FITANDREMANA MARSEILLE
FANEVA: " Fa ianao kosa dia mahareta amin' izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao; ( 2 Tim. 3 . 14 )
-Asabotsy FLME Mazargues Marseille. (8 Boulevard Magnan,13009 Marseille.)
-Alahady: FLME Sainte Claire Marseille ( 62 rue Cade-Mouton, 13014 Marseille)
HAFATRA
- Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika
- Hisy valopy solom- bokatra ny Alahady maraina
- Hisy ny sakafom- pirahalahiana aorian'ny fotoam- pivavahana ny Alahady
- Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitry ny fivoriantsika .
Amena
 

ISANTELOVOLANA 10-11 febroary 2024 Montpellier
FLME Mazargues Marseille le 20/01/2024, 15 03 35 (UTC)
 FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (FLM) SYNODAMPARITANY EOROPA (SPFLME) FILEOVANA MARSEILLE

ISANTELOVOLANA 10-11 FEBROARY 2024

FANEVA: « Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! » Jaona 1: 29b

TOERANA: FLM Montpellier - Faculté de Théologie Protestante, 13 rue du Dr Louis Perrier – 34000 Montpellier
Hafatra :
Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriantsika
Hisy ny valopin’ny fivoriana mandritry ny fotoana Alahady
Hisy fiaraha-misakafo aorian’ny fotoam-pivavahana Alahady
Hisy ny vokatra mandritry ny fiaraha-misakafo Alahady.
Samia miomana amin’izany.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika.
Raha maniry hahazo fanazavana fanampiny, antsoy ny Pastora Patric LOTERA : 06 43 14 44 58
 

ISAN-DROAVOLANA Fitandremana 17-18 jona 2023
FLME Mazargues marseille le 12/06/2023, 17 05 38 (UTC)
 Asabotsy 17 – alahady 18 jona 2023: ISAN-DROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE
TOERANA: FLM MARSEILLE
FANEVA : " Indro Andriamanitsika Izay nandrasantsika hamonjy antsika ... koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin' ny famonjeny isika " ( Isaia 25 . 9)
HAFATRA :
- Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika .
- Aoka isika samy hiomana ho amin' ny rakitra faharoa ho solom- bokatra hanohanana ny kitapon' ny fitandremantsika ny Alahady maraina.
- Ho an' Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitry ny fivoriantsika, ary dia ho fahasoavana sy fitahiana antsika anie.
Amena.
 

ISANTELOVOLANA Marsa 2023 Montpellier
FLME Mazargues Marseille le 08/03/2023, 19 07 30 (UTC)
 Asabotsy 11 sy Alahady 12 marsa 2023 : ISANTELOVOLANA Fileovana MARSEILLE.
FANEVA: « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. » Jaona
8:36
Toerana: FLM Montpellier – Salle Tourrière, 14 rue des Escholiers, 34440 Saint-Jean-de-Védas
HAFATRA:
- Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriantsika
- Hisy ny valopy solom-bokatra sy rakitra iray koa ho an’ny Fitandremana mandray ny fivoriana ny Alahady maraina
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika
 

FIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA 29 janoary 2023
FLME Mazargues Marseille le 22/01/2023, 16 04 03 (UTC)
 FIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA.
Alahady 29 JANOARY 2023 amin’ny 3 ora sy sasany.
Fotoam-pivavahana fisaorana sy fitondrana am-bavaka ny taona 2023
Herinandron’ny firaisam-pinoana.
FANEVA: « Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra, fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra. »
Matio 5.3.
TOERANA: Fiangonana Sainte-Emilie de Vialar 258, boulevard Romain Rolland
13009 MARSEILLE.
Aoka samy hitondra ambavaka ny fotoana. Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

Isantelovolana 25-26 septambre 2021
FLME Maresille Mazargues le 23/09/2021, 09 09 10 (UTC)
 ISANTELO VOLANA 25-26 SEPTAMBRA 2021
Ho tanterahina ao FLM M ARSEILLE
Faneva: " MIFANOMPOA AMIN’NY FITIAVANA "

ASABOTSY 25 SEPTAMBRA 2021

FANOMBOHANA: 2 ora tolakandro .
Mpitarika: Katekista TSIAMBAHOTRA Tahiry
Vakiteny :
- Testamenta Taloha: Isaia 2.1-12- Rtoa RAMARLINE Veroarivony
- Testamenta Vaovao: Efes. 4.1–6 - Rtoa RAMILIARINIAINA Vololona
Fampianarana Soratra Masina:
"Ny fiainan' ny mino ny fanetren-tena", Ampit. Filip. 2.1-8 .
(Mpampianatra: Ny Pastora Filohan' ny synodam- paritany, na Pastora FLAVIEN Volatombo )
Toriteny: Marka 2.18 – 28 - Pastora MAMPIONONA Patrick Lotera
Filazan- draharaha
Fanatitra
Asa sy Fampaherezana
Mpandrindra: Atoa RAFARALAHITSIMBA Germain
Vavaka farany: Rtoa RAKOTOARIMANANA Clarisse
" Collation "
Komitin' ny Fileovana

ALAHADY 26 SEPTAMBRA 2021

09 ora: Sekoly Alahady (Tarihin' ny eo an- toerana )
10 ora 30mn: Fotoam- pivavahana litorjika
Mpitarika: Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato
Vakiteny:
- Testamenta Taloha: 1 Sam. 2.1 -10- Katekista NAMBININA Velosaotsy
- Epistily: Gal. 5. 1-14 - Katekista RAKOTOARISON Dieudonné
- Filazantsara: Lio. 14. 1 – 11- Katekista RAKOTOARIMANANA F. D'Assise
Toriteny: Matio 18. 1-7,
Ny Pastora Filohan' ny Synodam- paritany, na Pastora FLAVIEN Volatombo.
Vavaka farany: Katekista TSIAMBAHOTRA Tahiry.

Hafatra:
- Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriana
- Hisy valopy solom- bokatra ho rakitra faharoa ny alahady maraina
- Ho voninahitr’ Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika.

 

<-En arrière

 1  2  3  4  5  6  7  8 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement