FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

23-24 novambra 2019: Isandroavolana Fitandremana Marseille
FLME Mazargues Marseille le 20/11/2019, 10 10 08 (UTC)
 ISAN-2 VOLANA FITANDREMANA MARSEILLE : Asabotsy 23 sy Alahady 24 Novambra.

Faneva: « Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra, sy ny fahendreny, ary ny làlany tsy azo fantarina » Rom.11 :33
Toerana:
-Asabotsy: FLME Mazargues Marseille, 8 Boulevard Magnan,13009 Marseille.
-Alahady : FLME Marseille Sainte-Claire, rue Cade-Mouton 13014 Marseille

Hafatry ny Pastora:
Hafatra:
- Aoka ho trotroina am-bavaka ny fivoriantsika
- Hisy valopy ho rakitra faharoa ho fanatevenana ny kitapon’ny fitandremana ny Alahady maraina.
- Ho voninahitr’Andriamanitra irery anie ny fivoriantsika.
 

03 novambra 2019: ALAHADIN'NY KATEKISTA
FLME Mazargues Marseille le 31/10/2019, 10 10 06 (UTC)
 Isaorana ny Tompo ny nanomezany antsika ny Katekista RAKOTOARIMANANA François D’Assise, izay manao ny ainy tsy ho zavatra mampiroborobo ny Fiangonana.

Hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY KATEKISTA isika eto amin’ny FLME Mazargues ny alahady 3 novambra 2019.

FANEVA: " Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra"

Entanina isika tsirairay mba hiomana amin’izany fankalazana izany. Ary indrindra hitondra ambavaka azy sy ny ankohonany.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.

 

Isantaona SP FLME 26-27 oktobra 2019
FLME Mazargues Marseille le 17/10/2019, 18 06 28 (UTC)
 26-27 oktobra 2019: ISANTAONA SYNODAM-PARITANY FLME 2019.
FANEVA : « Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo » Efesiana 5.6a
TOERANA : Chapelle de l'Établissement privé catholique Saint-Charles
2 Rue Geneviève Anthonioz-de Gaulle.
Aoka hotrotroin-tsika ambavaka ny fivoriana ary ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
 

12-13 oktobra 2019: ISAN- DROAVOLAN'NY FITANDREMANA
FLME Mazargues Marseille le 03/10/2019, 14 02 00 (UTC)
 ISAN- DOAVOLAN'NY FITANDREMANA HATAO AO AMIN'
NY FLME MARSEILLE NY 12 - 13 OKTOBRA 2019.
Faneva: " Fa ao amin' i Kristy Jesosy, dia tsy mahasoa na ny famorana na tsy famorana, fa ny finoana izay miasa amin' ny fitiavana ", Gal. 5 : 6.
Toerana: FLME Marseille

Asabotsy 12 oktobra 2019
Fanombohana: 04 ora tolakandro.

Alahady 13 oktobra 2019
09 ora 30mn: Sekoly alahady.
Fanompoam- pivavahana litorjika.
Fanombohana: 10 ora 30 mn.
Hisy Fandraisana ny Fanasan' ny Tompo

Hafatry ny Pastora:
- Aoka ho trotrointsika ambavaka ny fivoriana iombonantsika.
- Asaina ny mpiomana ho mpiandry rehetra ho tonga ny asabotsy.
- Hisy valopy ho rakitra faharoa ny alahady maraina, araka ny mahazatra, ho fanohanana ny asa samihafa sahanin'ny Fitandremana.
- Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriana niantsoany antsika !
 

28 septambra 2019 HETSIKA KTLM FITANDREMANA
FLME Mazargues Marseille le 28/09/2019, 09 09 12 (UTC)
 Asabotsy 28 septambra izao ny HETSIKA KTLM FITANDREMANA

FANEVA : « Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any ko any fonao” Matio 6.21
Toerana : EPUF 8 boulevard Magnan 13009 Marseille
Fanombohana: 4 ora sasany hariva
Programa:
- Fotoam-pivavahana fanokafana
- Fiaraha-misakafo
-“ Jeux bibliques en équipe” fandraisana anjara : 2 euros
Fandraisana anjara : 5 euros (Sakafo sy dessert)
Boisson 1 euros

Tongava maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

 

ISAN-TELOVOLANA septambra 2019
FLME Mazargues Marseille le 11/09/2019, 09 09 25 (UTC)
 Asabotsy 14 sy Alahady 15 Septambra 2019: ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
FANEVA: "...Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa." Lio. 10: 37b
TOERANA: FLM Marseille, Chapelle Ste Claire, 62 rue Cade-Mouton 13014 Marseille
Asabotsy :
12 ora sasany: Fivorian’ny komitin’ny Fileovana
2 ora sasany – 3 ora sasany: Fivorian’ny Sampana
4 ora tolakandro: FOTOAM-PIVAVAVAHANA
Hisy Asa sy Fampaherezana ary Antsam-panahy

Alahady:
9 ora sasany : Sekoly alahady
10 ora sasany: FOTOAM-PIVAVAHANA

Samia mitondra am-bavaka ny fivoriana.
Hisy valopy solom-bokatra ny alahady maraina.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1  2  3  4  5  6  7  8 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement