FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

ISAN-DROAVOLANA AOGOSITRA 2019
FLME Mazargues Marseille le 21/08/2019, 17 05 03 (UTC)
 Asabotsy 24 AOGOSITRA - alahady 25 AOGOSITRA 2019
ISAN-DROAVOLAN’NY FITANDREMANA MARSEILLE
FANEVA : “Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana. » Heb. 3 : 15.
TOERANA
Asabotsy: FLME Mazargues Marseille, 8 Boulevard Magnan 13009 Marseille
Alahady: Chapelle Sainte-Claire, 62 rue Cade Mouton 13014 Marseille

Tongava maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Hafatra :
- Aoka ho trotrointsika ambavaka ny fivoriantsika.
- Toy ny mahazatra, dia hisy valopy horakitra faharoa, hanohanantsika ny asa samihafa sahanintsika ato amin' ny fitandremana.
 

1-2 jona 2019: ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 01/06/2019, 18 06 58 (UTC)
 FIVORIANA ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
SYNODAM-PARINTANY EOROPA

Asabotsy 15 sy alahady 16 Jona 2019
TOERANA: FLME Montpellier
13 rue Louis Perrier 34000 Montpellier

FANEVA: «Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo
ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary haharetan’ny
vokatrareo. » Jaona 15, 16a

Asabotsy 15 Jona 2019
Fanombohana : 4 ora tolakandro

Alahady 16 Jona 2019
Fanombohana 10 ora sy sasany

Hontanterahina amin’io fotoana io ny anjara fankalazana ny jobilin’ny Tonian’ny FLM Mivady: Pasitora RANDRIANIRINA Dieu-Donné.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

 

1 - 2 jona 2019: ISAN-DROAVOLAN'NY FITANDREMANA MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 28/05/2019, 08 08 43 (UTC)
 ISAN - DROAVOLAN' NY FITANDREMANA
Asabotsy 1 JONA – alahady 2 JONA 2019.

FANEVA: " Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara ", Jao. 15: 27 a .
TOERANA: FLM Marseille, Chapelle Ste Claire, 62 rue Cade-Mouton 13014 Marseille

Asabotsy 1 Jona 2019
Fanombohana :
- 2 ora sy sasany tolakandro : Fivorian’ny Sampana rehetra misy eto amin’ny Fitandremana.
- 4 ora tolak’andro (16h) tsy diso : Fivoriana Isan-droavolana

Alahady 2 Jona 2019
Fotoam- pivavahana litorjika. 10 ora sy sasany (10h30)

HAFATRA :
- Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriantsika.
- Toy ny mahazatra, dia hisy valopy ho rakitra faharoa, hanohanantsika ny asa samihafa sahanintsika ato amin' ny fitandremana.
- Ho voninahitr' Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika.
 

HETSIKY ny FDL Fitandremana Marseille
FLME Mazargues Marseille le 25/05/2019, 18 06 45 (UTC)
 30 mey 2019: Andro Niakarana.
Fiaraha- mivavaky ny fitandremana: FLME Mazargues Marseille
TOERANA: FLME Mazargues Marseille

Ny FDL FITANDREMANA MARSEILLE dia manasa antsika hanotrona azireo amin'ny HETSIKA ataony ny alakamisy 30 mey 2019 atoandro, aorian'ny fotoam-pivavahana maraina.
FANEVA: Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Mat 5:14
TOERANA: Eglise Protestante Unie de France
8 Boulevard Magnan,13009 Marseille.
Hisy Fiaraha-misakafo.
Fandraisana anjara: 8 euros.
Mirary ny fahatongavantsika maro, ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

Asabotsy 18 mey 2019: HETSIKA SALOMA
FLME Mazargues Marseille le 07/05/2019, 08 08 50 (UTC)
 Asabotsy 18 mey 2019 amin’ny 12 ora sasany.
Ny Sampana SALOMA : Sekoly Alahady Loterana eto amin’ny FLMEMazargues Marseille Dia faly manasa anareo hanatrika ny “HETSIKA 2019” izay karakarainy.
Toerana : Espace Magnan, 8 boulevard Magnan 13009 Marseille .
Tongava maro hanotrona ireo ankizintsika. Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

Zoma 3 - Asabotsy 4 - alahady 5 mey: Fiofanan’ny Mpiandry sy ny Mpiomana
FLME Mazargues Marseille le 02/05/2019, 08 08 24 (UTC)
 Zoma 3 sy asabotsy 4 ary alahady 5 mey 2019: Fiofanan’ny Mpiandry sy ny Mpiomana.
TOERANA: Salle PALATIUM - Ruelle des Fossés 08140 Douzy
FANEVA: “Koa tomoera tsara ry Rahalahy ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo…” 2 TESALONIANA 2.15a
Aoka hotrotrointsika ambavaka ny dia sy ny fotoana.
Samia mivimbina vokatra.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1  2  3  4  5  6  7  8 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement