FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Ny Andraikitry ny VLM
 

NY ANDRAIKITRY NY VOKOVOKOMANGA LOTERANA MANOLOANA NY ADY AMIN’NY ZAVA-PISOTRO MAHAMAMO SY NY FIFOKA MAHADOMELINA.

 

Hamafisin’I Paoly ao amin’ny 1 Kor.6:10 FA TSY HANDOVA VELIVELY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA NY MPIMAMO SY NY MPIDOROKA ZAVAMAHADOMELINA.

 Mpanoratra.Pastora RANDRIAMAMPIONONA Isidore,
Prof.STPL ATSIMONIAVOKO;

FITARIHAN-TENY.

Fiteny tsy vahiny amintsika eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe: mam’s, sorah,pi, ody lolo, galeoka, badezy, jamala, môly, dakôta, maina sns…Zava-mahadomelina no ambadik’ireo teny rehetra ireo. Iarahan’izaotontolo izao manaiky koa anefa ny fahavoazana lehibe ao amin’ny Firenena iray izay ihanahan’ny famokarana sy fivarotana zava-mahadomelina.

Madagasikara dia anisan’ny laharana faharoa amin’ny fidorohana zava-pisotro misy alkola maneran-tany. Tsy mahagaga izany satria mifamatotra toy ny vary sy rano ny toaka sy ireo fomba amam-panao Malagasy samihafa. Ny mampalahelo indrindra dia ireo tanora Malagasy izay ao anatin’ny heriny sy ny tanjany, ka tokony hampandroso ny toe-karena  no tena lasibatr’ity zava-mahadomelina ity. Hita soritra ihany ny ady ataon’ny Fanjakana amin’ny ady atao amin’ity zava-mahadomelina ity, KANEFA NA DIA IZANY AZA DIA HOY NY FITENENANA HOE: NY MAMO HENJEHINA FA NY TOAKA HAMIDY IHANY”.

 Ny Fiangonana  Loterana Malagasy ihany koa dia miezaka ihany araka izay tratrany, indrindra ny Sampana vokovokomanga izay naorina hiady manokana amin’ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina eto Madagasikara. Ho hitantsika amin’ity famelabelarana ity ary ny famaritana ny atao hoe vokovokomanga, ny antom-pisiany, ary ny tantarany.

Faharoa dia hohitantsika ireo antony mahatonga ny olona hidoroka zava-pisotro mahamamo sy fifoka mahadomelina sy ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fiainany, eo amin’ny ankohonany, eo amin’ny fiarahamonina ary amin’ny Firenena manontolo mihitsy.

Amin’ny fizarana farany no hilazantsika ny feon’ny Fiangonana miainga amin’izay lazain’ny Soratra Masina. Aseho amin’izany ny famaritan’ny Soratra Masina ny zava-mahadomelina, ny maharatsy azy, ny adidy miandry ny Fiangonana manoloana ny ady atao amin’izany.

I.INDRAY MITOPY MASO MOMBA

 NY VOKOVOKO MANGA.

Ho hitantsika amin’ity fizarana ity ny fiandohany, ny nidirany teto Madagasikara

1.1.NY FIANDOHANY.

Tany ampitan-dranomasina izay tany mpamokatra voaloboka sy mpanao toaka no niandohan’ny vokovoko manga. Pastora Louis Lucien Rochal nonina tany Cossonay any Suisse no nanorina voalohany ny fifadian-toaka tamin’ny 21 Septambra 1877, rehefa nahita ny fahavoazan’ny mpiray tanindrazana taminy vokatry ny ny fidorohana zava-mahamamo.Tany ampiandohana dia fikambanan’olom-bitsy ny Vokovoko manga, saingy nitatra tsy hay notohaina izany taty afara, ka tonga malaza eran-tany ny fisian’ny “Croix bleue”.

1.2.NY NIDIRAN’NY VOKOVOKO MANGA TETO  MADAGASIKARA.

Vehivavy Amerikana anankiray atao hoe Leawitte izay tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 1888 no nitarika ny olona hifady toaka, ary nitaona sy nanao fampielezan-kevitra nanazava ny loza ateraky ny fidorohana zava-pisotro mahamamo. Ny 3 Febroary 1893 dia nisy vehivavy vitsivitsy namaly ny antso,  ary nanorina ny fikambanana  atao hoe: “FIKAMBANAN’NY VEHIVAVY KRISTIANA MPIFADY TOAKA”.Rehefa niorina 33 taona ny fikambanana dia nahazo namana avy amin’ny Fiangonana Protestanta ry zareo,  ka ny voalohany amin’ireny dia Pastora Jonah Rajemisa ary nampian’I Pastora Gustave Mondain. Izy ireo indray no niezaka nanorina ny tena fikambanana eran’I Madagasikara rehefa nahazo namana avy amin’ny Misiona LMS sy NMS ary  ny MPF. Vokovokomanga Malagasy no anarana nisalorany ary niray tarigetra tamin’ireo fikambanana tany ivelany io fikambanana io.

Tamin’ny 4 Jona 1928 dia neken’ny Fanjakana Malagasy ny fikambanana Vokovokomanga izay fantatra amin’ny anarana hoe: “Croix Bleue Malgache” (Association anti-alcolique de Madagascar), ary maro tokoa ny mpikambana tao anatiny  sady nahitana ny karazan’olona samihafa toy ny karana, sinoa, Katolika sns… Ny 29 Jolay 1955 dia nivoaka ny didy hitsivolana nilaza fa asa fanasoavam-bahoaka ny asan’ny “Croix Bleue”. Rehefa nahazo fahaleovan-tena ny Firenena Malagasy vao nahazo ny anarana raikitra hoe Vokovokomanga Malagasy izy.

Nitohy hatrany ny asan’ny Vokovokomanga Malagasy ka tsy ela dia niorina teo anivon’ny Fiangonana ny Sampana VVM. Hatramin’ny taona 1977 dia nivondrona  tao amin’ny VVM Malagasy Foibe ny Fiangonana maro, na dia efa samy nanana aza ny isam-Piangonana, ary anisan’ireny ny FLM. Taty afara dia niala tao amin’ny Foibe ny FLM, fa nanapa-kevitra hanamasaka ny azy manokana.

Sarotra ny asa satria maro ireo Kompania matanjaka ara-toe-karena izay manitatra sy manangana Ozina famokarana zava-pisotro mahamamo na eto Madagasikara na any ampitan-dranomasina.

Niezaka hatrany ny fikambanana ny hanarina ireo efa tena mpidoroka sy voafatotra.Ao ihany koa ny fiarovana ireo mbola tsy voa, indrindra ny zaza sy ny tanora.Io no tena misongadina ho anton’ny fijoroan’ny fikambanana ao am-Piangonana. Aleo mantsy misoroka toy izay mitsabo.

Ny Synoda Lehibe tamin’ny taona 1967 no nanaiky ny VLM ho sampan velona ato amin’ny Loterana.Ny andraikiny dia miaro sy mamonjy ary manarina ireo olona andevozin’ny fisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina samihafa. Miezaka ny VLM amin’izay azony atao mba hampitsahatra ny fisotroana sy ny fifohana ary ny fampielezana azy ireny. Vaindohan-draharaha koa ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fitarihana ny mpikambana hijoro ho vavolombelon’I Jesosy Kristy na ao am-Piangonana  na eo anivon’ny Fiarahamonina.

Ireto avy ireo Tonia efa nifandimby nitantanana ny VLM RAOBELINA RASOLONJATOVO JULES (SPAM) 1994-1997,  Pastora RAMARO (SPBM) 1998-2002), Pastora RVOSON DINAND (SPBM) 2002-2006) ary Mr RANDRANATOANDRO PIERRE Mpiandry SPFT  (2006-2010).

Manao izay ho afany ny VLM  amin’ny lafiny fampianarana sy fanentanana ataon’ny Kristiana. Na dia izany aza anefa dia tsapa ihany fa misy ny lesoka tsy maintsy arenina na amin’ny fandalinana Soratra Masina na amin’ny fanaovana tafika masina izay tena ain-dehibe ho an’ny Sampana VLM. Etsy andanin’izany dia hita koa fa maro ny Pastora no tsy marisika amin’ny famelomna ity sampan VLM ity ao amin’ny Fiangonana entiny, ary anisan’ny Sampana mitsipozipozy izy na dia amin’izay manana azy aza.

Tsara indrindra raha ny Pastora rehetra no mirotsaka ho MPIKAMBANA AMIN’NY VLM,  ary toy izany koa ny MPIASAM-MPIANGONANA REHETRA.Ireo mantsy no fitaratra sy modely ary mpitarika. Ahoana moa no handresena lahatra ny olona tsy hisotro raha ny Pasora sy ny mpiasam-Piangonana aza mbola misy misotro sady tsy rototra hanohana ny fikambanana. Tsy fifadian-toaka ihany fotsiny koa no tokony ho voizina manerana ny FLM amin’ny fampianarana ataon’ny- VLM,  fa ny fifadiana izay rehetra mety ho zava-mahadomelina ka manimba ny tempolin’Andriamanitra.

2.NY ZAVA-MAHADOMELINA.

2.1.FAMARITANA.

2.1.1.INONA NO ATAO HOE ZAVA-MAHADOMELINA?

Ny zava-mahadomelina dia ireo zavatra iniana ampidirina amin’ny vatan’ny olona  amin’ny allan’ny fihinana na fisotroana na fifohana na koa fitsindromana. Izany dia misy fiantraikany amin’ny ati-doha ka manova ny fiasan’ny saina tsy ho ara-dalàna. Mamatotra sy manandevo izay rehetra mampiasa azy ny zava-mahadomelina ary mitarika fiankinan-doha aminy. Azo lazaina ho sampy izy,  satria izay rehetra babony dia tsy maintsy manompo azy ary tsy manana safidy.

Maro karazana ireo karazana zava-mahadomelina. Misy ireo izay fahita amin’ny fiainana andavan’andro ary eken’ny fiarahamonina toy ny kafe, sigara, paraky, katy, rhum, divay, labiera ary ny toaka isan-karazany.

Misy koa anefa ireo zava-mahadomelina izay tsy eken’ny fiarahamonina ary voararan’ny lalàna  toy ny toaka gasy, ny rongony, ny cocaine, ny heroine. Ny zava-pisotro misy Alkola anefa no manimba olona maro indrindra eran-tany noho izy tsy mifidy sokajin’olona  mandray azy (ankizy, vehivavy, tanora, antitra, mahantra, manan-karena, avara-pianarana, bado, kristiana, jentilisa).

Eto Madagasikara ny fampiasana zava-pisotro misy Alkola dia mifamatotra amin’ny fiainan’ny olona andavan’andro,  indrindra ireo fety aman-danonana samihafa dia tsy maintsy ao ny zava-pisotro misy alkola. Raha tsy izany dia toa nitafy henatra ny tompon-draharaha. Na dia amin’ny fahoriana aza dia tsy miala izany. Laharana faharoa eran-tany ny Malagasy amin’ny fisotroan-toaka.

2.1.2.TANTARAN’NY ZAVA-PISOTRO MAHAMAMO.

2.1.2.1.NY FIANDOHANY.

Nalaza be ny famokarana sy ny fambolena voaloboka tany ampiandohana ary efa nanomboka nanao divay ny olombelona. Araka ny Gen.9:21 dia efa hatramin’ny andron’I Noa no nahay nanamboatra zava-pisotro misy Alkola ny olona ary efa nahalala sahady ny voka-dratsy aterak’izany.

Hita ao amin’ny Soratra Masina fa misy karazany roa ny divay.Ao ny divay tsara izay ranom-boaloboka tsotra ihany, tsy mba naotrika izany fa sotroina araka ny maha ranom-boankazo voajanahary azy (Gen 27:28,Deot.11:14, Nom.18:12).

Ao koa ny divay ratsy izay ranom-boaloboka efa niotrika ela ka tonga niova tsiro, miteraka alkola sy poizina ary manjary manimba ny vatana , ny saina amam-panahy (Ohab.23:29-30, Isaia 28:7, Deot.32:33, Iszai.51:17). Ny divay tsara no mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (Mpits.9:13).

Rehefa nandroso ny fikarohana taty afara dia nanjary nahazoana toaka ihany koa  ny zava-maniry hafa toy ny fary, ny mahabibo, ny akondro, ny bozaka, ny vary.

Ny alkola moa dia entona mangatsiaka azo avy amin’ny fanotrehana na fampangotrahana zava-maniry. Fantatra amin’ny “SIGLE CHIMIQUE” hoe C2 H5 OH. Misy karazany roa ny alkola dia ny alkola fanao fanafody sy ny alkola fisotro.

Misy fofona ny alkola, mora mirehitra, mandoro ny lela, mora mientona ary afaka mifangaro amin’ny rano.Misy fomba roa ny fahazoana alkola: Voalohany dia amin’ny alalan’ny “fermentation” na fanotrehana voaloboka ho tonga divay, varim-bazaha ho tonga labiera, akondro ho tonga betsabetsa, . Faharoa dia amin’ny alalan’ny fitanehana:Fary ho lasa whisky,  toaka gasy sns…

Dimy minitra ihany aorian’ny fisotroana zava-pisotro misy alkola dia efa miasa izy ka ny 90%n’ny alkola dia mijanona ao amin’ny aty avokoa, fa ny 5% ihany no mivoaka amin’ny fivalanan-drano sy ny hatsembohana ary ny fofon’aina. Miparitaka manerana ny vatana amin’ny alalan’ny rà ny alkola,  ka misy vokany ratsy amin’ny vatana toy ny “hypersalivation”, “ carries dentaires”, “ apthe buccal”. Tonga maimaina sy makiana ny hodi-tava, tsy miasa tsara ny  “nerf facial”. Eo amin’ny tenda dia mahatonga  “oesophagite”.Eo amin’ny vavony dia mahatonga “gastrolite”  sy “ulcere d’éstomac”.

Anisan’ny poizina koa ny paraky sy sigara ary tena mamono.Ho an’ny mpifoka sigara manokana dia tsy poizina ho azy samirery  fa ho an’ny manodidina  koa ny vokatry ny setro-tsigara. Ireto avy ireo poizina azo avy amin’izany: “Nicotine”, “ alcaloides”  izay avy amin’ny ravim-paraky. Tsiranoka tsy manan-doko izy io. Mientona malaky raha vao arehitra ny sigara. Malaky ny fientonany raha vao arehitra ny sigara, 5 segondra monja aorian’ny fisintonana sy ny fifohana azy dia tonga sahady any amin’ny ati-doha ny “nicotine” raha 12 segondra ny “heroine”. Zava-doza ny nicotine satria goutte iray ihany aminy no atete eo amin’ny vavorona dia ampy hahafaty azy, raha  gramma vitsivitsy atsindrona amin’ny soavaly koa dia ampy hahafaty azy.

Ny “Nicotine”  no mahatonga fahazarana sy fiankinan-doha  amin’ny fifohana sigara. Raha kely no ampiasaina dia manaitaitra ny vatana sady fahafinaretana ho an’ilay mpifoka,  fa raha betsaka kosa dia mivadika ho poizina izay miteraka  “spasms de la musculatures, spasms des vaisseaux sanguins de l’intestin”. Mahatonga tsy fiasàn’ny Systeme nerveux.

 Ny goudrons avy amin’ny firehetan’ny sigara no mamorona ny atao hoe substances cancerogenes. Ny fiangonan’izany ao amin’ny fitaovam-pisefoana  anatin’ny taona maromaro dia manimba miandalana ny tissus ka miafara amin’ny fiforonan’ny homamiadana eo amin’ny vava, molotra, tendron’ny traotraoka (larynx). Ny poizina vokarin’ny fifohana sigara dia mampihena ny oxygene miditra any amin’ny taova samihafa.Ny fo, ny hozatra ary ny ati-doha no tena miaritra ny voka-dratsin’ny fifohana sigara.Mampihena ny andro iainan’ny olona eto an-tany ny fifohana sigara.

2.1.2.2.NY DROGUE.

Maro karazana ny drogue:Cocaine, ecstasy, ny heroine, ny LSD (acide lygergique diethylamide)…Ny Firenena andalam-pandrosoana no tena malaza amin’ny fambolena  drogue. Ireo mpamokatra anefa no tena voaaramaso kokoa noho ny mpidoroka. Ny drogue dia ahazoana fahasambarana sy fahafinaretana mandalo, saingy lehibe lavitra noho izany ny voka-dratsiny eo amin’ny fiainan’ny olona.

Vao tamin’ny 1859 no nahafantarana ny cocaine avy amin’ny ravin-java-maniry atao hoe coca. Ny cocaine dia zava-mahadomelina manaitaitra ny vatana.Fohana na koa atsindrona no fomba fampiasana azy. Ora iray aorian’ny fampiasana azy anefa dia efa mihena ny heriny.

Ny ecstasy dia navoakan’ny laboratoire ary ny miaramila no tena mampiasa azy.Nanomboka tamin’ny 1970 no tena nampihanaka ny fampiasana azy ity tamin’ny toerana samihafa toy ny trano filanonana (boite de nuit). Anisan’ny drogue izay miteraka fikorontanan-tsaina  sy fandrenesana ary fahitana zavatra izay tsy misy akory ity Ecstasy ity.

Ny LSD  anefa no mahery indrindra amin’ny zava-mahadomelina.Misy koa zava-mahadomelina hafa izay ahodina ho fanafody mba hampihena ny fanaintainana toy ny Opium du pivot, fa tsy amidy mivantana.

2.2.NAHOANA NO MISOTRO NY TANORA 10 -19 TAONA?

Nahoana no misotro ny tanora 10 ka hatramin’ny 19 taona maneran-tany?  66 %n’ny tanora no mamaly fa noho ny “Stress” mianjady amin’izy ireny sy noho ny fiheverana ny tena ho latsaka amin’ny lavaka mangitsokitsoka (mivarilavo,famoizam-po).

            Ny 25 % indray dia milaza fa misotro mba hanana fahasahiana, mba hiheveran-tena fa ambony, 31 % indray no milaza fa misotro tsotra fotsiny ihany fa tsy misy antony hafa. Tamin’ny taona 1989 dia  nahatratra 3000  ny isan’ny tanora 15 ka hatramin’ny- 19 taona no maty tamin’ny “Accident” amin’ny familiana Fiara vokatry ny hamamoana. Maro amin’ny tanora no misotro divay mena kanefa tsy vitsy koa ny misotro “Labiera”  satria io no mora kokoa.

Rehefa manomboka misotro ny olona dia manomboka miova koa ny fitondran-tenany.
 

2.3.IREO ANTONY MAHATONGA NY OLONA HIDOROKA

 ZAVA- MAHAMAMO SY MAHADOMELINA.

Miosy ireo izay efa taranaka mpisotro,  sady taizan’olona mamo lava dia tonga mamo lava koa, satria ny fiainany manontolo sy ny tranga samihafa miseho eo amin’ny fiainana, dia anjakan’izany fisotroan-toaka izany (REVY MOA NO VOAMBOLANA MALAZA ILAZANA AZY ANKEHITRINY).

Ao koa ny fivoarana entin’ny fandrosoana, ny firentirentin’ny dokam-barotra isan-karazany mikasika ny zava-mahadomelina, arahina hira sy dihy izay manintona ny tanora tokoa. Lazaina fa tsy mahazaka revy na koa taraiky izay tsy mikasika zava-mahadomelina miaraka amin’ny namany.

Ao koa ireo mihevitra fa manana olana saro-bahana eo amin’ny fiainana ka ao anatin’ny fisotroana zava-pisotro mahamamo no heveriny ahitana vahaolana. Io ilay antsoina hoe: “NOYER SON CHAGRIN DANS L’ALCOL”. Mivary lavo no ilazan’ny Malagasy azy.

Misy koa ireo mihevi-tena ho ambany noho ny hafa (complexe d’inferiorité) ka amin’ny alalan’ny fisotroan-toaka no hamenoany ny banga ao aminy.

Misotro ny olona mba hitadiavana fahasambarana kanefa ny vokany dia fahasorenana.

Misotro ny olona mba hahita fifaliana kanefa ny vokany dia fahoriana.

Misotro ny olona mba hamitranana fihavanana kanefa ny fiafarany dia ady saritaka.

Misotro ny olona mba ho tonga amin’ny tena mety,  kanefa ny vokany dia fatoriana amin’ny toerana maharikoriko sy mampandoa.

Misotro ny olona mba ho mariky ny fihavanana kanefa ny fiafarany dia fananganana fahavalo.

Misotro ny olona mba  ahazoana fialan-tsasatra kanefa ny vokany dia tsy fahitan-tory sy aretina an-doha.

Misotro ny olona mba ahazoana hery kanefa ny vokany dia malemy tsy mahetsika.

Misotro ny olona mba ho fanafody kanefa ny vokany dia olana ara-pahasalamana.

Misotro ny olona mba ho fialan-tsasatra kanefa ny vokany dia mivizaviza etsy sy eroa sady mitabataba.

Misotro ny olona mba te hatao hoe olo-malaza kanefa ny vokany dia tahotra cf ranomason-toaka.

Misotro ny olona mba hahazo toky kanefa ny vokany dia fanahiana mafy.

Misotro ny olona mba hahamora ny resaka atao kanefa ny vokany dia resaka tsy mandeha amin’izay laoniny.

Misotro ny olona mba hahatsapa sahady ny atao hoe Paradisa kanefa ny vokany dia helo.

Misotro ny olona mba ho fanadinoana ny zavatra tsy zaka kanefa ny vokany dia eritreritra manenjika tsy hay handosirana (ity no fototry ny ranomason-toaka).

Misotro ny olona mba hahazo fahafahana kanefa vao maika tonga amin’ny fanandevozana.

Misotro ny olona mba ho vahaolana kanefa hita fa vao maika mitombo izany.

Misotro ny olona mba hahita fiainana kanefa dia vao mainka manasa ny fahafatesana.

N.B. Misionera anankiray atao hoe John Paton dia nasain’ny namany anankiray mpanankarena.Nandraraka Whisky kely tao amin’ny verany ny mpiasa an-tranon’ilay mpanankarena. Dia hoy ilay rangahy mpanankarena tamin’ny Misionery: Izaho dia efa ela  no nisotro satria  ny Dr mihitsy no nanome alalana ahy hisotro noho ny kohaka mahazo ahy. Dia hoy ilay Misionery: Firy taona hianao izay no nisotro azy ity? Valo taona hoy ilay rangahy. Ka efa sitrana ve ny kohakao? Mbola tsy mety sitrana hoy rangahy mpanankarena. Raha izaho no teo amin’ny toerana misy anao hoy ilay Misionery dia efa niova Dr aho.

Hoy ny fikambanana anankiray izay najoro mba hiady amin’ny fanaovana abus amin’ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina: Ny olana izay mianjady amin’ny mpisotro dia tsy afaky ny fisotroana akory, fa ny mifanohitra amin’izany aza no mitranga,  ary miseho amin’ny fiainana ny symptoms maneho ny voka-dratsin’izany:

Misy amin’izy ireo dia misotro mba ho mamo matetika fotsiny, ny ho mamo no mahafinaritra azy fa tsy misy antony hafa ankoatr’izaany.

Misy dia ny mandeha miasa ao anatin’ny fahamamoana no mahafinaritra azy.

 Misy indray tsy mahay mitondra Fiara hono raha tsy efa mamomamo.

Misy indray dia efa nahazo fampitandremana avy amin’ny Dokotera noho ny fisotroana lava kanefa dia voafatotra ka tsy afaka.

Ny mpisotro dia vao mainka mitombo ny olana rehefa mamo (manimba zavatra, mila ady).Manao zavatra izay manimba ny hafa koa ny olona  rehefa mamo.

Ny Dr malaza sady Churirgien malaza anankiray dia manindry fa poizina tena manokana ny alkola, ka tokony hoferana faran’izay entitra ny fampiasana azy,  tahaka ny lalàna rehetra mifehy ny fampiasana poizina.

Ambarany mazava fa tsy mahatonga fahazotoan-komana velively ny alkola, fa na dia kely fotsiny aza no sotroinao dia misy fiantraikany amin’ny vavony izany, ary izany fanadontoana ny vavony ataony izany dia maharitra fotoana lavalava ihany vao afaka. Rehefa miala izany tanjaka izay heverin’ny mpisotro fa azo avy amin’ ny zava-pisotro  izany dia midina  vetivety miala amin’ny ara-dalana ny fahafahana miasa malaky (mihadonto ny vatana).

         MAHATONGA NY OLONA TSY DIA HO SARON-KENATRA LOATRA NY ALKOLA.

Dr Lehibe Kanadiana irayatao hoe Mr William Osler dia niresaka momba ny Alkola indray andro. Tamin’izay dia nanontanian’ny mpianatra izy hoe: “Marina ve fa mahatonga ny olona iray hahavita asa tsaratsara kokoa ny fahamamoana?” Dia namely  I Mr Williama hoe: Tsia! Fa mahatonga azy tsy dia ho menatra loatra ihany na tsy dia hatahotra loatra  amin’ny asa

 

 

2.4.NY ALKOLA SY NY FAHAFATESANA.

Mahatratra 15 000 isa-taona ny olona maty sy mamono tena vokatry ny fisotroana zava-mahamo, 25 000 no maty vokatry ny accidents nateraky ny hamamoana, ka ny antsasany mahery amin’io dia lozam-piarakodia, ary mahatratra 25 000 koa no maty vokatr’izany. Mahatratra 40% n’io ny mpandeha tongotra maty vokatry ny fisotroana.

N.B. RAHA MISY OLONA MIHEVITRA FA ALEO MISOTRO MBA HANALANA NY SORISORY DIA TOKONY HO FANTANY FA NY SORISORY DIA MAHAY MILOMANO;

Rehefa tonga amin’ny kilasy de 2nd ny mpianatra dia 3 amin’ny 10 ihany no tsy misotro. Any Amerika tamin’ny taona 1980 dia nahatratra 500 000 ny olona maty vokatry ny hamamoan’ny mpamily.

3. NY ZAVA-MAHAMAMO ARAKA  NY SORATRA MASINA.

3.1.NY FIHAVIANY SY NY NAMPIASANA AZY

Nampiasa divay tamin’ny fiainana andavan’andro na ara-medikaly ireo jiosy olon’Andriamanitra. Ny divay sy ny toaka no zava-mahadomelina hita ao anatin’ny Baiboly, fa ireo zava-mahadomelina hafa dia vokatry ny fikarohan’ny olombelona  sy ny fandrosoan’ny siansa taty afara. Na dia izany aza anefa dia hita ao anatin’ny SM ihany ny loza afitsoky ny zava-mahadomelina na inona na inona karazany.

Voalohany dia nampiasaina tamin’ny resaka fahasalamana sy ny fitsaboana ny divay (Lio.10:34). Voaporofo ara-tsiansa izany ankehitriny fa afaka hanadiovana fery ny alkola amin’ireo karazany fanao fanafody toy ny methylique, propilque, amylique.

Ny divay dia nomena ireo izay mahatsiaro ho reraka sy osa (1 Sam.16:2, 1 Tim.5:23). Ity dia misy ifandraisany amin’ny fanomezan’ny Dokotera vitamine sy Calcium ho an’ny olona reraka na tsy salama.

Maro ireo mpidoroka no manafina ny kilemany amin’izay lazain’ny SM sy manamarina ny hadalany amin’izany toy ny hoe: Manjakà amin’ny zava-maniry sy ny hoe misotroa divay kely . Vokany dia maro no migoka sy mifoka ary tonga mpiloka.

Fanao teo amin’ny jiosy rehefa misy fety toy ny fampakaram-bady ny misotro divay (Jao.2:10). Na dia izany aza dia lazain’ny SM koa ny loza ateraky ny  toaka sy ny fihetsika mamoafady vokatr’izany. I Noa dia nanary lamba sy nitanjaka rehefa mamo (Gen.9:21). Lota dia nijangajanga tamin’ny zanany vavy anankiroa rehefa mamo,  ka nahabevohoka azy ireo izay nihavian’ny foko Moabita sy Amonita (Gen.19:30-38).

Mampitandrina I Paoly amin’ity fidorohana zava-mahamamo sy mahadomelina ity. Ny Mpiasam-Piangonana no itodihany voalohany dia ny Pastora sy ny Diakona (ireo mpiasa samihafa manampy ny Pastora toy ny Katekista, mpiandry, Mpampianatra Sekoly Alahady, Komitim-Piangonana sns…) 1 Tim.3:8, TiT.1:7.Tsy ny lehilahy ihany no raràna tsy hisotro toaka fa ny vehivavykoa (Tit.2:3). Hamafisin’I Paoly ao amin’ny 1 Kor.6:10 FA TSY HANDOVA VELIVELY NY FANJAKAN’ANDRI--AMANITRA NY MPIMAMO SY NY MPIDOROKA ZAVAMAHADOMELINA.

Noho izany, ny mino dia masina, nofidin’Andriamanitra ka natokany ho Azy ary tsy tokony hanendry zava-mahadomelina hanimba ny tempoly masina izay fitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra. Hoy ihany Paoly: “Aza ny hanina no handavanareo ny asan’Andriamanitra” (Rom.14:20). Ny fidorohana zavamahadomelina sy fisotroana zava-mahamamo dia sady fanimbana ny tena izay tempolin’Andriamanitra no tsy fanajana ilay Andriamanitra izay monina ao amin’ny tena koa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Noho izany dia tsy afaka hitazam-potsiny ny Fiangonana fa tsy maintsy mandray andraikitra.

Paoly Apostoly dia nihevitra ny tenany ho iraka solon’I Kristy. Ny iraka dia olona nomena fahefana hisolo tenany ny Mpanjaka. Amin’izany izy dia tsy miteny amin’ny anaran’ny tenany, fa amin’ny anaran’ilay naniraka azy, ka ny adidy sy ny andraikitra rehetra napetraka aminy dia midika fa tena matoky azy ny Mpanjaka.

Ambarany fa Andriamanitra dia efa nanome antsika ny fanompoana fampihavanana; ary izany no mahairaka solon’I Kristy antsika (2 Kor.5:18-20). Ambaran’I Paoly fa iraka solon’I Kristy ny tenany ary fantany fa rehefa mitory ny Filazantsara  sy ny fampanantenana entiny izy dia mandidy ny mpanota mba handray ny vokatry ny fampihavanana nataon’I Jesosy tao Kalvary. Manambara ny hafatry ny Filazantsara amin’izao tontolo izao izy.Ny sary momba ny mahairaka solon’I Kristy  (Ambassadeur) dia maneho ny lanjan’ny fahefana ananan’I Paoly), raha mbola mitoetra ho mahatoky amin’ny andraikitra izay napetraka aminy izy, ka tsy manala na manampy ny  teny izay nasaina hoteneniny.

Ny Dr anankiray atao hoe Playfair dia milaza hoe aretina ny Alkolisma. Sady mifanohitra amin’ny Siansa io hoy izy no mifanohitra amin’ny ara-pahasalamana koa, indrindra mifanohitra amin’ny Baiboly izay saro-bidy indrindra.

Hoy Paoly ao amin’ny Tit.1:11-13:” Tsy maintsy hotampenam-bava ireo izay mampivadika mpianankavy maro, fa mampianatra izay tsy mety mba ahazoany harena maloto. Hoy ny anankiray amin’ireny izay mpaminany teo aminy:” Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy,  kamo be tenda, . Marina izany vavolombelona izany, ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana”.

3.2.FAMARITANA NY ATAO HOE ALKOLISMA .

Ny atao hoe Alkolika Anonyme dia lamina iraisam-Pirenena natokana mba hikarakara ireo olona alkolika, izay hita nanomboka ny taona 1935 natsangana olona 2lahy mpisotro. Ny iray avy any New York antsoina hoe Broker ary ny iray Dr avy any Ohio. Nanangana programa misy dingana 12 izy ireo mba hitsaboana ireo mpidoroka efa tsy tambo isaina. Voafaoka ao anatin’izany ny principe psychologique izay efa nampiasaina hatry ny ela hitsaboana ny olona. Ity organization ity dia miasa amin’ny alalan’ny fikambanana locale izay tsy manana lalam-panorenana, manana tompon’andraikitra mazava. Ny olona rehetra izay manana olana vokatry ny fisotroana dia afaka miditra ho mambra. Any Amerika dia efa mahatratra 99 000 ny isan’ity fikambanana locale ity. Ny mpikambana maneran-tany dia efa mahatratra  2 000 000.Aretina ny alkolisma ary sarotra ny mi-controle azy. Tena olana lehibe maneran-tany ny alkolisma.Any Amerika dia anisan’ny zava-mahadomelina tena mahazo laka ny zava-pisotro mahamamo, ary ny alkolisma dia anisan’izay heverin’ny maro ho zavatra ara-dalana ka ampiasain’izay rehetra  mihevi-tena ho olo-mandroso (tsy olana ny manao abus aminy).Ny fiheverana ny alkolisma ary ny famaritana azy dia mandroso miova hatrany. Maro ny voambolana ampiasaina ary matetika dia mifanjevo ireo dikany samihafa izay omen’ny olona, noho ireo endrika samihafa isehoany sy ireo karazan’aretina samihafa azo avy aminy. Tamin’ny taona 1992, ny “National Council Alcoholism and Drug Dependence and the American Society of Addiction Medecine” dia namoaka famaritana mifanaraka amin’ny aretina fantatry ny rehetra ateraky ny alkola: Voalohany hoy izy, ny alkolisma dia mahatonga aretina Chronique amin’ny fananahana sy ny taranaka, misy fiantraikany koa amin’ny Psychosociale (toy ny adala ny fiheverana ny mamo na mammon ‘ny toaka io na rongony na zavatra hafa), ary ny tontolo iainana sy ny tontolo manodididna koa dia  miteraka ny fivelaran’izy ity sy ny fisehoany.Ny aretina  dia tsy mitsahamiombo ary mahafaty. Zavatra sarotra fehezina anefa izy io ka tsy azo atao hoe ahena tsikelikely ny fatran’ny sotroina, na ny lanjany na ny heriny. Sarotra ny miala aminy na dia fantatra aza fa andevoziny izao ny tena, na dia fantatra ny voka-dratsiny, ny fanovany ny rafi-pisainana izay mandrakariva tsy azo anarina ny olona mamo. Ireo Symptomes rehetra ireo dia miseho mandrakariva na isam-potoana.Ireo famaritana ireo no ilazana fa aretina ny alkolisma i.e mpanankorontana izay tsy inian’ny tena ny manao azy. Tsy hay arovana amin’ny loza momba ny fananahana intsony ny olona alkolika, ary tsy matanjaka intsony ny sainy ( tsy ara-dalàna) sady mihavery tadidy hatrany.

3.3.VOKA-DRATSIN’NY ALKOLA.

Tsy tambo isaina ny voka-dratsy ateraky ny fidorohana zava-mamahamamo sy mahadomelina na eo amin’ny tenan’ilay olona mivantana, na eo amin’ny ankohonany, na eoamin’ny fiaraha-monina na  eo amin’ny firenena.

Tsy miaina  ara-dalàna ny ankohonan’ny olona mpisotro toaka fa mitebiteby lava sady sorena, tsy mba mahatsiaro fahasambarana.

Eo amin’ny fiaraha-monina indray dia voalaza fa tia korontana sy lian’ady ny mpidoroka zava-mahadomelina. Ny toaka aza moa dia lazain’ny Ohabolana hoe :MPITABATABA  (20:1). Ny olona mamo mantsy dia tsy tompon’ny tenany intsony ary ailiky ny fiarahamonina.

Eo amin’ny Firenena dia hita fa tsy afaka miasa ara-dalana ny olona mamo lava, ary voatery miova toeram-piasana matetika satria voaroakan’ny mpampiasa azy.Noho izany dia mihena ny famokarana ka zary vesatra ho an’ny fiarahamonina sy ny Firenena ireny olona ireny.

Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana dia mahatonga  cancer amin’ny nono ny vokatry ny fisotroan-toaka.Misy fiantraikany amin’ny zaza ao ankibo ho an’ny vehivavy mitondra vohoka. Mahatonga “Effets Foetaux d’Alcolisation” (EFA) izay miteraka fikorontanana eo amin’ny fitomboan’ilay zaza. Misy koa ny atao hoe “Syndrome d’Alcolisation Foetale” (SAF), hita amin’ireo zaza vao teraka vokatry ny renim-pianankaviana tena midoroka toaka. Misy fiantraikany amin’ny ati-dohan’ny zaza ny Alkola ka manimba ny ho aviny. Maro ny aretina vokatry ny fidorohana toaka sy zava-mahadomelina satria ny tena iray manontolo no ianahany.

a)    NY FIANTRAIKANY ARA-BATANA.

Tonga voapoizin’ny alkola ny vatan’ny olona rehefa misotro izy. Ny olona alkolika dia tsy mahalala loatra ny signs vokatry ny alkola eo amin’ny fiainana sady tsy maha-controle izany loatra. Ny intoxication dia vokarin’ny alkola ao amin’ny vatan’ny olona rehefa mikoriana ao amin’ny rà izy, ary miasa mahatonga depression ao amin’ny “Centrale Nervous Systeme”. Ny Alkola dia mandeha mivantana any amin’ny lalan-drà.Ny haben’ny fitrohan’ny vatana ny Alkola dia miankina amin’ny herin’ny Alkola ao amin’ny kibo sy ny tsinay kely (small intestine). Io herin’ny Alkola io dia feran’ny fisian’ny atao hoe Alcohol dehydrogenase (karazana protein na biochimique vokarin’ny protein izay miasa ao amin’ny organan’ny zava-manan’aina).Ary satria ny vehivavy dia kely kokoa ny Alcohol dehydrogenase ao amin’ny tsinainy,  raha ampitahaina amin’ny an’ny lehilahy. Noho izany raha vao misotro alkola kely dia miseho ny vokany ety ivelany raha mahalany bebe kokoa ny lehilahy vao misy voka-dratsiny. Ny Alkola dia tsy natao ho tehirizin’ny vatana na avoaka ho kaka fa miala amin’ny fomba metabolika amin’ny fatra 0,25-0,33 OZ (7.1-9.4 grams) isan’ora arakaraky ny olona mamo. Io alkola io dia hita ao amin’ny lalan-drà ary ny signs d’intoxication  dia miseho rehefa betsaka noho ny avoakan’ny metabolism ny Alkola miditra amin’ny tsinay. Ny fatran’ny alkola zakan’ny rà dia 05%. Ny Alkola dia mampihena ny fiandrianan-tsaina,  mampihena ny fahitan’ny maso, mampihena ny herin-tsaina. Ny fatran’ny Alkola ao amin’ny vatana dia refesina amin’ny fofon’aina (Breathalyzer test, amin’ny rà, amin’ny pipy.

Ny fanaovana Abus amin’ny Alkola dia mampakatra nyolana ara-pahasalamana. Ny Alkola koa dia mampihena ny Hormone sexuel atao hoe TESTOSTERONE ho an’ny lehilahy, miteraka fahosana  sady miteraka carence samihafa na ho an’ny organs na ho an’ny vatana manontolomihitsy aza. Manana calorie matanjaka ny Alkola kanefa ambany dia ambany ny sakafo mahavelona ao anatiny.Ny olona tsy ampy sakafo dia vao mainka simba raha mihinana azy. Ny fikorontanan’ny toe-batana sy ny saina dia avy amin’ny alkola ary mety ho kahony hatramin’ny CIRRHOSIS. Aretim-bavony, aretin’ny fo, tsy fahafahan’ny vatana manohitra ny fery sy ny cancer (larynx, esophagi, liver) no fiantraikany.Ireo vehivavy bevohoka kanefa mpidoroka alkola dia mety hiafara amin’ny fahafahan-jaza satria ho tong any atao hoe FETAL ALCOHOL SYNDROME, i.e ireo famantarana samihafa sy Symptomes samihafa maneho ny aretina vokatry ny alkola ao amin’ny tranon-jaza ka miantraika amin’ny zaza ao ankibo. Hisy fiantraikany ara-batana io, amin’ny fitomboan’ny zaza ary amin’ny sainy.Ara-pahasalamana dia efa fantatra hatry ny el a ny voka-dratsin’ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina, indrindra ny fomba fanapoizinan’ny alkola ny atidoha, ny fiankinan-doha amin’ny alkola.Ny andraikitry nysela momba ny serasera no anisan’ny mahita faisana amin’ity alkola ity. Manjary tsy mitovy ny fahatsapana amin’ny tontolon’ny ati-doha satria misy faritra sasany voa mafy kokoa. Ambonin’izany dia maro koa ny fahavoazana eo amin’ny fandraisana sy fampitan-kafatra ao amin’ny Nervous Systeme. Simba avokoa ny mekanisma rehetra amin’ny vatana, ka maro ny fibre tsy mifandray intsony, ary samba koa ny fifandraisany amin’ny ati-doha, tsy misy intsony ny fitadidiana, mihena ny fahafahana mianatra, voakorontana ny mpamorona angovo ao amin’ny vatana, mivaralila ny lamina rehetra ao amin’ny vatana.

Tahaka ny zava-mahadomelina rehetra ny alkola ka mitaona ny vatana hiankina aminy, fa tsy afaka manao na inona na inona raha tsy mandray azy. Raha vao tsy mahita azy dia toa mievaeva izany ny vatana, marary ny loha, marary ny vavony, harerahana no hita,  tratry ny depression. Ny fialana tampoka amin’ny alkolisma chronique dia mahatonga fiantraikany ratsy samihafa koa toy ny fangovitana, fandoavana, fahatoratoranana (epilepsy), izay samy mety ahatonga fahafatesana noho ny fialana amin’ny zava-mahadomelina manomboka amin’ny tsy fahatsiarovan-tena ihany ohatra Anesthesie (narcotic drug:anesthesia). Ny henjana indrindra amin’ity fialana tampoka amin’ny  alkolisma ity dia ny atao hoe Delirium tremens dia ny fanapoizinany ny saina ka mahatonga tsy fahitan-tory (Insomnia), fivezivezen’ny saina any amin’ny tontolo hafa any (hallucination),  palpitation vokatry ny fahataitaran’ny fo, ary fitondran-tena fantatra hoe mpidoroka na mpimamo (maniacal beheavior)=mania:madness:adala.

a) FIANTRAIKANY ARA-PANAHY.

Manimba ny Tempolin’Andriamanitra ireo satria na ny vatana  na ny saina amam-panahy dia ravàny avokoa. Na ny TT n any TV dia samy milaza hoe: Tiava an’YHWH Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra (Deot.6:5) ary Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Lev.19:18, Lio.10:27). Ny olona mpisotro dia tsy tia an’Andriamanitra Mpahary satria ny azy dia ny kibony no andriamaniny. Tokony hokarakaraina ny vatana izay nomen’Andriamanitra fa tsy simbaina sy lotoina amin’ny zava-mahadomelina.Ny fikarakarana ny tena dia midika ho fankasitrahana ny mpanome. Na toy inona na toy inona fijerin’ny olona ny tenany, Andriamanitra kosa dia mahita fa tsara indrindra ny zavatra nataony (Gen.1:13). Izany no nahatonga an’I Davida hiteny hoe:”FA HIANAO NO NAHARY NY VOAKO, NAMOLAVOLA  AHY TAO ANKIBON-DRENIKO. HIDERA ANAO AHO FA MAHATAHOTRA SY MAHATALANJONA NY NANAOVANAO AHY.MAHAGAGA NY ASANAO ARY FANTATRY NY FANAHIKO MARIMARINA IZANY” (Sal.139:13-14).

Manimba ny tenany dia ilay tempolin’Andriamanitra ary ny Kristiana mpidoroka zava-mahadomelina na mahamamo. Ny mino dia ny Fanahy Masina no mampiteny azy fa tsy ny toaka (Asa 2:14-21) na zavatra hafa. NY MPISOTRO TOAKA DIA MANDROAKA NY FANAHY MASINA HIALA TAO ANATINY. Jesosy anefa dia efa niteny fa izay miteny ratsy ny Zanaka dia mbola hahazo famelan-keloka ihany, fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay (Mar.3:29, Lio.12:10). ,Hoy Paoly: “Fa Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenanareo”  sy ny hoe “NY FANAHY MASINA MASINA IZAY AO ANATINAREO” (1 Kor.3:16, 6:19),. Hoy koa I Paoly: “Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina ho an’Andriamanitra” (Rom.12:1). Fanatitra masina ve ny vatana mamo lava na mpisotro toaka entina hatao fanatitra ho an’Andriamanitra eny amin’ny Alitara. Ampitahao amin’ny hoe: Hanao fiarahabana tratry ny taona ny ray aman-dreninao hianao dia hena maimbo no entinao ho azy.

Tsy tanteraka ny fahamasinana raha tsy ao ny asan’ny Fanahy Masina izay manamasina ny olona. Saro-bidy amin’Andriamanitra ny tenan’ny mino, ary amin’ny maha tempolin’ny Fanahy Masina azy,  dia misakana ny fifandraisana tsy mety rehetra ifanaovana amin’ny jentilisa izy. Tsy marimaritra iraisana mantsy na fiarahamonina ny Filazantsara fa miditra ao amin’ny fiarahamonina kosa, ka manova ny fiarahamonina hifaraka amin’ny Filazantsara, fa tsy manery ny Filazantsara hanao marimaritra hiraisana amin’ny fomban’ny fiarahamonina jentilisa.

Izany no nahatonga an’I Paoly hiteny hoe: “ Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana?Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’I Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino amin’ny tsy mino?Inona no ikambanan’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no Tempolin’Andria-manitra velona, arak’izay nataon’Andriamanitra hoe: Honina ao aminy Aho sy handeha eo aminy, ary ho Andriamaniny Aho ary izy ho oloko (2 Kor.6:14-16 cf Lav.26:11-12), sampy ho an’ireo manompo  azy mantsy ny zava-mahadomelina. Io no tompoiny ka manandevo azy ary mamatotra sy mangeja ny fiainany. Mampiara-dia an’I JESOSY SY SATANA  na mampihavana an’I JESOSY SY SATANA  na MAMPIRAY TRANO AN’I JESOSY SY SATANA ny fampiarahana ny finoana Kristiana amin’ny fisotroan-toaka na fidorohana zava-mahadomelina. Izany no tian’I Paoly hambara amin’izao fampianarana izao izao , ka hilazany fa zavatra tsy misy hifandraisany tahaka ny Atsimo sy Avaratra izany.

 Amin’I Paoly ary ireo fomba sy fanao jentilisa ireo dia tsy misy ifandraisany velively amin’ny finoana sy ny fomba Kristiana ary tsy hoe tsy misy ifandraisany fotsiny ireo fa mpifahavalo mihitsy.

Misy ireo milaza fa misy ny lafiny mahatsara ny zava-pisotro misy alkola, kanefa ny Soratra Masina dia milaza hoe:”Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara” (Isaia 5:209), “Aza mamono ny fanahy”. Fantaro ny zavatra rehetra hazony mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra” (1 Tes.5:19-22). Hoy Paoly: “Aza ho mamon-divay hianareo fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka ho feno ny Fanahy” (Efes.5:18). Ny dikan’izany dia tsy mipetraka amin’ny olona mpidoroka mihitsy ny Fanahy Masina.

Maro no mihevitra fa Adiaphora ny fidorohana zava-mahamamo sy ny fifoka mahadomelina.Araka ny hita tamin’ny famaritana anefa dia mambabo ny mahaolona manontolo saina, tena, fanahy ny fidorohana, ka tonga manandevo ilay olona. Tsy marina ny filazana hoe mahalala onona amin’ny fidorohana azy ireny. Arak’izany dia tena fahotana ny fidorohana zava-mahadomelina. Manamafy izany ny zavatra fahita amin’ny mpanao azy, satria ohatra ny fitroan-toaka no miteraka fijangajangana, ady, fitenen-dratsy, korontana, filokana, fangalarana sns…Sady tsy tia ny tenany no tsy tia ny hafa ny mpidoroka. Fahatafintohinana ho an’ny mino ka mety hampihemotra azy ny mahita ny tompon’andraikitra ara-Piangonana misotro na midoroka, na manao ireo fomba jentilisa samihafa ireo.

Hoy I Paoly: “Na mihinana na misotro hianareo dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra”, “Aza manao izay hahatafintohina ny jiosy na ny jentilisa na ny Fiangonan’Andriamanitra” (1 Kor.10:31-32).   

3.4.AMBARAN’NY BAIBOLY FA FAHOTANA NY FIDOROHANA ZAVA-MAHAMAMO SY FIFOKA MAHADOMELINA.

 INONA ARY NO LOZA MITATAO HO AN’NY AMPITSO RAHA LAZAINA FA ARETINA NY ALKOLISMA.

Ny fahamamoana dia aretina        satria mahonena ny olona tratrany, ary mijaly noho ny  harerahana sy ny fahalemena ary ny fahaverezan’ny zo mahaolona. Na dia miasa  izy dia ao ihanyny fahoriana  satyria reraka toe-tsaina  voasazy, ka te hiteny ny mpitazanahoe: “Hey, jereo, andeha isika hikiakiaka ny amin’ireto olona ireto izay hita fa mila fanampiana sy fiantrana.Tena misavoritaka ity olona ity satria tonga tahaka ny olona adala izy. Tsy fahambaniantsaina ihany ny Alkolisma fa tena loza mitatao mihitsy satria aretina.Andriamanitra mihitsy no milaza fa fahotana izany.Mitazona antsika Izy mba hanana fitondran-tena mihaja manoloana ny fampiasana ny alkola.Miantso antsika Izy mba hampihena ny fihanak’ity areti-mandoza ity,  sady miantso antsika tsy haka tahaka ny fomban’ireo mpdoroka sy mpimamo ireo.Manambara koa Andriamanitra fa manana safidy isika amin’ny toe-tsaina tiantsika hanana ka tsy tokony hanameloka fahatany ny manodidina antsika na hanome tsiny na iza na iza momba ity olana fa mandraisa andraikitra.

         Arakan’ny Baiboly dia  misy ve izay tsy mahamety na maharatsy ny hypnosis mba hanampy ny hafa hiala amin’ny sigara

3.6.ARETINA IHANY KOA VE  NY ALKOLA?      

1.Ity ihany no aretina izay manao asa mifanohitra amin’ny sitrapon’ilay olona.

         2.Ity ihany no aretina izay itakiana licence ny fanaparitahana azy.

         3. Ity ihany no aretina izay atao amin’ny tavoahangy ka amidy.

         4.Ity ihany no aretina izay anomezana authorization ny fanapariahana azy.

         5.Ity ihany no aretina izay mamokatra REVENUE ho an’ny fitondram-panjakana.

         6.Ity ihany no aretina izay miteraka crime.

         7. Ity ihany no aretina izay mahatonga fahazaran-dratsy.

         8.Ity ihany no aretina izay aparitaka kanefa asiana fampitandremana (ex; ABUS DANGEREUX POUR  LA SANTE).

         9.Ity ihany no aretina tsy misymicrobe na virus mitondra azy, ary tsy mba misy fanitsiana avy amin’ny mpiandraikitra fahasalamana ny fiainana aminy fa izy aza misotro.

         10.Ity ihany no aretina izay manakana ny olona azony tsy hiditra any an-danitra.

N.B.Ireo Eropeana tonga voalohany tany Amerika  no nanome toaka ny Indiana. Ny Indiana indray no nanome paraky ny fotsy hoditra raha karazana fanafody ihany no nampiasany an’io taloha. Notrandrahan’ny Indiana  ny fanaovana toaka mahery (strong liquor) rehefa nihamaro no tratry ny fikorontanan-tsaina tany aminy tamin’ity vanim-potoana ity. Ny fotsy hoditra kosa dia nitrandraka ny famokarana paraky sy nanao industrie matanjaka hanodinana izany izay mampirongatra ihany koa ny fahavoazan’ny Cancer ireo mpihinana azy, izay aretina tsy fantatry ny Indiana akory, ary an’arivony maro ny fotsy hoditra mpifoka tratran’ity aretina ity.

         MANDAVO NY TOAKA NA DIA NY NGEZALAHY INDRINDRA AZA.ALEXANDRE LE GRAND  dia mpanapaka an’I Makedonia raha vao 16 taona monja, Jenearly nahazo fandresena maro raha vao 18 taona, ary tonga mpanjaka raha vao 20 taona, kanefa dia maty vokatry ny hamamoana talohan’ny faha 33 taonany.

 Toy izao ny tantara:

         Indray alina tany Babylona dia nahazo fanasana miaraka tamin’n’olona 20 Alexandre le Grand. Dia nisotro tamin’ny fiheverana hoe hitondra fahasalamana ho an’ny mpiray latabatra taminy (io no fiteny rehefa misotro ka hasandratra ny vera amin’ny fanombohan’ny fisotroana). Rehefa lany iny voalohany iny, dia nangataka izy mba hahazo mampiasa ny veran’I Hercules izay tena lehibe. Nofenoiny io, ary nosotroiny manontolo ho an’I Proteas, ilay Makedoniana niara-dia taminy. Avy eo izy dia nangataka mba hofenoina indray mandeha ilay vera makadiry ka rehefa lany izany dia nianjera teo amin’ny gorodona niaraka tamin’izay izy ary maty tsy ela taorian’izany. 

4.FITSABOANA NY OLONA ALKOLISMA.

4.1. FITSABOANA ARA-PANAHY.

Miankina amin’ny fahitana ny halalin’ny aretina sy ny fandrosoany ny fitsaboana azy.Tokony hanomboka amin’ny fitaizam-panahy ny fitsaboana sy ny fanentanana ny olona hifady ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina, ary matetika izany dia ampiarahina amiun’ny fitsaboana medikaly mba ho tratra vetivety ny fahazarana hifady na farafahakeliny hihena miandalana ny fidorohana. Manoloana ireo Symptomes samihafa vokatry ny fialana tampoka dia mila omena antianxiety atao hoe BENZODIAZEPINES ny marary. Ny fitsaboana manaraka dia miankina amin’ny fivoaran’ny fahasalaman’ny marary koa. Ny programa arahina dia izay mahatonga tontolo  iainana izay ahafahan’ny marary hahay handrafitra tondrozotram-piainana vaovao sy ady hitombo amin’ny fahazarana tsara vaovao. Koa satria ny alkolisma dia aretina miseho amin’ny fotoana rehetra  sady chronique, noho izany ny programa momba ny ady sy ny fitsaboana izany koa dia tokony hitohy amin’ny alalan’ireo fikambanan efa nijoro hiandraikitra izany toy ny ALCOHOLICS ANONYMOUS.

And;18.ARY AOKA TSY HO MAMON-DIVAY HIANAREO;

Ny fitadiavana ny tsirony no tiana holazaina amin’izany. Ny mino marina dia tokony hahafehy izany. Ny olona tena ao amin’I Kristy dia tsy hovoasintona hisotro divay (tsy ny divay no hamoha ny sainy fa ny Fanahy Masina). Izany no nahatonga an’I Paoly hiteny hoe : “Fa aoka hofenoina ny Fanahy hianareo”.

Hoy Paoly: Ao amin’nyfahamamoana dia tsy misy afatsy fanoherana, fijangajangana, ady lahy sy izay rehetra mitondra mankany amin’ny fandravana. Lalana mankany amin’ny famotehana ny fiainana ny alkolisma.Ampitahao amin’ny Tit.1:7 (fa ny Mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manantsiny, satria mpitandrina izay an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto) 1 Pet.4:3 ( fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra).Ny olona izay milaza ny  tenany fa voky divay dia tsy hafa fa andevoziny tanteraka.  Azo lazaina kosa fa feno ny Fanahy Masina ny olona raha mahafehy tsara ny fisainany, ny fihetserham-pony, ny teny maro izay ataony, ary ny asany.Mifanaraka tsara amin’ny Soratra Masina izany resaka izany. Ny Tompo dia natao hoe: Feno ny Fanahy Masina (Lio.4:1, Stefana koa dia natao hoe Feno ny finoana sy ny Fanahy Masina( Asa 6:5) toy izany koa Barnabasy Asa 11:24 sns. Ho an’ny Kristiana, ny loharanon’ny tanjaka sy ny  fifaliana ary ny fahasambarana dia tsy ny divay, fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra be famindrampo. Ny fahamamoana dia tsy miteraka afatsy korontana sy fijangajangana, fa ny Fanahy Masina kosa dia mamokatra fifaliana arak’izay lazain’ny Salamo sy ny hira aryny tonon-kiram-panahy

4.2.TOLO-KEVITRA AVY AMIN’OLONA

TSY MILAZA ANARANA:

         Raha tehisotro hianao dia izao no torohevitra omena anao: Raha lehilahy manam-bady hianao kanefa tsy maintsy hisotro Whisky, dia manomboha ao amin’ny Salon ao an-tranonao. Ataovy fahazarana izany dia tsy voatery handoa licence hianao amin’izay. Omeo vola $20 ny vadinao hividianany Whisky iray gallon fa mahatratra 69 vera ny ¼ amin’io, vidio amin’ny vadinao ny zava-pisotronao amin’ny fotoana rehetra tianao hisotroana ka 50 cent  isaky ny misotreo.

         Rehefa lany ny gallon voalohany dia efa manana $120 hotehirizina any amin’ny Banky ny vadinao ary manana $20 indray hanombohana Business. Raha mbola velona hianao anatin’ny roa taona, dia tohizo ny fividianana ny Whisky nao amin’ny vadinao, ary avy eo hianao dia ho faty miaraka amin’ny menarana eo amin’ny kiraronao. Amin’izay ny vadinao dia hanam-bola handevenana anao rehefa maty hianao, sy hamelomana ny zanakao, ary afaka hanam-bady lehilahy hafa indra,y ka hanadino anao  tanteraka.

4.3.FAMPISAINANA MOMBA NY ALKOLA.

Ny fampiasana diso nyzava-pisotro misy alkola dia miteraka fahoriana tsy hay lazaina nandritra ny tantaran’olombelona. Ny tetika nampiasain’I Absaloma hamonoana an’I Amona dia nobobohany zava-pisotro mahamamo (2 Sam.13:28) ary maro ny tantara mampalahelo nateraky ny zava-pisotro mahamamo. Ambaran’ny Baiboly  betsaka ny fahoriana nateraky ny fanaovana hadalana tamin’ny fibobohana zava-mahamamo.

-Amona (2 Sam.13:28-29) zanaka lahimatoan’I Davida dia maty novonoin’I Absaloma rahalahiny rehefa mamo.

-Ahasoerosy (Estera 1:10) mpanjakan’I Persia dia nibaiko ny mpanjakavavy Vasthi mba haneho ny tenany (hiboridana) rehefa mamo izy tamin’ny fanasan’ny mpanjaka. Raha nandà izany Vasthi dia voaroaka.

-Elah (1 Mpanj.16:9) mpanjaka fahefatra teo amin’Isiraely dia novonoina rehefa mamo.

-Lota (Gen.19:32-33),  dia nampirehitra ny afo izay nandoro ny tanan’I Sodoma, rehefa mamo izy dia nofitahin’ny zananivavy mba hanao firaisana taminy rehefa mamo (incest=firaisana amin’ny zanaka).

-Nadaba sy Abiho (Lev.10:1,9)  dia mety mamo raha nanao fanatitra tsy ara-dritoaly (zavatra maloto) tamin’ny Tompo, ka rehefa avy eo dia noraràn’ny Tompo ny Mpisorona tsy hahazo misotro intsony manoloana ny asany.

Ny fampiasana diso ny zava-boaharin’Andriamanitra dia fahotana, ary ny fampiasana diso ny alkola dia miteraka olana tena sarotra ho an’ny fiaraha-monina, ara-moraly, ary ara-panahy.

         Mampahatsiaro antsika ny Bokin’ny ohabolana ireo loza mahatsiravina  mahazo ny olona vokatry ny fanaovana hadana tamin’ny fisotroan-toaka, ary mananatra antsika mafy amin’ny fampiasana diso ny Alkola (Ohab.23:29-35). Rehefa miparitaka etsy sy ero ny Alkola dia tsy tambo isaina koa ny heloka bevava mitranga etsy sy ero, anatin’izany ny Accidents maro vokatry hamamoan’ny Mpamily, olana amin’ny Fiarahamonina sy ny Firenena.

NY OLONA MATIN’NY Alkola dia betsaka lavitra noho izay maty tamin’ny ady rehetra nisy teo amin’ny tantara.General Pershing.

Ny fisotroana dia Cancer mikiky ny fiarahamonina satria mihinana ny ainy iray manontolo ary mandrahona ho amin’ny fandravana tanteraka. Abraham Lincoln

Ny Mpisotro dia mi-disqualifier-ny tenany raha ny fandrosoana no heverina. President Taft

 Aleoko manao stockage ho an’ny helo toy izay manao stockage ho an’ny mpimamo sy ny mpidoroka.Ny Helo dia mandray ireo fadiranovana rehefa avy nanaram-po tamin’ny hadalany izy. Ny mpimamo kosa dia tsy manantsiny nefa terena fotsiny ho mpijangajanga sy mpamono olona (satria tsy sitrapony izany fa sitrapon’ny toaka), kanefa izany no manomana azy ho any amin’ny helo. JAMES R.STUART.

 Izao no fomba fijeriko, noho ny fandravana mahatsiravina ateraky ny  Alkolisma izay hita any Amerika, dia tsara ho an’ny Kristiana raha tena mifady 100% ny alkola, afatsy noho ny fikendrena ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny consultation omen’ny Dr ihany.

Jereo koa ny momba ny Sigara ao amin’ny Isaia. 5:22, Lio.17:27,21-34, Rom.13:13, 1 Kor.6:10 (ao koa ny sakafo sy ny fisotro).

“Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny filalovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana,na amin’ny fialonana” (Rom.13:13).

         Rehefa asain’olona hisotro hianao dia aza manao hoe:”AZAFADY” (No need to say sorry). Nisy olona anankiray nanao olona toy izao:Vao 16 taona dia nanapa-kevitra fa tsy hisotro intsony, kanefa dia sarotra taminy ny niala tamin’ny faneren’ny olona hisotro. Nisisika ihany ireo sady nanery azy,  ary ny sasany dia sady nanao teny mahery no romotra mafy rehefa niteny ity tanora ity hoe: “AZAFADY TOMPOKO FA EFA MANANA JUS D’ORANGE AHO”.

Inona no fomba tsara indrindra hanaovana ny fandavana: Tsy ilaina ny miteny hoe miala tsiny na azafady satria raha vao manao Apologie hianao dia mitaona azy handresy lahatra anao. Ny valin-teny omena azy dia izao: MISAOTRA INDRINDRA FA TSY MISOTRO AFATSY RANO MADIO AHO! Raha hianao no afaka mampangina ny olona mihevitena ho maranitra ka mirehareha sy manambony tena, ka mifaly sy mahatsiaro ho manana fanomezam-pahasoavana hijoro fa tsy mandefitra eo amin’ny toerana misy anao, dia hianao no ilay olona mahafinaritra indrindra, satria manana hazon-damosina. Maine Civic League Record

         AMBARAN’NY BAIBOLY FA FAHOTANA NY FIDOROHANA ZAVA-MAHAMAMO SY FIFOKA MAHADOMELINA. INONA ARY NO LOZA MITATAO HO AN’NY AMPITSO RAHA LAZAINA FA ARETINA NY ALKOLISMA.

Ny fahamamoana dia aretina        izay mahonena ny olona tratrany izay mijaly noho ny  harerahana sy ny fahalemena ary ny fahaverezan’ny zo mahaolona.Izay rehetra miasa ao amin’ny fahoriana izay reraky toe-tsaina  voasazy, ka hoy izy ireo: “Hey, jereo, andeha isika hikiakiaka ny amin’ireto olona ireto, izay hita fa mila fanampiana sy fiantrana.Tena misavoritaka ity olona ity satria tonga tahaka ny olona adala izy. Tsy fahambaniantsaina ihany ny Alkolismafa tena loza mitatao mihitsy satria aretina. Andriamanitra mihitsy no milaza fa fahotana izany.Mitazona antsika Izy mba hanana fitondran-tena mihaja manoloana ny fampiasana ny alkola. Miantso antsika Izy mba hampihena ny fihanak’ity areti-mandoza ity sady miantso antsika tsy haka tahaka ny fomban’ireo mpidoroka sy mpimamo ireo.Manambara koa Andriamanitra fa manana safidy isika amin’ny toe-tsaina tiantsika hanana ka tsy tokony hanameloka fahatany ny manodididna antsika na hanome tsiny na iza na iza momba ity olana.

         Arakan’ny Baiboly misy ve  izay tsy mahamety ny maharatsy ny hypnosis mba hanampy ny hafa hiala amin’ny sigara .

4.4.NY OLONA ANDEVOZIN’NY ALKOLA DIA

IRETO NO FIAINANY ARAKA NY OHABOLANA:

Mampahatsiaro antsika ny Bokin’ny ohabolana ireo loza mahatsiravina  mahazo ny olona, vokatry ny fanaovana hadana tamin’ny fisotroan-toaka ary mananatra antsika mafy amin’ny fampiasana diso ny Alkola (Ohab.23:29-35). Rehefa miparitaka etsy sy ero ny Alkola dia tsy tambo isaina koa ny heloka bevava mitranga etsy sy ero, anatin’izany ny Accidents maro vokatry hamamoan’ny Mpamily, olana amin’ny amin’ny fiarahamonina.

         -Loza, alahelo, fifandirana, fitolokoana, ratra, maso mivoaramena (23:29).

         -Mandany ny androny fotsiny amin’ny fitadiavana toaka hosotroina, ary dia variana amin’izany rehefa mahita (23:30).

         -Ny fiainany dia mahatsikaiky amin’ny fiderana sy fanomezam-boninahitra ny fisotroana (23:31).

         Manaikitra toy ny menarana izy rehefa mamo (23:32), tsy hita izay hanaovana azy fa toy ny miaramonina amin’ny biby.

         Manjary molamola amina vehivavy izy sady miteniteny foana (23:33).

         Tonga toy ny olona tsy misy saina izy ary toy ny olona adala  (23:34-35).

         Ny olona izay miara-monina amin’ny olona tahaka izany dia mahalala tsara ny fandravana entin’ny Alkola, tsy amin’ny olona iray na amin’ny faritra iray ihany, fa amin’ny olona rehetra eran’izao tontolo izao.Izany no mahatonga ny Baiboly manome antsika ohatra tena lozabe, ary mampitandrina fatratra sy manome fanitsiana faran’izay matanjaka momba ny Alkola arak’izao manaraka izao:

         Teo amin’Isiraely taloha dia tsy maintsy nanao voady ny hifady tanteraka ny olona iray nanana andraikitra manokana toy ny Mpisorona (Lev.10:9). Anisan’ny voadin’ny Nazirita ny fifadiana (Nom.6:3).

         Ny Mpanapaka dia nitandrina mba tsy hisotro, fa raha nanao izany izy dia nampivily ny fahamarinana sady nanadino ny fomban’Andriamanitra izy (Ohab.31:4-5).

         Isaia dia manindry fa anisan’izay nahatonga ny famaboana an’Isiraely ny fibobohana zava-mahamamo (Isaia 5:11-12)

 “LOZAN’IZAY MIFOHA MARAINA KOA KA MITADY TOAKA.IZAY MIBOBOKA MANDRA-PAHARIVAN’NY ANDRO, KA AMPIREHETIN’NY DIVAY.Ary NY LOKANGA SY NY VALIHA, NY APONGATAPAKA SY NY SODINA ARY NY DIVAY NO FOTO-PANASANY.FA NY ASAN’YHWH TSY MBA  JERENY ARY NY ATAON’NY TANANY TSY HITANY”

 Vokatr’izany dia Mpisorona sy Mpaminany maro no matetika mamo ka tsy mahatanteraka ny andraikitra izay napetrak’Andriamanitra taminy (Isaia 28:7-8).

         Kilasin’I Paoly ho  isan’ny fahotana sy asan’ny maizina ny fahamamoana, filalaovan-dratsy, fijangajangana, fijejojejoena, fifandirana, fialonana, manompo sampy , manaratsy namana, mpanao an-keriny ( Rom.13:12-13, 1 Kor.5:11). Anarin’I Paoly ny mino tsy hiombon’asa amin’ny olona mitondra tena toy izany. Lazain’I Paoly koa fa mandavo ny tanora ny fibobohana zava-mahamamo, ary manimba  ny malemy finoana ny mahita ny Kristiana manao izany(Rom.14:19-21)

         Petera ihany koa dia manindry ny tenin’I Paoly fa fahotana ny fibobohana zava-mahamamo ary fitondran-tena jentilisa, sady manimba ny fahasalamana no manimba ny toe-tsaina ihany koa (1 Pet.4:3-4)

5.Inona ary no azon’ny Fiangonana lazaina manoloana izany?

5.1.ARAKA IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY.

Ndeha hifototra amin’ny Baiboly sy ny foto-kevitra ara-tsoratra Masina isika hanohanana izany lohateny izany. Ao amin’ny Efesiana 4 I Paoly dia miresaka mahitsy momba ny olana eo amin’ny fiovana.

Arak’izay hitantsika hatraiza hatraiza, dia resahin’I Paoly ny filantsika mandeha amin’ny asam-pifandraisana vaovao amin’ny samy Kristiana, satria tena zava-dehibe ny fiombonana. Izany anefa dia mitaky fiovana eo amin’ny fiainana. Tsy mampahery fotsiny Paoly amin’izany, fa maneho koa ny vokatr’izany fiovana izany.Manamarina izany ny tenin’I Paoly hoe: Izany no efa nambarako taloha , ary mbola hamafisiko miaraka amin’ny Tompo, fa tsy tokony handeha araka ny fomba jentilisa na oviana na oviana hianareo.

 Sady teny matanjaka izany no baiko mahery vaika izay ataony ho an’ny mpamaky.Ny teny hoe: “ ary hamafisiko miaraka amin’ny Tompo” dia manindry mafy fa ilaintsika izany.Enjanina sady hamafisina ary haseho fa tsy tokony hisy fanontaniana mihitsy momba izany ho ekena sa tsia. Ny fampaherezana dia ny fiovana: “Aza mandeha tahaka ny fanaon’ny jentilisa intsony”, i.e izay nandehananareo taloha raha mbola jentilisa hianareo (tsy mino), satria ankehitriny dia efa tonga Kristiana hianareo, noho izany ny fandehanareo ( ny fomba fanaovanareo ny asanareo isan’andro, ny fomba fiainanareo) dia tsy maintsy miova”. Fiovana feno sy tanteraka no takian’I Paoly, fiovan’ny mahaolona manontolo. Andriamanitra dia manantena ny zanany hiova, ary raha izany dia azo antoka fa hisy ny fiovana, ka Izy izay manome baiko no hanome koa ny lalana sy ny fomba ahatrarana izany. Ao amin’ny andininy 17-21 dia faritan’I Paoly ny atao hoe fiainana jentilisa dia fiainana tsy mijery afatsy ny tena ihany. Lazain’I Paoly fa olona tsy mahalala henatra intsony izy ireo, ka nanolotra ny tenany ho amin’ny fijejojejoana, manao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana (filibana amin’ny zava-betaveta) and.19. Ao amin’ny and.22 fitondran-tena mihasimba satria arakan’ny filan’ny fitaka.Mariho tsara fa ny fiovana resahantsika eto dia mivantana amin’ny fomba fiainana isan’andro, fa tsy hoe amin’ny asa sasany eo amin’ny fiainana ihany. Hoy Paoly amin’ny and.17 hoe “mandehana”, milaza ny zavatra iainana mihitsy izany izay hitondran’ny olona ny tenany. Izay kendrena amin’ny fiovana dia ny ho tonga olom-baovao, indrindra ny fanavaozana ny saina araka ny and.24.

Ao amin’ny and.23 dia tsindriana ny fahamarinana  ary ny fahamasinana ao and.24.Izany fiovana izany, hoy izy,  dia mivoaka avy amin’ny fahamarinana. Izany dia fiovana amin’ny mahaolona manontolo. Izany fiovana amin’ny fomba fiainana izany dia mitovy amin’ny fiainan’I Kristy, ka amin’izany dia vakiana eo amin’ny fianana Kristiana ny maha zanak’Andriamanitr azy. Esory ny Adama ela hoy Paoly, i.e ny fomba fiainana taloha, ary anaovy ny Adama vaovao, i.e ny fomba fiainana vaovao dia ny fiainana Kristiana.

         Ndeha ary apetrakantsika ny fanontanina hoe: Rahoviana ny mpandainga no tsy atao hoe mpandainga intsony?

         Valiny: Rehefa miova ho zavatra hafa izy.

Tsara izany, kanefa rahoviana koa? Rehefa tsy mandainga intsony izy dia manomboka manao inona indray? Izany no fomba fametrahana fanontaniana tsy maintsy ananan’ny mpitaiza ara-panahy sy valin-teny tsy maintsy tadiaviny. Ahoana hoy Paoly ao amin’ny and. 25? Ary noho izany, esory ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra,  fa samy isan’ny tenan’ny namantsika avokoa isika rehetra.

5.2.FIFADIANA NY ALKOLA  ARAKA NY SM.

Amin’ny fomba maro samihafa no anehoan’ny SM ny fisotroana alkola. Amin’ny lafiny iray dia ambara ho herin’ny ratsy ny alkola (Ohab.20:1, Isaia 5:11,22) :Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka. Koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy Hendry.Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka. Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro, ka ampirehetin’ny divay.Ireo mpisotro divay be loatra dia mitondra ny tenany mankany amin’ny fahantrana (Ohab.21:17). Paoly dia mandrara ny Kristiana tsy ho mamon-divay (Efes.5:18) ary mampianatra fa ny Kristiana dia tsy maintsy mametra ny divay sotroiny, indrindra ny mpitarika (1 Tim.3:3,8). Amin’ny lafiny ilany indray, ny fampiasana alkola dia tsy fampianarana avy amin’ny SM mihitsy.Jesosy dia maneho ny fahamarinana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampiasana divay ho ohatra raisina amin’ny fampianarana (Jao.2:1-11; Marki.2:22, Mat.26:27-29), ary faritany ho manana lanja amin’ny fahasalamana ny divay sy fahafahana hanome hery ny vatana. Isaia koa dia mampiasa ny divay ho Symbolin’ny fitahiana ara-panahy (Isaia 55:1-2). Ny Ref. Momba ny divay ao amin’ny SM dia manazava izany, fa anisan’ny sakafo fihinana mahazatra nydivay (Gen.14:18 (Melkizedeka Mpanjakan’I Salema dia nivoaka nitondra mofo sy divay); 1 Sam.16:20). Tsy misy evidence mihitsy ao amin’ny Baiboly manamarina fa divay tsy fermenté no nampiasaina fa Jus tsotra fotsiny. Ambonin’izany, raha Jus no tiana hambara dia tsy natao hoe divay (Gen.40:11).

         Ny Kristiana dia tehanindry amin’ny ankapobeny fa  ny fampiasana amin’ny antonony no tiana holazaina rala alkola no resaka. Raha ohatra ny Baiboly ka tsy mitaky ny fifadiana tanteraka,  dia tokony hanaiky ny Kristiana, fa tsy misy antony mihitsy hilazana, fa ara-drariny ny fidorohana zava-mahamamo eo amin’ny fiainana Kristiana, ary voalaza mazava ao amin’ny fiangonana ny resaka momba ny fidorohana sy fimamoana. Ny toe-tsaina momba ny fiatrehana ny alkola dia samihafa arakaraky ny tantara amin’ny Fiangonana Amerikana. Ny Puritana dia milaza fa ny zava-pisotro mahamamo dia zava-boahary nataon’Andriamanitra hampifaly ny olona rehefa mamokatra ny tany. Any Angletera dia anisan’ny fandraisana vahiny mihaja ny Rhum. Na dia izany aza tamin’ny taona 1784 ny Dr Benjamin Rush dia nananatra, fa ny toaka dia loza manontanona ho an’ny fahasalamana. Tamin’ny taon-jato faha 19, ny Fiangonana Evangelika Amerikana, vokatry ny herin’ny rivotry ny Fifohazana  sy ny fampianarana momba ny fahatanterahana dia niteraka Reforma sociale izan,  ka nahatonga ny fivoizana ny hoe tsy fifadiana ihany no ilaina fa  FIFADIANA TANTERAKA MIHITSY. Nanomboka tamin’ny taona 1840  ny mambra rehetra tamin’ny Fiangonana Protestanta dia notakiana mba hifady tanteraka ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina, ary ny divaim-pandraisana dia matetika novana Jus de raisin. Fiangonana Evangelika maro nanomboka ny taon-jato faha 20 no nampihatra ny fifadiana tanteraka ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifoka mahadomelina, sady nanentana ny olona sy ny Fiangonana ho amin’izany fifadiana izany (tsy hoe nifady fotsiny izy tenany fa nitaona ny hafa mba hifady koa izy). Maro tamin’ny Katolika anefa no tsy nandray tamin’ity ady amin’ny zava-pisotro mahamamo sy fifoka mahadomelina ity,  ary Fiangonana Protestanta maro koa no nanaraka ihany ny lovan-tsofina  Eropeana izay namela ny fampiasana Alkola ihany arak’izay heverin’ny olona ho mety sy ny safidiny, mety ho vokatry ny baikon’ny Dokotera, mety ho vokatry ny lalàn’ny fiaraha-monina ary mety ho vokatry ny fampianaran’ny Fiangonany koa.

5.3.FIOVANA MAHERY VAIKA NO ILANA ARAKA NY

FAMPIANARAN’NY SORATRA MASINA.

Ny fiovana no fikendren’ny SM kanefa zavatra tena sarotra ny manova olona.Hoy ny manam-pahaizana iray atao hoe: Joel Nederhood: Tena zavatra sarotra ny manova ny olona amin’izay mahaizy azy. Hoy Jeremia: Hain’ny Etiopiana ve ny hanova ny volon-kodiny? Ary ny Leopard ny lokony? Dia toy izany koa hianareo ve ho afaka manao ny tsara ? dia hianareo izay efa zatra nanao ny ratsy.

Calvin rehefa nandinika an’io dia nilaza fa manondro ny natiora maha mpanota ny olona io, izay nolovany tamin’ny ray aman-dreniny. Nanindry koa anefa izy fa tsy maintsy raisina ho fanao mahazatra nandritra ny fotoana lava izany.
Manamafy izany Jeremia ao amin’ny 22:21:”Manambara aminareo aho amin’izay mahaizy azy anareo, satria hoy hianareo: Tsy hihaino aho”. Hita fa efa fanaonareo hatramin’ny fahazazana izany, ary izany no antony tsy hanekenareo ny teniko”.

Noho izany ny mpitaiza ara-panahy dia tsy maintsy ho matotra (realistique)  amin’ny andraikitra izay efa niantsoan’Andriamanitra azy, satria tsy mora ny manova olona.Ho an’izay rehetra ao amin’I Kristy dia tsy misy fisalasana mihitsy ny ahatongavana amin’ny fiovana na dia fantatra aza fa sarotra ny manova olona. Ny zaza izay tsy zatra manakatona varavarana mihitsy dia ho sarotra ny hamolaka azy ho zatra hanidy izany. Ny mpanam-bady vao dia miezaka mafy hampitovy ny fomba fiainana sy ny  fisainana, satria hafa ny fiainana taloha, ka mandrafitra fomba fiainana vaovao fahatelo (samy ialana na ny an’ny lahy na ny an’ny vavy) fa manamboatra vaovao iraisana. Ilaina ary ny fiovana kanefa tsy mora ny miala amin’izany. Tokony tsy ho gaga ny mpitaiza ara-panahy raha manohitra ny olona tezaina ka manao hoe: “Tsy hiova mihitsy aho”. Ny olona tezaina dia tsy maintsy hampifangaro mandrakariva ny toetra nolovana sy ny toetra nianarana.

Ny andraikitry ny mpitaiza ara-panahy dia ny mitaona ny olona hibebaka, i.e mitaona ny olona hiova. Ny fanovana ny saina dia mitarika ho amin’ny fanovana ny fiainana. Ny fibebahana dia hafa tanteraka noho ny nenina momba ny zavatra lasa. Ny alahelo anefa dia mety hiaraka amin’ny fibebahana marina ihany, nefa tena zavatra samihafa izy. Esao dia nanenina mafy noho ny vokatry ny fahotana  lehibe nataony (lao Jakoba noho ny nataony) fa tsy hoe nibebaka izy (Heb.12:16-17). Amin’ny ilany anefa raha alahelo mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia mety hitondra ho amin’ny fibebahana ihany (1 Kor.7:10). Ho an’izay mibebaka marina dia ny Fanahy Masina no mamorona ny fiovana. Noho izany ny mpitaiza ara-panahy dia miantso ireo olona tezaina. Paoly raha nitory ny Filazantsara tamin’ny jentilisa dia nanantena fa hibebaka izy ireny,  ary hiverina amin’Andriamanitra, ary hamoa voa miendrika ny fibebahana (Asa 26:20). Noho izany ny tena mpitaiza ara-panahy dia tsy miantso ny olona hipetraka amin’ny fiainany taloha, fa hibanjina ny helony ankehitriny sy ny fiantraikan’izay nataony taloha amin’ny ankehitriny, mba hovoavela ny lasa sady halevina ary hohadinoina. Mila fanampiana ny olona tezaina mba ho afaka hibanjina ny ho avy izay eo aloha (Fil.3:13).

5.4.FIALANA AMIN’NY FOMBA MAHAZATRA

 SY NY FAMORONANA FOMBA VAOVAO.

         Inona moa no mahazatra? Raha ny fomba Malagasy no resahina dia hita fa raiki-tapisaka amin’ny fomba amam-panao rehetra ny fampiasana toaka. Ampiasaina izy io na amin’ny ankaratsiana na amin’ny an-kafaliana toy ny famadihan-drazana, famorana zaza, fanamboarana fasana, fitokanam-pasana, fanorenan-trano, fandevenana, fangataham-bady, fisorotam-panambadiana, fisehoam-bady sns…Izay rehetra atao dia tsy maintsy ao ny toaka. Ny mpangataka raha mangataka mofo dia tsy mahazo fa raha mangataka toaka dia mahazo izay tadiavina.

Mitatra io fampiasana toaka io ankehitriny ka amin’ny fetim-Piangonana isan-karazany aza dia ahitana toaka, ary tsy tahotra tsy henatra ny olona  fa ireo Kristiana mpandray ny Fanasan’ny Tompo sady lohandohany ao amin’ny Fiangonana mihitsy no tena manao azy ity. Noho izany dia betsaka ny lanin’ny olona amin’ny karazan-toaka isan-karazany (WHISKY SY RHUM ISAN-KARAZANY, LABIERA, TOAKA GASY,DIVAY sns…) Betsaka lavitra ny vola laniny amin’ireo noho ny laniny amin’ny vary sy ny hena nanaovana ny fanasana toy ny MARIAZY, BATISA, KONFIRMASIONA sns… Fomba fotsiny sisa no maha fetim-pivavahana azy fa ny izay mahaizy azy dia mitovy tsy misy valaka amin’ny lanonam-pamadihana sy ny Fitampoa na amin’ny fisotroana na amin’ny fandihizana na amin’ny fijangajangana, satria rehefa ao any toaka dia tonga ho azy ao ny fijangajangana. Hararaotin’ny sasany ny sasany rehefa mamo satria tsy tompion’ny tenany izy amin’io fotoana io.

Ny zavatra tsy fantatry ny Malagasy ankehitriny mantsy dia izao:Mampiasa toaka ny Ntaolo rehefa misy zavatra atao satria io no mampiray ny maty sy ny velona. Nino ny Malagasy rehetra fa ny maty rehetra dia tenda toaka. Izany no antony hoe maty andalana ny Fiara mitondra faty raha tsy rarahana toaka ny Fiara hitondrana azy. Raha mpisotro ilay olona fahavelony dia sady tondrahana toaka no ampitondraina toaka, fa manangatra mitaky izany amin’ny velona izy raha tsy ampitondraina. Ny mpisotro toaka,  mialohan’ny hisotroana dia araraka kely amin’ny tany aloha  izay anjaran’ny razana vao mahazo misotro ny velona. Amin’ny toerana sasany dia antsoina aloha ny fanahin’ny maty,  ary fahanana toaka sy tantely, aorian’ izany vao mihinana sy mifety ny velona rehefa hanao fitokan-trano na hitso-drano tanora hivady.  Izay atao rehetra dia tsy maintsy ao aloha ny atao hoe toakan-drazana mba hahatonga azy ireny handrotsaka ny fitahiany. Fatra-panaja ny razana mantsy ny Malagasy sady mino fa mitahy ny velona izy ireny,  ka fangataham-pitahiana aminy sady fanajana azy ny fandrarahana toaka amin’ny toerana samihafa izay ahafahana manao izany (fasana, zoro firarazana, tany amin’izay misy sns).

Rehefa tonga  Kristiana ireny olona ireny dia manara-driandrano fotsiny izany fomba izany fa tsy mahalala izay antony akory. Izany no heverina ho fahendrena sy fahalalam-pomba. Heverina hotoy ny adala sy tsy mahalala ny tokony hataony izay tsy manao izany.

5.5.NY MINO TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA SY NY ZAVA-PISOTRO MAHAMAMO ARY NY FIFOKA MAHADOMELINA.

Ao amin’ny TT dia trano fivavahana no atao hoe Tempoly fa aty amin’ny TV kosa dia ny minio no antsoina hoe Tempolin’Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia nilaza fa Izy no Tempoly.

Tena nanaja ny Tempoly Jesosy ary izany no antony nandroahany ireo mpivarotra tao amin’ny Tempoly tany Jerosalema (Mat.21:13). Nohamafisin’i Jesosy fa trano fivavahana ny Tempoly fa tsy zohy fieren’ny jiolahy. Masina ny Tempoly satria tranon’Andriamanitra. Nandany andro nampianatra Soratra Masina tao Jesosy sady nanasitrana ny marary (Mat.21:14, Lio.2:46-49, Jao.7:14).

Rehefa tonga Jesosy dia nilaza fa Izy tenany no Tempoly. Ilay teny tonga nofo ka nonin a tamintsika (Jao.1:14).Izy no Ilay mofo velona nidina avy any an-danitra mba ho fiainana ho an’izao tontolo izao (Jao.6.51). Jesosy no Ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay mitondra ny fahotan’izao tontolo izao. Rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy dia triatra ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly (Mar.15:38), i.e tsy misy intsony ny efitra mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra.Izay mino an’I Jesosy sy ny famonjena vitany no tonga Tempolin’Andriamanitra, satria ny Fanahy Masina izay nomena azy tamin’ny batisa no tonga monina ao anatiny.

Ambaran’I Jesosy fa lehibe noho ny Tempoly Izy(Mat.12:6).Ny ràn’I Jesosy amin’ny mahafanatitra azy dia tsy mba naterina tao amin’ny Tempoly toy ny fanao teo amin’ny jiosy, fa nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana tao Golgota. Tanteraka ny tenin’I Jesosy hoe :”Ravao ity Tempoly ity fa hatsangako amin’ny hateloana” (Jao.2:19). Azo heverina ary fa raha rava ny Tempoly any Jerosalema ary tsy voatsangana intsony mandrak’androany dia hita fa zavatra tsy kisendrasendra ihany izany, satria ny Tempoly any  Jerosalema izay rava dia an’I Jiosy ihany, fa Ilay Tempoly lehibe vao natsangan’I Jesosy tamin’ny andro fahatelo kosa dia an’izao tontolo izao mihitsy (Ravana ny trano kely rehefa mahavita trano lehibe sady tsara ny olona).

Teo amin’ny Jiosy ny Tempoly dia narovana fatratra tamin’ny fahalotoana. Izany no nahatonga ny hoe tsy maintsy mandro vao mahazo miditra ny Tempoly , ary ny Mpisorona ihany no mahazo miditra amin’ny toerana masina.

Ambaran’I Paoly mazava anefa fa ny tenan’ny mino dia masina satria fonenan’ny Fanahy Masina izy,  ka tonga tafaray amin’I Kristy lohan’ny Fiangonana (Kol.1:18). Takin’Andriamanitra ny fahamasinan’ny Fiangonana satria masina Izy. Noho izany dia tokony ho masina toy izany koa ny tenan’ny Kristiana, satria monina ao aminy Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Olom-baovao ny mino noho ny fahateraham-baovao teo amin’ny batisa.Miray amin’ny Fanahy Masina ny mino amin’ny batisa ary ny Fanahy Masina no mitari-dalana azy ( Rom.8:14)

Ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia fampidirana an’I Jesosy ao anaty. Io no tombo-kase sy vavolombelon’ny famelan-keloka ahafahan’ny mino miray aina amin’I Kristy. Ny Teny sy ny Sakramenta no fitaovana ampiasain’ny Fanahy Masina ao amin’Ilay Tempolin’Andriamanitra izay vavolombelon’I Kristy. Io Tempolin’Andriamanitra io no manome lanja ny vatan-tenan’ny olombelona.Ny Fanahy Masina izay monina ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra dia mampahatsiahy an’Andriamanitra nonina tao amin’ny Tabernakely sy ny Tempoly teo amin’ny Zanak’Isiraely. Ny teny hoe monina dia milaza ny firaisana misy eo amin’Andriamanitra sy ny olona.

         FEHINY.

Tempolin’Andriamanitra ny tenan’ny mino (1 Kor.6:19) ka fandravana ny fikendren’Andriamanitra amin’izany tempoliny izany ny fidorohana zava-mahadomelina. Monina ao anatintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Noho izany dia ny Fanahy Masina no mibaiko ny fiainantsika fa tsy tokony hop ny zava-mahadomelina akory. Andraikitry ny Fiangonana ny manampy ny Kristiana mba hitoerany mandrakariva amin’ny maha tempolin’Andriamanitra azy, ka hampianatra sy hanabe azy ireo ara-tSoratra Masina ary hampahafantatra  ny mahazava-doza sy mahafahotana ny fivarotana sy ny fividianana ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Mamporisika sy manentana ny Kristiana mba hiditra handray anjara amin’ireo sampam-pikambanana tandrify azy ao amin’ny Fiangonana, indrindra ny VLM izay tsy natokana ho an’ny mpidoroka ihany. Anjaran’ny Fiangonana ihany koa ny manarina ireo mivary lavo amin’ny fisotroana zava-mahamamo sy ny fidorohana zava-mahadomelina.

Asa mitohy sady liana faharetana sy fikirizana ny ady atao amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.Mila fifanomezan-tanana eo amin’ny tsirairay manomboka ao an-tokan-trano, eo amin’ny fiarahamonina, indrindra fa ao amin’ny Fiangonana.Taomina sy ampianarina ary ampiana ny olona mba hanana fivelomana mifanaraka amin’ny Filazantsara mba tsy hirosoany amin’ny fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fivarotana zava-mahadomelina. Ny Kristiana dia tokony hijoro mandrakariva amin’ny mahatempolin’Andriamanitra azy, sady ho vavolombelon’I Kristy, ka ho fitaovana hiasan’ny Fanahy Masina hitaomana ny namana heady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.

 

 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement