FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

ISAN-DROA VOLANA
Fitandremana MARSEILLE le 06/08/2013, 20 08 38 (UTC)
 
FIVORIANA ISAN-DROA VOLANA
FITANDREMANA MARSEILLE
10-11 AOGOSITRA 2013

ATAO AO AMIN’NY FLM MARSEILLE SAINTE CLAIRE
FANEVA : “…mba ho tahaka ny nananganana an' i Kristy tamin' ny maty tamin' ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin' ny fiainam-baovao. “ Rom. 6 : 4b

ASABOTSY 10 AOGOSITRA 2013

Fanombohana : 5 ora hariva
Mpitarika : Rtoa RAZAIMALALA Arlette
Vakiteny : - T.T. : Joela 2 : 12 -17. Rtoa MITSAKIS Dorothée
- T.V. : Rom. 6 : 15 - 23. Rtoa RAZAFINDRATSIMBA Haja

Fampianarana Soratra Masina : Ny Fiainam-baovao ao amin’i Kristy (C F Ny Faneva)
Katekista RAKOTOARIMANANA François d’Assise

Filazan-draharaha sy Rakitra

Toriteny : Rom. 6 : 1 – 14. Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato

ASA SY FAMPAHEREZANA : Mpitarika : Rtoa RANDRIANJATOVO Mavosoa

FIARAHA-MIALA HETAHETA SY TAFATAFA

ANTSAM-PIDERANA ISAN-TSAMPANA : Mpitarika : Atoa ANDRIAMASY Hery Manitra
Vavaka Famaranana : Rtoa RAJAONELISON Holy

FIVORIAN’NY KOMITIN’NY FITANDREMANA

ALAHADY 11 AOGOSITRA 2013
Fotoam-Pivavahana : 10 ora sy fahefany
Mpitarika : Katekista RAKOTOARIMANANA François d’Assise

Vakiteny : - T.T. : II Sam. 22 : 21 – 29 : Atoa RADO Hery Andriamasy
- T.V. : I Kor. 15 : 1 – 10 : Atoa RAFARALAHITSIMBA Germain
- Filazantsara : Matio 21 : 28 – 31 : Atoa RABARISOA Hendry

Toriteny : Lioka 18 : 9 – 14 : Pastora VOLATOMBO Flavien

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

FIARAHA-MISAKAFO

Hafatra :
Aoka samy hitrotro am-bavaka ny fivoriantsika isika.
Hisy valopy hanampy ny rakitra, hasolo ny lavanty sy solom-bokatra ho fanohanana ny kitapom-bolan’ny Fitandremana.
Hery lehibe sy fifaliana ho an’ny rehetra ny fahatongavanao
Ho Voninahitra’ Andriamanitra irery ihany!
 

FIVORIANA
FBL FLM Mazargues le 31/07/2013, 12 12 25 (UTC)
 Miarahaba anao amin'ny anaran'ny Tompo
Antsoina isika FBL mba hamonjy ny fivoriantsika ny Asabotsy 03 Août 2013 izao amin'ny 4 ora ao an-tokatranon'i Haja sy Voahirana.
Isika komity dia iangaviana mba ho tonga amin'ny 3 ora tsy diso fa hanantanteraka ny fivoriana ny birao sy ny Komity.
Manantena ny fahatongavanao amin'izany ary mirary ny fiadanan'ny Tompo ho anareo.
Ny Filoha Rtoa DAVIDSON Voahirana
 

FIVORIANA
FBL FLM Mazargues le 31/07/2013, 12 12 24 (UTC)
 Miarahaba anao amin'ny anaran'ny Tompo
Antsoina isika FBL mba hamonjy ny fivoriantsika ny Asabotsy 03 Août 2013 izao amin'ny 4 ora ao an-tokatranon'i Haja sy Voahirana.
Isika komity dia iangaviana mba ho tonga amin'ny 3 ora tsy diso fa hanantanteraka ny fivoriana ny birao sy ny Komity.
Manantena ny fahatongavanao amin'izany ary mirary ny fiadanan'ny Tompo ho anareo.
Ny Filoha Rtoa DAVIDSON Voahirana
 

VAOVAO ALAHADY 07 JOLAY 2013
FLM MAZARGUES le 07/07/2013, 13 01 35 (UTC)
 Vaovao ny Synoda:
- Isaorana an'Andriamanitra lehibe fa vitasoa ny Fankalazana ny Ivon'ny Jaobily faha 20 taona ny FLM E, izay natao tany Strasbourg omaly 06 sy androany 07 Juillet.
. Vitasoa koa ny Fivorian'ny KSP Komity ny Synodam-paritany izay notarihin'ny Pdt ny FLM Past. RAKOTO Endrors Modeste.
- 10 au 14 juillet 2013 izao no hanatanterahana ny Isan-taonan'ny Toby Fifohazana Pouru St Rémy, izay hanentanana ny rehetra mba ho tonga satria fotoan-dehibe hanovozana Hery ho an'ny Fanahy indrindra izany. Samia mitrotro am-bavaka ny fotoana rehetra.

Vaovao ny Fileovana:


Vaovao ny Fitandremana:

- 10-11 Août 2013, Isan-droa volana izay ho tanterahina eny @ FLM Marseille Ste Claire.
FBL Fitandremana :
- 10 Août 2013: Hisy fianaran-kira izay @ny toerana hanaovana ny isan-droa volana.
FIFIL Fitandremana:
- 27 juillet 2013: Fivoriana Fiomanan'ny Mpiandry izay atao eny Ste Claire.

Vaovao ny Fiangonana:

Vaovao tapaky ny Komity izay nivory ny 26 Juin 2013 lasa teo:
- Tapaka fa hanao "Fetim-piangonana" isika eto amin'ny FLM Mazargues ny 16 Novembre 2013 ho avy izao. Omena antsika amin'ny manaraka ny andinindininy.
- Noho ny fangatahan'ny Komity ny Toby Pouru St Rémy, ho fandraisana anjara @'ny fanafarana ireo Raiamandreny Pdt FLM sy ny Tonia ny Fifil nasionaly dia nandray anjara 50e isika eto @ny Fiangonana FLM Mazargues.
- Izay rehetra mila "Dinika" amin'ny Pastora, dia afaka mangataka fotoana sy fihaonana aminy mivantana.

Vaovao ny Sampana:

SALOMA:
*Miditra fotoam-pialan-tsasatra isika izao, kanefa azon'ny Mpampianatra isan-kilasy ny mampanao rattrapage ny mpianany.
*31 Août 2013: Hetsika Saloma:
Loto concert + Barquette 3e
* Ny Alahady ny SALOMA izay tokony notanterahina ny 19 Mai dia nahemotra ny 01 Septembre 2013.

KTLM:
*24-25 Août 2013 izao no hanatanterahan'izy ireo ny "Retraite" izay hanasana ny Fiangonana rehetra.
Ho lazaina amintsika @ny manaraka ny toerana hanaovana izany.
*Ny Alahady ny KTLM izay tokony no tanterahina ny Alahady 30 Juin lasa teo dia nahemotra ny Alahady 20 octobre 2013.

FBL
* Ny Alahady ny FBL izay tokony notanterahina ny androany 07 Juillet dia nahemotra ny 15 septembre 2013.
* Ny 14 Septembre kosa no hanatanterahana ny Activité ny sampana.

FIFIL
* Entanina isika Mpiandry eto Mazargues mba samy hanolotra ny trésorière(Nenitoa VOLOLONA) ny 10e isan'olona izay fandraisana anjara @ny fanafarana ireo Raiamandreny.
Ny vola voangona rehetra dia ho entina any @ny Toby Pouru St Rémy.
* Ny fivoriantsika manaraka dia atao ny Alatsinainy 29 Juillet hariva eny an-tokatranon'i Nenitoa Arlette.
Hisy Fampianarana Soratra Masina izay ho tanterahin'i Pastora.

VLM
* Ny Alarobia 07 Août 2013 izao dia hanao sortie ny VLM. Izany dia atao eny @ny "Parc pharo".
Ny fotoana dia @ 5 ora tolakandro. Samy mitondra sakafo.
Hisy ny fianaran-kira, Loto ary echange cadeaux.
Izany dia hanasana ny rehetra; ary izay maniry handray anjara @ny echange cadeau dia afaka mitondra izany.
Tapaka teo @ ny fivoriana fa ny valeur minimum ny cadeau dia 5e. Ny mihoatra tsy ferana.

Noho ny fisian'ny Isan-taonan'ny Toby izay atao ny 10 au 14 Juillet izao dia:
* Tsy hisy ny Fianarana Soratra Masina eny a ste claire ny Talata hariva izao.
* Tsy hisy ny fotoam-pifohazana ao @ny ERF Françoise du parc ny Alakamisy hariva izao.

Ny fotoanantsika @ny heriny anio:
- 4ora........................
- 5 ora Fotoampivavahana.

Anio dia hisy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo, koa dia manasa ny Mpandray rehetra.

Ho an'andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Amen
 

FAMPIANARANA
FDL FITANDREMANA MARSEILLE le 27/06/2013, 16 04 21 (UTC)
 ".....Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy" Ezekiela 36:24-27
Miarahaba antsika amin' ny anaran'i Jesosy
Antsoina isika FDL eto amin'ny Fitandremana Marseille mba ho tonga hamonjy ny Fampianarana Soratra Masina sy fivoriana izay atao ao amin'ny FLM Marseille Sainte Claire ny Sabotsy 29 Jona 2013 ho avy izao manomboka amin'ny 6 ora hariva.
Dia manantena ny fahatongavantsika tsirairay avy mba ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
Ranaivoson Nirina Robertin
FDL Fitandremana Marseille
 

FIFIL : FAMANGIANA
FIFIL Marseille le 20/06/2013, 19 07 59 (UTC)
 Tsihaivina isika fa hamangy ny Fileovan'i Marseille ny Tonia nasionaly ny FIFIL FLM Pastora Germain ANDRIANARIJAONA sy ny Tonia rezionaly Synoda FIFIL FLME Katekista Jean RANDRIAMBOLOLONA ny Asabotsy 22 sy ny Alahady 23 Juin 2013 ho avy izao.

Dia tohy izao ny fandaharam-potoana:
Asabotsy @ 6 ora hariva:
Dinidinika Raiamandreny miaraka @ ireo Mpiandry sy Mpiomana.

Alahady @ 10 ora maraina: Fotoam-pivavahana miaraka @n'ireo Raiamandreny.
Faranana @ ny fiaraha-misakafo.
Ny toerana hanaovana izany dia eny @ Fiangonana FLM Marseille ste-claire.
Culte eocuménique : @ 16h.eny Grignan Marseille.
 

<- En arrière  1 ...  28  29  30  31  32  33 34  35 Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement