FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

Alahadin'ny KTLM
KTLM le 20/10/2013, 09 09 44 (UTC)
 ALAHADY 20 octobre 2013 :" Alahadin'ny KTLM" Rakitra sy Valopy
Entanina isika mba samy hiomana amin'izany ho fanohanana sy ho fampandrosoana ny asan'izy ireo sy ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra
 

FIOFANAN'NY KOMITY FILEOVANA MARSEILLE
FILEOVANA MARSEILLE le 19/10/2013, 09 09 36 (UTC)
 Miarahaba antsika Komity rehetra eto amin'ny Fiangonana Mazargues.
Indro alefa amintsika ny hafatra avy amin'ny Pastora Mpitondra Fileovana Marseille.
Marihina fa ity antso ity dia miantefa amin'ireo "KOMITY REHETRA" eto amin'ny FLM Mazargues. Manomboka amin'ireo Komity ny Fiangonana, sy hatramin' ireo Komity rehetra isan-tsampana.

Le Vendredi 18 octobre 2013 17h45, RAHARIJAONARIVELO EDMOND a écrit :


Any Komity rehetra eto amin'ny Fileovana Marseille (Fiangonana-Sampana)
Tompoko
Mamamgy anareo amin'ny anaran'i Jesosy Tompontika.
Araka ny tapaka teo amin'ny fivoriantsika farany, dia tanterahantsika ny Asabotsy 2 Novambra any Montpellier de 9h à 17h.

Adresse : 13 Rue du Docteur Louis Perrier, 34000 Montpellier (faculté protestante)
Azontsika tompon'andraikitra isaky ny fiangonana no mifandray amin'ny Katekista Gérard Ranaivo ny amin'ny lafiny fikarakarana rehetra any an-toerana. (sakafo? Sono? Projecteur + écran? ...etc.)

Izao ny fiofanan'ny komity rehetra isam-piangonana sy komity ny sampana rehetra.
Marihiko fa zava-dehibe ny fanatrehana ity fiofanana ity, izay voalohany izao no hanaovana izany, izay mikendry indrindra ny fampahalalana tsara ny rafitra sy ny fomba fiasa amin'ny maha Loterana, hisoroana ny disadisa sy fimonomonomana,
ka mba hisian'ny fandrindrana sy filaminana eo amin'ny fampandehanana ny raharaha rehetra ao anatin'ny firaisan-tsaina sy firaisam-po ary indrindra fehezin'ny fifankatiavana sy fihavanana ao amin'i Kristy Jesosy, Tompo sy Lohan'ny Fiangonana.

Dia aoka samy hitondra am-bavaka ny fotoana isika rehetra.
Mirary soa, hotahin'i Jesosy.
Pastora Edmond Raharijaonarivelo.
NB: -Mba haparitaka amin'ny komity rehetra isam-piangonana sy sampana. Ary hamafisina eo amin'ny filazan-draharaha. Misaotra tompoko.
 

KORANAM-PIFALIANA
FIFIL FLM MAZARGUES le 14/10/2013, 19 07 19 (UTC)
  FANASANA
« Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; Indro, ankehitriny no andro famonjena»

II Korintiana 6 : 2b

Ny Firaisan’ny Fifohazana Loterana (FIFIL) eto amin’ ny Fiangonana Loterana Malagasy Mazargues dia faly manasa anareo hanotrona ny :

“ KORANAM-PIFALIANA ”
Sary Mihetsika ara-Tsoratra Masina
Sakafo gasy:Vary sy Laoka (henan-kisoa sy ravitoto, hena omby ritra, rougay…)

NY SABOTSY 19 OCTOBRE 2013 AMIN’ NY 5ORA SY SASANY HARIVA
AO AMIN’ NY ERF MARSEILLE SUD-EST , 8- BOULEVARD MAGNAN - 13009 MARSEILLE

Manantena ny fahatongavantsika maro ho Voninahitr’Andriamanitra.

Fandraisana anjara amin’ ny Sakafo: Lehibe : 3 euros ny barquette
 

PROGRAMA ISAN-DROA VOLANA: 12-13 /10 / 2 013
Mpitantsoratra FLM Mazargues le 11/10/2013, 17 05 10 (UTC)
 Miarahaba antsika rehetra amin’ny ny anaran'i Jesosy.
" AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIANGONA...FA MIHANTOMOTRA NY ANDRO" Hebreo 10: 25

Asabotsy @ 5 ora hariva:
Toerana FLM Marseille Ste-Claire.

Mpitarika: RATSIMAROSOLO Dauphine
*Vakiteny: TT : Hosea 14: 2-8. RALAMBOMANANA Mahery
TV : Apok. 19: 1-1O RANDRIAMPARANY Mirana
* Toriteny 1: KT F D'Assise
*Filazan-draharaha sy rakitra

* Toriteny 2 : KT Naly
*Asa sy Fampaherezana
Mpitarika: Rtoa RANAIVOSON Vololona
Fialana hetaheta (samy mitondra salé na sucré FBL)
*Antsampanahy
Mpiandraikitra: Rtoa kely DAVIDSON Ando
*Vavaka famaranana: RAJAONELISON Maeva

Alahady tolakandro:
Toerana: eny Mazargues.
* @ 3 ora: Fivorian'ny Komity Fitandremana
* @ 4 ora: Fotoampivavahana
Mpitarika : KT Naly
*Vakiteny: TT Isaia 65: 1-2 RABARISOA Hendry
epistily : Efes 5: 15 - 21 RADO Hery
TV : 13 : 44- 50 RAFARALAHITSIMBA Amélie

Toriteny : Pastora FLAVIEN Matio 22: 1 - 14
Filazan-draharaha sy rakitra
Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo

*Hafatra: Aoka samy hitrotro am-bavaka ny fivoriantsika,

ka samy ho tonga maro isika.
Hisy rakitra sy valopy ho solom-bokatra.

Samy mitondra sakafo maivana (Quiche na sandwisch) hifampizarana aorian'ny fotoampivavahana.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery hiany.

NB: Tsiahivina isika fa efa misokatra ny site FLM Mazargues, koa mazotoa mitsidika sy manolo-kevitra ny mpikarakara dia: Dadatoa Nirina RANAIVOSON, PDT FDL.
" Aza adino ny mandefa lahatsoratra ho an'ny Gazety Fahazavana!!”
 

FILAZAN-DRAHARAHA
Mpitantsoratra FLM Mazargues le 26/09/2013, 20 08 37 (UTC)
 Ry havana,
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.
Indro alefa amintsika ny fandaharam-potoana eto amin'ny FLM Mazargues amin'ity faran'ny herinandro ity:

Alakamisy 26/09/2013 @ 8 ora latsaka fahefany alina:
FOTOAMPIFOHAZANA, ERF Temple de provence.

Zoma 27/09/2013 @ 7 ora hariva:
FIVORIAN'NY KOMITY, 181 bd chave etg 2.

Asabotsy 28/09/2013
@ 3 ora tolak'andro:
FAMERENAN-KIRA KTLM, 181 bd chave etg 2.
@ 8 ora alina :
FAMPIANARANA SORATRA MASINA - FIFIL FITANDREMANA, chapelle ste claire.
tontosain'ny Pastora FLAVIEN Volatombo.

Alahady 29/09/2013
"ALAHADIN'NY PASTORA" eto amin'ny FLM Mazargues.
* @ 4 ora: Fianarana Sekoly Alahady.
* @ 5 ora: Fotoampivavahana fankalazana ny Alahadin'ny Pastora.
Aoriana ny fotoana dia hifampizara fifaliana isika.
Araka izany dia, entanina ny tsirairay mba samy hiomana amin' izany fankalazana ny Alahadin'ny Pastora izany.
Ny isan-tokantrano, isam-pianakaviana, ny isan-tsampana, ny tsirairay avy dia samy afaka manolotra fanomezana ho an'ny Pastora sy ny fianakaviany. Hisy ny Valopy amin'ny rakitra.
Toy ny fanaontsika dia hiomana koa isika amin'ny fandraisana anjara amin'ny Hira, isam-pianakaviana, isan-tsampana, na tsirairay mba hanehona ny fifaliantsika, ho fankasitrahana ny Ray amandrenintsika sy mba ho fiderana an'Andriamanitra.

" Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; " Hebreo 13: 7a

Samy hivimbina goutés ihany koa isika, hifampizarana aoriana ny fotoampivavahana.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.

Ny mpitantsoratra
Landy RADO.
 

FANASANA-INSTALLATION PASTEUR ERF MARSEILLE SUD6EST
Mpitantsoratra FLM Mazargues le 21/09/2013, 11 11 23 (UTC)
 Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompokntsika

Tohizao ny fandaharam-potoanantsika amin'izao faran'ny herinandro izao:

Araka ny efa nambara t@-tsika tamin'ny filazan-draharaha dia, manansa antsika FLM Mazargues ny Pasteur vaovao ao @'ny ERF Magnan (Toerana fivavahantsika), mba hanotrona sy hiara-mivavaka aminy ny Alahady 22/09 izao "Culte d'Installation du nouveau pasteur".

Koa hiangaviana isika mba samy ho tonga @'ny 15h30 mn, ary dia hitambatra ho toerana iray, satria hanana anjara hira isika.

Aorian'ny culte, dia hisy "appéritf ", koa araka ny resaka nifanaovana t@'ny Présidente Mme Françoise JAULMES, dia handray anjara @'zany isika FLM Mazargues.

Koa mangataka antsika mba samy hitondra tsakitsaky sy jus amin'io fotoana io.

Raha azo atao dia efa atao avy hatrany sur plat ny zavatra entsintsika, mba hisorohana ny fivezivezena ao andakozia.

Noho izany ary dia, tsy hisy ny Sekoly Alahady @'io Alahady 22 Septembre io.

Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 4 ora tolakandro tsy diso.

Dia mirary ny fitahiana ho antsika rehetra.

Ho an'Andriamanitra irery hiany anie ny Voninahitra.

Ny mpitantsoratra

RADO Landy



 

<- En arrière  1 ...  28  29  30  31 32  33  34  35 Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement