FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE avrily 2016
Fitandremana Marseille le 02/04/2016, 20 08 21 (UTC)
  ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE

TENY FANEVA: " Ny mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry " Jaona 10:11b
Toerana : FLM Marseille Chapelle Sainte Claire
Asabotsy 9 avrily 2016 manomboka amin’ny 5 ora tolakandro
Alahady 10 avrily 2016 manomboka amin’ny 10 ora sasany maraina

HAFATRA :
-Aoka samy hitondra am-bavaka ny fivoriantsika.
-Hisy valopy ny Alahady maraina ho solom-bokatra.
-Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany ny fivoriana mamintsika.

 

Alakamisy masina sy Pasaka 2016
FLM MAZARGUES le 24/03/2016, 10 10 02 (UTC)
 Alakamisy 24 marsa 2016 – ALAKAMISY MASINA
Manomboka amin’ny 7ora sasany hariva. Hisy fiaraha-mivavaka arahina Fanasan’ny Tompo. Toerana: Chapelle Sainte Claire
62 rue cade-mouton 13014 Marseille
Alahady 27 marsa 2016 – PASAKA
Manomboka amin’ny 4 ora ny fotoam-pivavahana ao amin’ny Espace Magnan, 8 Boulevard Magnan 13009 Mazargues-Marseille. Tsy hisy araka iizany ny fianarana sekoly alahady.

Mba hampitombo ny finoana sy ny fanantenantsika ao amin'ny Kristy ity Pasaka ity.
 

ISAN-TELOVOLANA Fileovana Marseille 05-06 marsa 2016
FILEOVANA MARSEILLE le 26/02/2016, 10 10 31 (UTC)
 Asabotsy 05 sy Alahady 06 Marsa 2016: ISAN-TELOVOLANA Fileovana Marseille. TENY FANEVA : “ Hoy Jesosy:Izao no asan’Andriamanitra,dia ny hinoanareo Izay nirahiny”. Jaona 6:29.
Fotoana;
- Asabotsy manomboka amin’ny 4 ora hariva
-Alahady manomboka amin’ny 9 sasany:
Toerana: Chapelle Sainte Claire 62 rue Cade-Mouton 13014 MARSEILLE
(Ny programa pdf, dia azo tsindriana eo ambony).
Maniry ny fahatongavantsika ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE
FLM Mazargurs Marseille le 12/02/2016, 15 03 00 (UTC)
 Asabotsy 13 amin’ny 4 ora sasany hariva– alahady 14 febroary 2016 amin’ny 4 ora hariva: ISAN-DROAVOLANA Fitandremana Marseille. TENY FANEVA : « "Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy ; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo" Lioka 10:20. Ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitahiany no hery ho antsika hanavao ny finoana ka hiara-miombombavaka amin’izany.
 

Fiangonana eokominika sy programa fiangonana Mazargues
fdl flm mazargues le 20/01/2016, 16 04 54 (UTC)
 Ny alahady 24 janoary 2016: Ny fiombonam-bavaka eokominika, ho fisaorana ny Tompo amin’izao fahatratrarana ny taona vaovao izao dia hotanterahina ao amin’ny “Eglise Sainte Claire: 60 Rue Cade 13014 Marseille. Manomboka amin’ny 10 ora sasany ny fotoana. Manantena ny fahatongavantsika rehetra amin’izany. Fifampizarana sy fifankahalalana samy Malagasy. Iarahantsika Loterana amin’ny FPMA sy ny rahalahy Katolika. Aorian’izany dia tsy miova ny fisian’ny fianarana sekoly alahady amin’ny 4 ora sy ny fotoam-pivavahana amin’ny 5 ora eto amin’ny FLM Mazargues Marseille.
 

KRISMASY SAMPANA
FLM Mazargues Marseille le 14/01/2016, 06 06 40 (UTC)
 Manomboka amin’ny 4 ora ny fiangonantsika ny alahady 17 janoary 2016 izao. Tsy hisy arak’izany ny Sekoly alahady. Aorian’ny fotoana dia hankalaza ny krismasy ny sampana. Ho faranana amin’ny fiarahamisakafo ny fotoana. Manantena ny fahatongavantsika ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1 ...  17  18  19 20  21  22  23 ... 35Continuer -> 
 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement