FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

HETSIKA FBL HAFAKELY 12 septembre 2015
FBL Mazargues le 10/09/2015, 08 08 36 (UTC)
 HETSIKA FBL 2015 HAFAKELY
Teny Faneva : "Mazotoa fa aza malaina, arý aoka hafana fo amin’ny Fanompoana ny Tompo." Rom 12:11
Manasa ny Fiangonana ny FBL ny Asabotsy 12 septambra izao amin’ny 1 ora tolakandro
Toerana : 8 boulevard Magnan 13009 Marseille..
Aorian’ny ny Fotoampivavahana fanokafana sy Toriteny ataon'ny Pastora Flavien Volatombo dia hisy :

1) VOKATRA SAKAFO salé na sucré satria "Fais-maison", ho fanatevenana ny caisse ny FBL izay manify tokoa,

2) FIARAHANA MISAKAFO : Ho fanamafisana ny Firaisàna sy ny Fifankatiavàna, ka izany dia hanasantsika ny mpiray Fiangonana amintsika (gratuit)
••Henakisoa sy Anana
••Henombysyvoanjobory

3) PROJECTION FILM BIBLIQUE ho antsika amin'io.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery hiàny.

FBL Mazargues
 

ISAN-TELOVOLANA 5 – 6 septembra 2015
FLM Fileovana Marseille le 04/09/2015, 21 09 38 (UTC)
 ISAN-TELOVOLANA 5 – 6 septembra 2015
FANEVA: " Fa izay tarihin'ny fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra" Romana 8:14

ASABOTSY 05/09
••@ 4.30 hariva:
-Alitara Pastora RAKOTOMAHEFA Eloi
-Toriteny : Dadatoa LOTERA Patric
••@ 5.30 : Fampianarana : Pastora VOLATOMBO Flavien
••@ 6.30 : goûtés

••@ 7.00 : -Toriteny : Nenitoa RAFARALAHITSIMBA Benedictine.
- Asa sy Fampaherezana : Nenitoa MITSAKIS Dorothée.
••@ 7.45 : -Antsam-panahy : Mpandrindra Ramatoa RANDRIANASOLO Hanitra.
••@ 8.30 : Fivoriana Komity Fileovana

ALAHADY 06/09
••@ 10.30 maraina :
Fotoampivavahana litorjika sy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo .
- Alitara : Pastora VOLATOMBO Flavien

Hisy Rakitra sy Valopy solom -bokatra.
-FIARAHA-MISAKAFO
 

KTLM Mazargues-ACTIVITÉ ANNUELLE: Samedi 29 août 2015
KTLM Mazargues Marseille le 27/08/2015, 09 09 11 (UTC)
 «Réjouissez-vous toujours dans le Seigneur! Je le répète: réjouissez-vous!»
‭‭Philippiens‬ ‭4:4‬ ‭S21‬‬
Samedi 29 août 2015, KTLM Mazargues organise leur activité annuelle.
L'après-midi sera découpé en 3 parties :
1 - Diffusion de l'enseignement réalisé par le Président de la FLM Pasteur Rakoto Endor Modeste portant sur le "Mariage chrétien : Des origines à nos jours"
2 - Jeu de piste dans le village de Mazargues (divers jeux et énigmes faisant appel à la réflexion, la logique et un peu de connaissance)
3 - Goûter sandwich + frite et boissons
Que Dieu vous bénisse et à samedi
 

Isandroavolana 8-9 aogositra 2015 Fitandremana marseille
FLM marseille Mazargues le 03/08/2015, 19 07 46 (UTC)
 FIVORIANA ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE
Teny faneva "Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;" Heb. 3:14
Asabotsy 8 Aogositra 2015 : Toerana : FLM Marseille, Chapelle Ste Claire, 62 rue Cade-Mouton, 13014 Marseille.
Fanombohana 4 ora sy sasany tolak'andro.
Mpitarika : RAZAFITSOMA Antoine.
T.T. : Sal. 119 : 105-112 : MITSAKIS Dorothée.
T.V. : Rom. 3 : 21-30 : RAFARALAHITSIMBA Germain.
Fampianarana Soratra Masina. «Rom. 1 : 16-17 ». Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato.
Filazan-draharaha sy rakitra.
Toriteny : Mat. 11 : 16-24 , Katekista RAKOTOARIMANANA François d'Assise.
Asa sy Fampaherezana : Mpandamina ; RALAMBOMANANA Andry.
Fiaraha-mitafa sy fialana hetaheta.

Fifaninanana tsianjery Soratra Masina (FBL : Sal. 32 – FDL : I Kor.13) : Mpandrindra ANDRIAMASY Hery Manitra ( Rakitra ho an’ny FDL).
Vavaka famaranana : RANAIVOSON-RATINAVOLOLONA.
Fivorian'ny Komitin'ny FITANDREMANA.
Alahady 9 Aogositra 2015 : Toerana : FLM Marseille, Chapelle Ste Claire, 62 rue Cade-Mouton, 13014 Marseille.
Fotoampivavahana litorzika.
Fanombohana : 10 ora sy sasany maraina.
Mpitarika Katekista RAKOTOARIMANANA François d'Assise.
T.T. Jer. 7 : 1-7 : RABARISOA Hendry.
Epistily. Heb. 3 : 12 – 4 : 1 : SOLOTENAN’I FLM NICE.
T.V Lio. 19 : 41-48.
Alitara sy Toriteny Jao. 6 : 66-71 Pastora.
Filazan-draharaha, Rakitra sy Solom-bokatra.
Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Fiaraha-misakafo.
Hafatra
Ankoatran'ny Rakitra dia hisy solom-bokatra ny Alahady hanatevenana ny kitapon'ny Fitandremana.
Aza adino ny fiarahantsika miangona koa dia aoka samy hitondra am-bavavaka ny fivoriana mamintsika.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
 

Isan-droa Volana 27-28 Juin 2015
Fitandremana Marseille le 23/06/2015, 11 11 12 (UTC)
 FIVORIANA ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE

Teny faneva "Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azyhitsaranareo ny eritreriny " Rom.14:1

Asabotsy 27 Jona 2015 : Toerana : FLM Mazargues, 8 boulevard Magnan 13009 Marseille

Fanombohana 4 ora sy sasany tolak'andro

Mpitarika : RASOLONJATOVO Hery

T.T. : Isaia 61 :1-5 : RAJAONELISON Nirina

T.V. : Rom.8 : 18-23 : RASOARILINA Sébastine

Fampianarana Soratra Masina . «Ny fitsarana amin’ny andro farany».Katekista RAKOTOARIMANANA François d'Assise

Filazan-draharaha sy rakitra

Toriteny : Rom. 2 :17-29 , Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato

Asa sy Fampaherezana : Mpandamina ; RANAIVOSON Ratinavololona

Fanalana hetaheta

Antsam-panahy : Mpandrindra RAZAFINDRASATA Faly ( Rakitra hoan’ny KTLM)

Vavaka famaranana : RANDRIANJATOVO Mavosoa

Fivorian'ny Komitin'ny FITANDREMANA

Alahady 28 Jona 2015 : Toerana : FLM Mazargues, 8 boulevard Magnan 13009 Marseille

Fotoampivavahana litorzika

Fanombohana : 4 ora tolak’andro

Mpitarika Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato

T.T. Isa.58: 6-12 T.T : RABARISOA Hendry

Rom.14:1-12 Leksiona : SOLOTENAN’I FLM NICE

T.V Jao.14:23-31 Filazantsara

Alitara sy Toriteny Mat.7:1-6 Toriteny

Filazan-draharaha ; Rakitra sy Vokatra ao anatin’ny litorzia.

Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo

Fiaraha-misakafo maivana.

Hafatra

Ankoatran'ny Rakitra dia hisy vokatra ny Alahady hanatevenana nykitapon'ny Fitandremana. Ny FLM Marseille no mitondra vokatra.

Aza adino ny fiarahantsika miangona koa dia aoka samy hitondra am-bavavaka ny fivoriana mamintsika.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
 

ANDRO NIAKARANA
FLM Mazargues le 12/05/2015, 20 08 12 (UTC)
 "Ascension na Andro niakaran'ny Tompo".
Hamafisina amintsika fa Hisy Fotoampivavahana ny Alakamisy 14 mai izao ho fankalazana ny andro niakaran'ny Tompo. Ny fotoana dia Eny Mazargues, manomboka @ 10 ora sy sasany maraîna. Hisy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Isaorana an'Andriamanitra lehibe raha Mbola Afaka mankalaza izany isika.
Aoka Samy hafana fo amin'ny Fanompoana, ho voninahitr'Andriamanitra irery hiany.
 

<- En arrière  1 ...  20  21  22 23  24  25  26 ... 35Continuer -> 
 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement