|
|
|
|
|
|
|
|
FILM MASINA :
|
|
|
|
|
|
TAHIRY :
|
|
|
|
|
|
|
|
VAOVAOM-PIANGONANA
|
 |
hetsika FBL Fitandremana
Fikambanam-behivavy Fitandremana Marseille le 19/11/2015, 21 09 29 (UTC) | | "Tomoera tsara" Gal 5:1b.Miarahaba anao @ anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Ny FBL FItandremana dia Manasa antsika hamonjy ny HETSIKA FBL FITANDREMANA ny Asabotsy 21 Novambra 2015 izao 6 ora hariva, ny fotoana dia atao ao Mazargues.
Aoriana ny Fampianarana Soratra Masina ataon'ny Pastora Flavien, @ 5 ora dia hisy Goûtés hanasana ny fiangonana,
Misy fandraisantsika anjara: 3 euros ny assiette(1 part tarte aux fruits sy 1 part quiche - chocolat chaud sy thé Dia manatena ny fahatongavantsika maro.
Misaotra anareo sahady amin'ny fanohanana ny asan'ny FBL FItandremana.
Ho Azy Irery ihany ny Voninahitra.
Ny Komity ny FBL FItandremana
Ny Filoha .
DAVIDSON Voahirana. | | |
|
ALAHADIN'NY PASTORA
FLME Mazargues Marseille le 30/10/2015, 16 04 26 (UTC) | | “ TSAROVY NY MPITONDRA ANAREO IZAY EFA NITORY NY TENIN’ANDRIAMANITRA TAMINAREO” Hebreo 13 : 7a .
Isaorana ny Tompo fa mbola afaka hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY PASTORA isika eto amin’ny FLME Mazargues ny alahady izao 31 oktobra 2015.
Ho voninahitr”Andriamanitra irery ihany.
| | |
|
Pastora SAMOELA Georges: Jobily
Vaovao farany le 24/10/2015, 18 06 40 (UTC) | | Nohon'ny antony administrativa : tsy neken'ny ambasady dia tsy afaka hamangy ny FLME indray ny pastora tonia mandritra ity isantaona eto Marseille ity. Foana arak'izany ny fankalazana jobily ny alahady 25 oktobra 2015ary maniry ny fihaonana aminy tsy ela, Homban'ny fitahian'Andriamanitra izy sy ny ankohonany. | | |
|
Isantaona FLME Marseille 24-25 oktobra 2015
Isantaona le 22/10/2015, 18 06 07 (UTC) | | FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
SYNODAM-PARITANY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY EOROPA(SP-FLME)
ISAN-TAONA SPFLME 24-25 oktobra 2015 Marseille
Toerana:
Asabotsy 24 Oktobra: Chapelle Sainte Claire 62 rue cade-mouton 13014 Marseille
Alahady 25 oktobra: Eglise Sainte-Marthe Plateau de l’Eglise 13014 Marseille
Teny Faneva: "KOA RAHA NY ZANAKA NO MAHAFAKA ANAREO DIA HO AFAKA TOKOA HIANAREO" Jaona 8.36
ASABOTSY 24 OKTOBRA 2015 (tolakandro)
Toerana: Chapelle Sainte Claire 62 rue cade-mouton 13014 Marseille
1 ora: FANDRAISANA
2 ora sasany – 6 ora: FOTOAM-PIVAVAHANA FANOKAFANA
Mpitarika: Katekista RAKOARIMANANA François d'Assise - Fileovana Marseille
Fiarahabana sy fanokafana: Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond - Filoha Lefitra SPFLME
Alitara sy Toriteny: Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond - Galatiana 5. 13
Filazan-draharaha : RAMANDRATOSOA Zaka - Mpitantsoratra SP FLME
Rakitra
Fampianarana :
-Mpitarika : Katekista RAMAHEFARIVO - Fileovana Strasbourg
-Pastora : HABBERSTAD Rakotondrazaka - Filohan' ny SPFLME : I Petera 2:11-16
Famaranana : Rtoa DAVIDSON Voahirana - Fileovana Marseille
FIALANA HETAHETA
ADY HEVITRA ISAKY NY VAOMIERA:
-Vaomiera 1 : Pastora RAKOTONIRINA Lalatiana. « Fa ny andevo izay voantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo; toy izany koa ny olona afaka izay voantso dia mpanompon’i Kristy» I Koritiana 7.22
-Vaomiera 2 : “ Pastora RAKOTOMAHEFA Eloi Tahina : « Ary ny Tompo izany Fanahy izany, ary izay itoeran’ny fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana » 2 Koritiana 3.17.
-Vaomiera 3 : Pastora RANDRIAMALALA Eddy «Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika, ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony ». Galatiana 5.1
LAHATENY
Mpitarika : Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato - Fileovana Marseille
Mpandahatra : Pastora RASETA: “Ny fahafahan’ny mpino amin’ny taonjato faha-21"
ASA SY FAMPAHEREZANA :
Mpandamina : Atoa RAKOTOVOKATRA Hasina - Fileovana Strasbourg
Famaranana: Rtoa RAMBELOMANANA Nirina - Fileovana Ile de France
SAKAFO HARIVA
ALAHADY 25 oktobra 2015
Toerana: Eglise Sainte-Marthe Plateau de l’Eglise 13014 Marseille
10 ora sasany: FOTOAM-PIVAVAHANA SY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Mpitarika: Katekista MIRAHOSON Ndriana - Fileovana Paris
Alitara sy Toriteny: Pastora SAMOELA Georges - Tonia FLM : Lioka 18: 1-8
Hira manaraka ny Toriteny : KTLM SYNODA
Tatitra : RAMANDRANTOSOA Zaka - Mpitantsoratra SPFLME
Tatitra ara-bola : Atoa RAHARIJAONARIVELO Maxi - Mpitahirivola SPFLME
Rakitra
FANKALAZANA: Jobily Pastora Samoela Georges – Tonia FLM
Hira: KTLM SYNODA
-Fandraisana ny fanasan’ny Tompo
Vavaka famaranana : Katekista RAKOTOARIMIZA Fanomezantsoa - Fileovana Ile de France
-FISAORANA SY FANAOVAM-BELOMA
SAKAFO ATOANDRO
HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA.
AMEN
| | |
|
ISAN-DROA VOLANA Octobre 2015
FITANDREMANA MARSEILLE le 06/10/2015, 13 01 53 (UTC) | | FIVORIANA ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE
Sabotsy 10 Octobre-Alahady 11 Octobre 2015
Teny faneva "Mba hotafinareo ny toetra vaovao" Efes. 4:24a
Asabotsy 10 Oktobra 2015 : Toerana : FLM Mazargues, 8 boulevard Magnan, 13009 Marseille.
Fanombohana 4 ora sy sasany tolak'andro.
Mpitarika : RAFARALAHITSIMBA Amélie Bénédictine.
T.T. : Sal. 65 : 17-25 : SOLOTENAN’I FLM NICE
T.V. : Efes. 4 : 22-28 : RANAIVOSON-NIRINA Robertin.
Fampianarana Soratra Masina. « Ny olona roa ao amin’ny Kristiana. Ampitahao Efes. 4:24». Katekista RAKOTOARIMANANA François d'Assise.
Filazan-draharaha sy rakitra.
Toriteny : Kol. 3: 1-10 ; Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato
Asa sy Fampaherezana : Mpandamina ; RAJAONELISON Holy.
Fiaraha-mitafa sy fialana hetaheta.
Antsam-piderana : Mpitarika sy mpandrindra RATSIMAROSOLO Dauphine ( Rakitra ho an’ny SALOMA).
Vavaka famaranana : SOLOTENAN’I FLM NICE.
Fivorian'ny Komitin'ny FITANDREMANA.
Alahady11 Oktobra 2015 : Toerana : FLM Mazargues, 8 boulevard Magnan, 13009 Marseille.
Fotoampivavahana litorzika.
Fanombohana : 4 ora tolak’andro.
Mpitarika Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato
T.T. Isa. 44 : 21-23 : RABARISOA Hendry.
Epistily. Kol. 3: 1-10 : SOLOTENAN’I FLM NICE.
T.V Mat. 9 : 1-8. : RADO HERY Andriamasy.
Alitara sy Toriteny Lio. 13 : 10-17 Pastora.
Filazan-draharaha, Rakitra sy Solom-bokatra.
Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Fiaraha-misakafo.
Hafatra
Ankoatran'ny Rakitra dia hisy solom-bokatra ny Alahady hanatevenana ny kitapon'ny Fitandremana.
Aza adino ny fiarahantsika miangona koa dia aoka samy hitondra am-bavavaka ny fivoriana mamintsika.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
| | |
|
HETSIKA FDL Fitandremana Marseille sabotsy 19 Septambra 2015
RANAIVOSON Nirina - KOMITY FDL Fitandremana Marseille le 12/09/2015, 19 07 09 (UTC) | | FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Synodam-Paritany FLM Eoropa
FILEOVANA MARSEILLE
FITANDREMANA MARSEILLE
*******************
SAMPANA FIKAMBANAN-DEHILAHY LOTERANA MALAGASY “ FDL”
FANASANA :
Teny FANEVA : “ Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny, manandra-tanana masina,” 1 Timoty 2:8a
Ny SAMPANA FDL (Fikambanan-Dehilahy Loterana Malagasy) eto amin’ny Fitandremana Marseille dia manasa antsika hanotrona ny Hetsika izay ataony ny SABOTSY 19 Septambra 2015 manomboka amin’ny 4 ora tolakandro izay atao ao amin’ ny Chapelle Sainte Claire, 62 rue cade-mouton , 13014 Marseille.
-Hisy “Projection Film” Kristianina amin’io fotoana io.
-Hisy “barquette” tsakitsaky Malagasy isan-karazany izay hamidy, sy ranom-boakazo (Jus).
Dia mirary ny fahatongavantsika maro ho Voninahitr’Andriamanitra sady misaotra antsika amin’ny anaran’i Jesosy “Satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo”, I Kor 15 : 58b
KOMITY FDL Fitandremana Marseille
| | |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|