FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

FIOFANAN'NY MPIANDRY
FIFIL Synodam-paritany FLME le 06/02/2014, 16 04 13 (UTC)
 JESOSY IRERY IHANY

"HOSITRANIKO NY FIODINANY."Hosea 14 and 5a

Miarahaba anareo amin'ny anaran'i Jesosy. Toy ny efa fanao isan-taona, ny FIOFANAN'NY MPIANDRY dia hatao any LA CHAPELLE ny 26 sy 27 Avrily 2014.
Araka ny fanapahan-kevitry ny KONFIFIL tany Antseranana tamin'ny Oktobra 2013 dia ny bokin'i HOSEA no hotrandrahan'ny FIFIL amin'ity taona 2014 ity miainga avy amin'ny teny faneva "Hositraniko ny fiodinany." Hosea 14 and 5a.
Koa dia samy hamaky sy hianatra ny boky isam-piangonana, isam-pitandremana, isam-pileovana.

Dia manao veloma finaritra anareo amin'ny anaran'i Jesosy sady misaotra amin'ny fiaraha-miasa.
Tonia FIFIL FLME,
Dr jean
 

CALENDIER ISAN-TAONA SY FIOFANANA
FLME le 04/02/2014, 21 09 56 (UTC)
  –Isan-taona ny Sampana – Toby Sinoda - Fiofanana :

. Sampana FBL : 22-23/02/2014 Fileovana Île de France – La Rochelle.

. Sampana FIFIL : 15 – 16/03/2014 Fileovana Marseille – Montpellier.

. Sampana KTLM : 12-13-14/04/2014 Fileovana Paris – Marie Rose

. Isan-taona Toby Pouru Saint Rémy : 10 au 14 Juillet 2014 . Toby.

. Isan-taona SPFLME : 25 – 26 Octobre 2014 Fileovana Île de France.

. Fiofanana Sampana SALOMA 08-09 Novembre 2014 Fileov Strasbourg.

. Fiofanana Sampana FIFIL : 26 – 27 Avril 2014. Toby Pouru Saint Rémy.
 

CALENDRIER 2014 FLM Mazargues
Komity FLM Mazargues le 04/02/2014, 21 09 50 (UTC)
 05/01/2014 Alahady ny Sampana FIFIL

08/02/2014 Isan-droa volana Fitandremana
09/02/2014 Isan-droa volana Fitandremana

01/03/2014 Hetsiky ny sampana KTLM ( Soso-kevitra)

08/03/2014 Isan-telo volana Fileovana
09/03/2014 Isan-telo volana Fileovana

22/03/2014 Hetsiky ny sampana KTLM ( Soso-kevitra)

17/04/2014 ALAKAMISY MASINA

26/04/2014 Hetsika FDL
27/04/2014 Alahady ny FDL

17/05/2014 Hetsiky ny sampana SALOMA
18/05/2014 Alahady ny sampana SALOMA

25/05/2014 Alahady ny sampana KTLM

22/06/2014 FIRAISAM-PINOANA

28/06/2014 Hetsiky ny sampana VLM
29/06/2014 Alahady ny sampana VLM

05/07/2014 Hetsiky ny sampana FBL
06/07/2014 Alahady ny sampana FBL

30/08/2014 Hetsiky ny sampana FIFIL

27/09/2014 FETIMPIANGONANA
 

KOMITY FLM MAZARGUES
Mpitantsoratra le 28/01/2014, 17 05 07 (UTC)
 Faneva: "Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany". Jao.4-34
Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy.
Antsoina isika Birao sy Komitin' ny FLM Mazargues mba ho tonga hamonjy ny fivoriana ny Alarobia 29 Janvier 2014 amin'ny 8 ora hariva ao antokatranon'ny Nirina sy Vololona (8 Rue Monté Cristo 13005 MParseille, 4°Etage à Gauche).
Zava-dehibe nyfahatongavan'ny tsirairay.
Samia mitondra am-bavaka ny Fotoana.
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra.
Ny Loholona
Atoa RADO Hery
 

HIRA FBL ISAN-TAONA
FBL-FLME le 26/01/2014, 14 02 42 (UTC)
 Miarahaba antsika Fikambanam-behivavy eto amin'ny FLM Fitandremana.

Hafatra avy amin'ny Birao FBLSPFLME,

Misy hira 2 iraisan-tsika FBLSPFLME amin'io isan-taona ny FBL Février 2014 io.

*Ny Asabotsy: io Hira alefa amintsika eo ambany io. Deot. 31: 8

Tsara ny hianarantsika ny Hira eny na sanatria aza misy ny tsy fahafahana mamonjy ny Isan-taona.

*Ny Alahady : " NY MARINA AMIN'NY FINOANA NO HO VELONA" Rom 1 : 17b

Hira efa nataontsika t@ny isan-taona lehibe farany teo. Efa nalefa tamintsika tany aloha ny Feon-kira.

Manana anjara hira 2 hiany koa isika Fileovana Marseille, ka ny iray dia Hira zafindraona, ary ny iray Hira tsotra. Efa nisy nanolotra ireto proposition ireto, fa ho alefa amintsika eo hiany ny Fanampahan-kevitra farany.

- ZafinRraona : Sambatra ny Mpampihavana.

- Tsotra : Fiadanana feno.

Izay ary ry rahavavy malala fa dia mahereza mamerina ny hirantsika.

Aoka samy hitrotro am-bavaka mandrakariva ny fotoanantsika.

Ho voninahitr' Andriamanitra irery hiany.

Ny Mpitantsoratra
Landy RADO


FBL_20t_Solfa1vx
.wma Télécharger

FBL_20t_Solfa2vx
.mp3 Télécharger

FBL faha-20taona 2èvoix
.wma Télécharger

FEON KIRA 1ère VOIX
.mp3 Télécharger
 

FOTOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA
FLM MAZARGUES le 26/01/2014, 14 02 33 (UTC)
 Faly miarahaba antsika amin'ny anaran'i JESOSY.

Araka ny programa efa namparitaka tamintsika, dia hisy ny fanompoam-pivavahana iraisana ny Alahady tolakandro izao. Ny toerana dia eny amin'ny Paroisse st Jean Baptiste, 17 Rue Friedland 13006 Marseille manomboka @ 3 ora sy sasany tolakandro.


Ireto avy no anjarantsika eto @ny FLM :

- 3 - Vavaka Fiderana

- 7 - Vavaka Fangatahana (noho ny taona vaovao)

- 10 - Vakiteny : Filazantsara : Jean 17 : 1 - 11a

- 14 - Ranombavaka : Firenena

- 15 - Vavaka nampianarin'ny Tompo

- 17 - Vaovao isan-tafo

- 18 - Fisaorana


Araka ireo fandaminana ireo dia maromaro ny anjarantsika eto amin'ny FLM, koa manainga antsika izay eto an-toerana mba hamonjy ny fotoana, ho mariky ny firaisana ao amin'ny Tompo.


Marihina fa noho ny fotoana mifanindry dia tsy hisy ny fotoana eny @'ny FLM Mazargues.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery hiany.


Ny Mpitantsoratra

Landy RADO

Ho voninahitr' Andriamanitra irery hiany.
 

<- En arrière  1 ...  26  27  28 29  30  31  32 ... 35Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement