|
|
VAOVAOM-PIANGONANA
|
|
ISAN-DROA VOLANA
FITANDREMANA MARSEILLE le 30/05/2014, 17 05 13 (UTC) | | FITANDREMANA MARSEILLE
FIVORIANA ISAN- DROAVOLANA
Asabotsy 14 Jona 2014 . Toerana : FLM Marseille, Chapelle Sainte Claire.
Faneva : " Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3.3d "
Fanombohana : 4 ora sy sasany tolak’andro
Mpitarika : RAFARALAHITSIMBA Germain
Vakiteny :
T.T. : Ezekela 18 : 19-27. RASOLONJATOVO Hery
T.V. : Titosy 3: 3-7. RANDRIANJATOVO Florent
Fampianarana Soratra Masina : " Ny fahateraham-baovao " Ampit. Ny Faneva 11–16.
Mpampianatra : Pastora ANDRIANARIJAONA Germain Tonia Nasionaly ny Firaisan’ny Fifohazana Loterana ( FIFIL)
Filazan-draharaha
Fanantitra
Toriteny : Jao. 3 : 1– 15. Katekista RANDRIAMBOLOLONA Jean Tonian’ny FIFIL Synodam-paritany FLME
Asa sy Fampaherezana : Mpitarika : RANDRIANASOLO Hanitra
Fialana hetaheta.
Antsam-piderana : Mpitarika sy mpandrindra Ratsimarisolo Dauphine ( Rakitra ho an’ny SALOMA ).
Vavaka Famaranana : RASOLOFONDISA Jeannot
Alahady 15 Jona 2014 . Toerana : Toerana : FLM Marseille, Chapelle Sainte Claire.
Fivorian’ny Komity Fitandremana : 8 ora sy sasany
Fotoam-pivavahana
Fanombohana : 10 ora sy sasany
Mpitarika : Katekista
Vakiteny :
T.T. : Ezek.18: 30-32, RADO Hery Andriamasy,
Epistily : I Jao.3 : 1-10, RABARISOA Hendry,
T.V. : Mar.4: 26-29, RAKOTOARIMANANA Hantanirina Clarisse,
Toriteny : Jao. 15: 12 – 17 ; Pastora ANDRIANARIJAONA Germain
Filazan-draharaha
Fanantitra
Lavanty
Fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo.
Hafatra : Trotroy am-bavaka ny fivoriantsika
Iangaviana ny tsirairay samy hitondra vokatra ho fanohanana ny Kitapon’ny Fitandremana
Hisy fiaraha-misakafo aorian’ny fotoam-pivavahana ny Alahady maraina.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany !
| | |
|
Ascension
FLM Mazargues-Secretariat le 28/05/2014, 12 12 20 (UTC) | | Finaritra tompoko !
Ilazana isika fa hisy fotoam-pivavahana hahatsiarovana ny Andro lehibe niakaran'ny Tompo "ascension" eny @ FLM Marseille rahampitso Alakamisy @ny 10h30. Aoriana izay dia hiara-hitodi-doha ho eny Mazargues isika mianakavy, ary samy hivimbina sakafo. Aorian'ny Fisakafoanana dia hiroso @ny Fanatsarana ny Alitaraisi. Koa samia ary mivimbina Fitaovana hampiasaina @'izany. Zava-dehibe ny Firaisana sy ny Fiarahan-tsika misalahy, sady sitrak' Andriamanitra reheteo izany. Koa dia manainga antsika rehetra ary mba samy ho tonga. Ho Azy irery anie ny voninahitra. | | |
|
ALAHADIN'NY SALOMA
SALOMA FLM Mazargues le 18/05/2014, 08 08 26 (UTC) | | "Fa hianao kosa dia mahareta amin' izay nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany" 2Timoty 3 : 14.
Ry havana, ampatsiahivina isika fa Anio no Alahadin'ny SALOMA eto amin'ny sahan'ny FLM, noho izany, dia hankalaza izany isika eto amin'ny FLM Mazargues anio Alahady 18 Mai, hisy ny Rakitra Valopy, ho fanohanana azy ireo amin'ny Asa.
Dia mangataka indrindra ny hitondranao am-bavaka ny Sampana SALOMA sy ireo Mpampianatra tompoko.
" Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza, Ka rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin' izany." Ohabolana 22 : 6-7.
Ny fotoana : amin'ny 4 Sekoly Alahady. amin'ny 5 Fotoam-pivavahana arahin'ny Fandraisana ny Fanasan'ny Fanasan'ny Tompo. Ho voninahitr' Andriamanitra irery hiany. | | |
|
SALOMA
saloma FLM Mazargues Marseille le 16/05/2014, 23 11 03 (UTC) | | FANASANA
Synodam-paritany FLME
Fileovana Marseille
Fitandremana Marseille
Fiangonana FLM Marseille Mazargues
Sampana SALOMA FLM Mazargues
TENY FANEVA : "Fa hianao kosa mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany ;"
LOTO CONCERT
Ny sampana SALOMA Fiangonana FLM Marseille Mazargues dia faly manasa anao hanatrika ny hetsiky ny sampana na ny "Activité annuelles 2014" ; izay atao ao amin’ny ERF Magnan ( 8 Bd Magnan 13009 Marseille) ny Sabotsy 24 Mai 2014. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro (13h)
Toy izao no fandaharam-potoana amin’izany :
- 13h - Fanomboana : Fanompoam-pivavahana na culte d’ouverture.
- Sakafo => * vente tsakitsaky : sambos, nem, lasary gasy, mofo sakay, katilesa
qiuches, glaces, canettes, sns......
* Barquettes misy vary sy laoka ho an'ny olon-dehibe
* Frites, hamburgers ho an'ny ankizy
- 14h - CONCERTS :
Saloma FLM Mazargues
Invités
-LOTO : -Une carte à jouer (Gratuit)
-15 à 20 lots à jouer
TSY MISY VIDIM-PIDIRANA
Dia maniry ny fahatongavanao tompoko. | | |
|
FIFIL Fileovana
FIFIL Fileovana Marseille le 14/05/2014, 13 01 43 (UTC) | | "Asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny asako amin'ny finoana" Jak. 2 : 18b
Manasa anao eto @ny FLM Mazargues ny Sampana Fifohazana Fileovana Marseille, mba ho tonga hanotrona azy ireo: "Hetsika sy Famangiana" izay ho tanterahiny ny Asabotsy 17 Mai izao @ 7 hariva eny @ chapelle Ste-Claire.. Ny fotoana : - Atomboka @ny Fotoam-pivavahana - Tanatara ny Fifohazana - Toriteny - Asa sy Fampaherezana. Faranana @ny Sakafo "vary amin'anana sy Saosisy" ka ny Fandraisana anjara dia 4euros. Dia manantena indrindra ny fahatongavanao @ny Fandraisana ny Teny sy ho Fanohanana ny asan'ny Sampana FiFil eto @ Fileovana Marseille.
Ho Azy irery ny voninahitra.
| | |
|
ALAHADIN' NY PASTORA
FLM Mazargues Marseille le 08/05/2014, 09 09 12 (UTC) | | " ALAHADY 11 MAI 2014 : ALAHADIN'NY PASTORA "
Rehefa niakatra any an-danitra JESOSY dia "nanome Fanomezana ho an'ny olona"
" Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelistra, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra". Efesiana 4 : 8 ; 4 :11
Vavan'i JESOSY mamonjy Aina ny Pastorantsika!
Nomeny ny " Fahefana hanao ny Asany" : Hamela heloka, (Jaona 20 : 23) ; no fofonin' Andriamanitra ny fofonaina (Gene 2 : 7b) Hitory sy hampianatra ny Teny Soratra Masina ( 2 Timoty 3 ; 16)
Hoy ny Tenin'i JESOSY " Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy" Lioka 10 : 16a
Hankalaza ny Alahady ny Pastora isika ny Alahady 11 Mai 2014 izao
TOMBONY LEHIBE HO ANTSIKA ETO AMIN'NY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY eto MAZARGUES NY FANANAN-TSIKA NY PASTORA Flavien VOLATOMBO,
NEKENY SY NO TANTERAHINY TOKOA NY ANTSON'NY TOMPO MANAO HOE " MANARAHA AHY".( Lioka 9 : 59b).
Tohy ny fanaontsika isan-taona dia hitrotro am-bavaka ny Pastora mivady sy ny zanaka aman-jafiny isika fiangonana.
Hisaotra sy hanome voninahitra an' Andriamanitra noho ny Fitiavany sy ny Famindrampony amintsika
Samy haneho fifaliana sy fankasitrahana ny Raiamandreny Pastora Flavien VOLATOMBO mianakavy isika.
Samy hiomana isika ; ny isan' olona, ny isam-pianakaviana, ny isan-tsampana, sy ny Fiangonana.
Aorian'ny Filazan-draharaha no hanatanterahantsika ny Fankalazana.
Ka ny isan-tsampana dia samy hanao hira sy manolotra fanomezana.
Rehefa izany dia mandroso hiany koa ny Fianakaviana.
Aorian'ny Fotoana dia hisy Fifampizarana (collation) ho mariky ny fifalian-tsika.
Ka tohizao no fandaminana :
Ny Fianakaviana tsirairay dia samy mitondra ireto zavatra manaraka ireto :
* Salé ( na sambos, na nems, na quiche,na pizza,na bouchées,na sakay...)
* Sucré ( na Gâteaux,na tartes,na beignets,....
* Boissons ( Jus, eau plate,)
Aoka samy hitrotro am-bavaka ny fotoana rehetra, ary dia ho feno Fifaliana sy hahitana ny Firaisana amintsika rehetra.
Ho voninahitr' Andriamanitra irery hiany.
| | |
|
|
|
|
|
|
|