FLM MAZARGUES MARSEILLE
  Vaovaom-piangonana
 
VAOVAOM-PIANGONANA

HETSIKA FIFIL FLM Mazargues
FIFIL-FLM Mazargues le 18/08/2014, 11 11 54 (UTC)
 FANASANA FIFIL FLM MAZARGUES
FIFIL FLM MAZARGUES le 05/07/2014, 16 h 27
" Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay." Josoa 24 : 15d

FANASANA

SAMPANA FIFIL (Firaisan'ny Fifohazana Loterana Malagasy) FLM Mazargues dia faly manasa anao hanatrika ny projection film "The Courageous" arahina fifanazakalozan-kevitra ny Asabotsy 30 Août 2014 ho avy izao manomboka amin' ny 5 ora tolakandro ao amin'ny ERF Marseille Sud Est, 8 boulevard Magnan, 13009 Marseille.

Toy izao ny fandaharam-potoana:

- Fanompoam-pivavahana Fanokafana
- Hira fiderana 1
- Projection film "The Courageous"
- Hira fiderana 2
- Fifanakalozan-kevitra
- Barbecue Party

Fandraisana anjara 4 euros

Maniry ny Fahatongavanareo maro
 

ISANDROA VOLANA 09-10 Août 2014
FITANDREMANA MARSEILLE le 01/08/2014, 21 09 02 (UTC)
 FIVORIANA ISANDROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE
Teny faneva " Ny voany no hahafantaranareo ny hazo " Matio 7:20
Toerana : FLM Marseille Chapelle Ste Claire

Asabotsy 9 Aogositra 2014
Fanombohana 4 ora sy sasany tolakandro
Mpitarika : Rtoa RAZAFIMANANTSOA Arlette
T.T.: Deot. 13:1-6 : RAJAONELISON Holy
T.V.: Rom. 8:12-17: RALAMBOMANANA Andry
Toriteny 1: I Jaona 4:1-6 Rtoa RANDRIANASOLO Hanitra
Filazan-draharaha sy rakitra
Toriteny 2 : Matio 7: 15-21 , Katekista RAKOTOARIMANANA François d'Assise
Asa sy Fampaherezana : Mpandamina ; RANDRIANJATOVO Mavosoa
Fanalana hetaheta
Antsam-piderana : Mpandrindra RAKOTOBE Rindra
Vavaka famaranana

Alahady 10 Aogositra 2014

Fivorian'ny Komitin'ny FITANDREMANA: 9 ora sy sasany tsy diso

Fotoampivavahana litorzika
Fanombohana : 10 ora sy sasany maraina
Mpitarika Katekista
T.T. Jeremia 15:19-21: RANAIVOSON-NIRINA Robertin
Epistily Romana 4:9-25: RABARISOA Hendry
T.V Marka 7:12-14: RADO Hery Andriamasy
Toriteny Matio 7:12-14
Filazan-draharaha sy Rakitra ary solom-bokatra
Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo
Fiaraha-misakafo

Hafatra : Ankoatran'ny Rakitra dia hisy valopy ho solom-bokatra ny Alahady ka aoka ho vonona isika izany no natao dia ho fanatevenana ny kitapon'ny Fitandremana hanefany ny adidiny izay maro tokoa.

Aza adino ny fiarahantsika mivavaka ary aoka hitondra am-bavavaka ny fotoana rehetra isika.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

FBL FILEOVANA MARSEILLE
FILEOVANA MARSEILLE le 28/07/2014, 14 02 46 (UTC)
 Tompoko

Miarahaba antsika FBL eto amin'ny Fileovana Marseille sy ny tompon'andraikitra ao aminy.

Araka ny tapaka dia hanao "sortie" isika ny 15 Aout any Avignon, noho izany dia tokony hanao fanentanana ao amin'ny fiangonana tsirairay isika amin'ny fotoana ny filazan-draharaha mba ho maro ny handeha.

Mba ahazoantsika mihomana sy mihevitra izay tokony hatao, koa raha azo hatao dia mety ho fantatra ve ny isan'ny olona handeha amin'ity semaine ity? Misaotra tompoko.

Dia mirary soa, ho tahian'i Jesosy.

Ramatoa Nirina Sambatra Raharijaonarivelo

Araka io mail nalefan'ny Ramatoa Presidente ny Fileovana io , dia efa natao ny Fanentanana, fa dia vitsy dia vitsy tokoa isika no tonga tao am-piangonana. (Landy- Holy - Mano - Sebastine - Bodo) .
Koa mba mangataka antsika mba hamaly , na @ mail, na @ sms, na @ téléphone ny tsirairay hoe " Afaka aho" na " Tsy ho afaka aho".

Ny TANJONA @'io Sortie io mantsy dia ny mba Hifankalalana, Hifaneraserana, Hifapikasokasohana, hampitombo ny fifankatiavantsika FBL FILEOVANA.

Koa zava-dehibe ny hahatongavantsika "MARO", sy hanentanana antsika ho tonga tokoa.

Miala maraina dia miverina ny hariva. Eo @ny 1 heure de trajet eo.

Azontsika atao ny manome valin-teny @ireto olona manaraka ireto :

- DAVIDSON Voahirana
- RALAMBOMANANA Andry
- RADO Landy

Mirary Fialan-tsasatra mahafinaritra ho an'ny rehetra ho eo ambany fiarovan'i Kristy Tompo.

 

ISAN-TELOVOLANA 28-29 JONA 2014
FILEOVANA MARSEILLE le 24/06/2014, 09 09 28 (UTC)
 ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
Asabotsy 28 Juin 2014 - Alahady 29 Juin 2014
TOERANA:
FLM MONTPELLIER : Faculté de Théologie Montpellier - 13, rue du Docteur Louis Perrier. 34000 Montpellier
« Koa izany no ilazany hœ: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. » (Efesiana 5:14)

Ireto avy ny Fiangonana mirafitra ao amin’ny Fileovana :
- FLM Marseille Ste Claire
- FLM Mazargues
- FLM Montpellier

Marseille : Renivohitry ny Fileovana
Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO, mpitondra Fileovana
Tel: 0609953501
Mail: Pasteur.rahari@yahoo.fr

Fifandraisana (contact)
Mpitondra Fitandremana Marseille
. Pastora VOLATOMBO Flavien
flavienvolatombo@yahoo.fr

FLM Marseille Sainte Claire
. Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato
Naly.hanitra@orange.fr
FLM Mazargues
. Katekista RAKOTOARIMANANA François D’Assise
François.dassise@yahoo.fr

Mpitondra Fitandremana Montpellier
. Pastora RAKOTONIRINA Lalatiana
Nirina117@yahoo.fr

. Katekista Ranaivo Gérard
josira@yahoo.fr

FANDAHARAM-POTOANA

ASABOTSY Faha 28 Jona 2014

16h30 Fotoam-pivavahana fanokafana “Teksta nyAlah. faha II manaraka ny Trinité”
(litorzy alahady hariva)
. Mpitarika: Katekista Gerard Ranaivo
. Toriteny sy alitara: Pastora Rakotonirina Lalatiana
. Teny fiarahabana :Pastora Raharijaonarvelo Edmond

17h30 Fampianarana Soratra Masina
. Mpitarika: Fitandremana Marseille
“ Fitarihin-teny ny Epistily ny Efesiana ”
Pastora Raharijaonarivelo Edmond
18h30 Fialana hetaheta

19h00 Fotoan’ny Sampana “FBL Fileovana”
. Mpitarika: Rtoa Raharijaonarivelo Nirina Sambatra
. Toriteny: Pastora Flavien Volatombo (Efes 5.22-24)

20h00 Asa sy Fampaherezana
. Mpandrindra: Rtoa Razaimalala Arlette

20h30 Fivoriana Komity Fileovana.

ALAHADY 29 JONA 2014

10h30 Fanompoam-pivavahana misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Hira fidirana:
Pastora: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!
Vavaka Fanombohana : Katekista Randrianasolo Andrianalinjato

Hira 240

Leksiona sy Epistily
-Test.Taloha : Isaia 60.1-6 ( Fitandremana Montpellier)
-Epistily: apok. 2.1-7 (Fitandremana Marseille)

Hira 216
Filazantsara : Mat.4.13-17
Hira 190

TORITENY:
Pastora Edmond Raharijaonarivelo

Hira: Choral Fileovana

Filazan-draharaha

Rakitra 317

Hira 254
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Hira 543

TSO-DRANO

Postlude : Choral
Vavaka Farany : Katekista Rakotoarimanana François d‘Assise
Feon’orga

Hafatra:
- Samy mitondra am-bavaka ny fotoana rehetra
- Samy hitondra fanomezana hatao vokatra na Valopy “solom-bokatra”
- Aza mahafoy ny fiarahana miangona


 

FITSANGATSANGANANA FBL-SALOMA
FLM MAZARGUES le 20/06/2014, 08 08 50 (UTC)
 FBL sy SALOMA.

Ny Asabotsy 21 izao no atao ny sortie FBL sy SALOMA. Ny toerana dia eny @ny "Parc Compagne Pastre " pointe rouge - direction Les Goudes. Samia mitondra Sakafo sy Jus ary Jeux. Hampilalaovana ny ankizy dia hiangaviana ny Ray aman-dreny mba samy hitondra lot 2 avy, ka ny 1 fonosina avy hatrany fa ho atao "enveloppe surprise". Ny Kilalao atao @ zany dia : LOTO - Voahirana sy Holy Jade. Hira sy Lalao Malagasy "Fampitaha" : Hanta Rasolohery. Ny Fotoanantsika : @ 11 ora atoandro, izay ora hanaovantsika ny Fotoam-pivavahana . Mifarana @ ny 5 ora sy sasany hariva. (Misy ireo mamonjy ny fotoanan'ny KTLM @ 6 ora hariva). " Mifalia mandrakariva ao @ny Tompo..". Dia manasa antsika rehetra ho tonga, miaraka @'ireo SALOMA. Mirary ny Fiadanan'ny Tompo ho amintsika rehetra.
 

ANTSAM-PANAHY KTLM-FLM Mazargues
KTLM le 06/06/2014, 08 08 01 (UTC)
 FANASANA "ANTSAM-PANAHY KTLM-FLM Mazargues"

"Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena amin'ny Fivavahana." 1 petera 4 : 7. Fifaliana ho an'ny KTLM eto @ ny FLM Mazargues ny manasa anao hanotrona azy ireo ny Asabotsy 07 Juin izao. "ANTSAM-PANAHY" lehibe izay Fitoriana an-kira. Aoriana izany dia hisy ny fivarotana "Composée" izay hanasana ny rehetra. Hisy Fandraisana anjara 4e. Koa dia manantena indrindra ny Fanotronantsika azy ireo. Ny toerana dia eny @ny ERF Sud-est, 8 boulevard Magnan 13009 Mazargues @ 18h30 hariva.

Ho an 'Andriamanitra irery hiany ny Voninahitra.

NB : Samia manasa ny tapaka sy namana.
 

<- En arrière  1 ...  23  24  25 26  27  28  29 ... 35Continuer -> 
 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement