|
|
|
|
|
|
|
|
FILM MASINA :
|
|
|
|
|
|
TAHIRY :
|
|
|
|
|
|
|
|
VAOVAOM-PIANGONANA
|
|
FANASANA SALOMA - SABOTSY 16 Mai 2015
SAMPANA SEKOLY ALAHADY LOTERANA MALAGASY SALOMA – FLM MAZARGUES le 09/05/2015, 21 09 11 (UTC) | | “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izaho aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” 3 Jaona 1-4
Fifaliana ho an’ny Sampana SALOMA-FLM Mazargues ny manasa antsika rehetra ho tonga amin’ny hetsika karakarainy: “LOTO CONCERT”. Izay atao ny Sabotsy 16 mai 2015 manmboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny Espace Magnan, 8 Boulevard Magnan 13009 Mazargues-Marseille (ERF Marseille SUD est).
Hisy tsakitsaky isan-karazany sy sakafo hariva hamidy amin’izany.
Hery sy fifaliana ho anay ny fahatongavanareo.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
Ramatoa MITSAKIS Dorothée
Filoha SALOMA FLM Mazargues.
| | |
|
FANASANA FDL 9 mai 2015
FIKAMBANAN-DEHILAHY LOTERANA FDL – FLM Mazargues le 03/05/2015, 16 04 52 (UTC) | | “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” Marka 13-31
Ny Fikambanan-Dehilahy – FDL-FLM Mazargues dia manasa antsika hanotrona ny hetsika izay karakarainy ny Sabotsy 09 Mai 2015 manomboka amin’ny 6 ora tolakandro ao amin’ny Espace Magnan, 8 Boulevard Magnan 13009 Mazargues-Marseille (ERF Marseille SUD est).
Hisy projection Film amin’io fotoana io : “BOKY NODORANA NEFA TSY LEVONA” amin’ny teny Frantsy (Version Française) izay tantara kristiana marina mitantara ny tantaran’ireo Martiora Malagasy sy ny fanenjehana ny Kristiana tamin’ny andron’ny mpanjaka RANAVALONA Voalohany.
Hisy fivarotana barquette ( 5 euros ) amin’io fitoana io izay ahitana tsakitsaky Malagasy sy ranom-boankazo,
Dia manantena sy mirary ny fahatongavantsika maro ho Voninahitran-Andriamanitra sy ho fampandrosoana ny asany.
RANAIVOSON Nirina Robertin
Filoha FDL-FLM Mazargues
| | |
|
FIFIL - FLME FIOFANANA FAHA-7
Synodam-paritany flme le 13/04/2015, 14 02 36 (UTC) | |
FIOFANANA FAHA-7
MPIANDRY sy MPIOMANA SP_FLME
(1-2-3 Mey 2015)
TOERANA :
SKI CLUB SEDANAIS 85 petite Rue LA CHAPELLE
TOBY POURU SAINT REMY
FANEVA : “SATRIA FANTATRO IZAY INOAKO.” II Timoty 1 and 12b
ZOMA 1 MEY 2015
14H-15H30: FOTOAM-PIVAVAHANA FANOKAFANA
Mitarika: Katekista RAKOTOARIMIZA Fano, fileovana Ile de France
Alitara sy Toriteny : Pastora RANDRIAMALALA E., Mpitondra Fitandremana LIMOGES “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo ; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray.” Jaona 4.22
* 15H30-19H30: FAMPIANARANA SORATRA MASINA
- Mitarika : Katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato,
Fileovana MARSEILLE
- MPAMPIANATRA I : Pastora RASETA, Mpitondra Fitandremana ORLEANS
“Ny fahafantaran’i Mosesy sy ireo Patriarka izay inoany” Araka ny Genesisy 12.7 sy ny Eksodosy 3.13
- MPAMPIANATRA II : Pastora FLAVIEN, Mpitondra Fitandremana MARSEILLE “Ny fahafantaran’ny mpaminany izay inoany” Araka ny Isaia 6.5 sy ny Jeremia 1.4
- Fakan-drivotra : 10 minitra
- MPAMPIANATRA III : Pastora RAKOTONIRINA L., Mpitondra Fitandremana MONTPELLIER “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona.” Matio 16.13
Famaranana: Katekista RATOVOHERY Soloarisoa, Fileovana PARIS
* 19H30-20H30: SAKAFO sy VOKATRA
* 20H30-22H: FIVORIAN’NY MPAMPIANATRA SPFLME
SABOTSY 2 Mey 2015
9H – 12H30: TORITENY sy FAMPIANARANA
- Mitarika : Katekista RANDRIAMALALA Mirahoson, Fileovana PARIS
- Toriteny : Pastora RAZANALISY Daniel, Mpitondra Fitandremana GRENOBLE
Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” Matio 22.42
- MPAMPIANATRA IV : Pastora RAKOTOVAO Ivan, Mpitondra Fitandremana MALAKOFF
“Ary hoy Jesosy taminy: fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ? ” Matio 16.15
Fakan-drivotra : 10 minitra
- MPAMPIANATRA V: Pastora HABBERSTAD, Filoha SP_FLME
“Satria fantatro Izay inoako.” II Timoty 1.12b
Famaranana : Katekista RAKOTOARIMANANA François d’Assise, Fileovana MARSEILLE
* 12H30-13H30: SAKAFO sy VOKATRA
* 14H – 16H30: FAMELABELARANA sy FAMPIANARANA
- Mitarika: Katekista VELOSAOTSY Nambinina, Fileovana ILE de FRANCE
- Mpamelabelatra: Pastora ANDRIAMAHENINA Mamy, Mpitondra Fitandremana NANTES
“Fantatro Izay inoako.” Ny fahafantaran’ireo Raiamandrenin’ny Tobilehibe efatra
- MPAMPIANATRA VI : Pastora RAHARIJAONARIVELO E., Filoha lefitra SP_FLME
“Ny fanekem-pinoana”
Famaranana : Katekista RAMARIJAONA Obermond,
Fileovana STRASBOURG
16H30 – 18H30: DINIDINIKA : Tarihin’ny Raiamandrenin’ny Toby,
Tonia FiFiL sy ireo Pastora rehetra
18H30 -20H30: FAMPAHEREZANA ny MPIANDRY
- Mitarika : Katekista RAKOTOMAVO Fara, Fileovana PARIS
Toriteny : Dr RAOELISON Helinirina, Raiamandrenin’ny Toby
“Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao, ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Hianao.” Jaona 16.30
20H30 – 21H30: SAKAFO sy VOKATRA
20H30-22H: FIVORIAN’NY MPAMPIANATRA SPFLME
ALAHADY 3 Mey 2015
10H30 – 13H: FOTOAM-PIVAVAHANA LITORZIKA
- Mitarika : Katekista RAMAHEFARIVO Jonah, Filoha FIFIL SP_FLME
- Alitara sy Toriteny : Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka, Filoha SP_FLME
Jaona 7.37-39
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
13H30 -15H: SAKAFO sy VOKATRA
| | |
|
ISAN-TELO VOLANA 11-12 Avril 2015
FITANDREMANA MARSEILLE le 09/04/2015, 20 08 04 (UTC) | | ISAN-2 volana FITANDREMANA MARSEILLE 11-12 Avril 2015
FANEVA : « Kanefa raha izaho,dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy » Joba 19 :25a
Toerana : FLM MARSEILLE : Chapelle Sainte Claire 62, rue Cade-Mouton 13014 Marseille
ASABOTSY 11 AVRILY 2015 :
- 05 ora tolakandro
MPITARIKA : Rtoa Rajaonelison Holy
Vakiteny :
T.T. : Ezekiela 37:1-4 : Rtoa Rasoanjanahary Marie
T.V. : Asa 3:11-21 : Rtoa Razafiarison Vanessa
FAMPIANARANA SORATRA MASINA : »Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ». Katekista Randrianasolo Naly
TORITENY : Jaona 21 :1-4 : Katekista Rakotoarimanana FD
ASA SY FAMPAHEREZANA
: Rtoa Razafitsoma Violette
FIALANA HETAHETA SY TAFATAFA
FIFANINANANA SORATRA MASINA : Mpitarika : Rtoa Mitsakis Dorothée
SaLoMa : Matio 5 ; KTLM : Salamo 103
famaranana : Razafindratsimba Haja
• Komity Fitandremana
ALAHADY 12 AVRILY 2015 : manomboka 10 ora sy sasany
Fotoam-pivavahana litorjika
Mpitarika : Katekista Rakotoarimanana FD
Vakiteny :
T.T. : Joba 19 : 25-27 : Atoa Rabarisoa Hendry
T.V. : Asa 13 : 26-39 : Atoa Rado Hery Andriamasy
Filazantsara : Jaona 20 : 19-31 : Rtoa Rafaralahitsimba Bénédictine
Toriteny : Lioka 24 : 36-43 : Pastora Flavien
Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
Fiaraha-misakafo
Hafatra :
Aoka samy hitrotro am-bavaka ny fivoriantsika
Hisy valopy (solom-bokatra) hanampy ny rakitra.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery hiany.
| | |
|
Famangian'ny Filoha Nasionaly FBL
FBL Fitandremana Marseille le 07/03/2015, 12 12 20 (UTC) | | "Koa @ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianaràna ny Asa Tsara ." Titosy 2: 7a
Finaritra tompoko,
Ny fotoana rahampitso Alahady maraîna :Eny Ste claire @10h : Fotoampivavahana litorjika. Alitara sy Toriteny : Pastora HABBERSTAD pdt Sinode FLME (KMSP )
13h a 15h :
Fiarahana misakafo
Ny tolakandro 16h a 17h30 :
Eny FLM Mazargues :
Fotoampivavahana famaranana ny Famangian'ny Tonia NASIONALY Rtoa TOROMARE Mananato
Izy no Hitory ny Tenin'Andriamanitra amintsika .
Koa dia fifaliana ho antsika ny mandray Azy sy ireo Raiamandreny lehibe eto @ FLM sp Europe .
Ho an'Andriamanitra irey anie ny voninahitra.⛪️
| | |
|
Filoha Nasionaly FBL
FBL Fitandremana Marseille le 07/03/2015, 12 12 17 (UTC) | | Miarahaba antsika Fiangonana FLM eto Mazargues amin'ny Anaran'i JESOSY . Mamangy antsika eto @ Fileovana Marseille ny Tonia ny FBL NASIONALY avy any Madagasikara , Rtoa TOROMARE Mananato, koa asaina isika rehetra mba ho Tonga handre ny Tenin'Andriamanitra sy ny Fampianarana izay entiny ho antsika rahampitso Alarobia 04 marsa 2015 @ 6 ora sy sasany hariva Eny @ chapelle ste claire. Hiangaviana isika mba ho Tonga ara-potoana. Aoriana ny fotoana dia Hisy "collation " ho fandraisantsika ny vahiny. (Ny caisse ny FBL no hikarakarana izany). Koa dia manentana antsika rehetra mba Samy ho Tonga fa tombony lehibe ho antsika ny Famangiana ataon'ny Raiamandreny tahaka izao, sady mampahery tokoa.
Dia Mirary ny Fahasoavàn'ny Tompo ho amintsika rehetra tompoko, ho voninahitr'Andriamanitra irery Ihany.
| | |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|